Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mamy sy ny Mangidy teo Amin’ny Fiainan’ny Rôma

Ny Mamy sy ny Mangidy teo Amin’ny Fiainan’ny Rôma

Ny Mamy sy ny Mangidy teo Amin’ny Fiainan’ny Rôma

TOY ireny lanonam-panambadiana makotroka be ireny ilay izy. Betsaka ny sakafo sy ny zava-pisotro ary manakoako eran’ny trano ny mozika. Mailamailaka ny mpianakavy mankeny aloha, hiarahaba ilay mpampakatra menamenatra sy ny ampakariny, izay miramirana erỳ. Olona 600 mahery no tonga hirary soa azy roa amin’io alina io. Mbola tsy mariazy anefa io fa vao fifamofoana. Manolotra ny vodiondry ny fianakavian-dralehilahy amin’io fotoana io. Hitondra an-drazazavavy any aminy razazalahy sy ny fianakaviany ny ampitson’io, ary amin’izay vao hatao ny mariazy, ka mbola hisy fety hafa indray.

Miteny rômania daholo ny fianakavian’ilay mpivady vao. Noheverina ho teny vahiny izy io na taiza na taiza nisy azy ireo. Anisan’ny lova iraisan’ny vahoaka iray miparitaka eran-tany io fiteny io sy ireo tenim-paritra samihafa avy aminy, ary ny fombafomba tranainy maro sy ny fomba fampakaram-bady. Tsy manana tanindrazana na fitondram-panjakana anefa io vahoaka io. Rôma no iantsoana azy ireo. *

Iza moa ireo Rôma?

Raha mandinika ny fitenin’ny Rôma sy ny fomba fiainany ary ny firazanany isika, dia ho hitantsika fa niaina tany amin’ny faritra avaratr’i Inde izy ireo, efa ho 1 000 taona lasa izay. Fantatra avy hatrany fa avy amin’ny teny indianina ny fitenin’izy ireo, afa-tsy ireo teny nampiasainy vao haingana. Tsy tena mazava kosa ny antony nialany tany Inde. Misy manam-pahaizana mihevitra fa mety ho mpanao asa tanana sy mpampiala voly niaraka tamin’ny antokona miaramila ny razamben’izy ireo, ary nandao ny tanindrazany taorian’ny ady. Na ahoana na ahoana, dia tonga tany Eoropa izy ireo talohan’ny taona 1300, rehefa avy nandalo tany Persa sy Torkia.

Samy hafa be ny fiheveran’ny ankamaroan’ny Eoropeanina ny Rôma, hatramin’izay. Ao ny manindrahindra azy ireo amin’ny tantara sy filma, hoe olona tia mandray vahiny sy falifaly lava ary mitety toerana maro, sady mampibaribary ny hamamy sy ny hangidin’ny fiainana amin’ny alalan’ny hira sy ny dihy. Ny hafa kosa manaratsy azy ireo ho tsy azo itokisana, hafahafa, fatra-piahiahy olona, ary tia mitokantokana fa tsy mety hifangaro amin’ny hafa. Andeha isika hijery ny zavatra mahaliana niainan’izy ireo tamin’ny lasa, mba hahalalantsika ny anton’izany fomba fijery samy hafa izany.

Fotoan’ny fanavakavahana

Teo anelanelan’ny taona 500 hatramin’ny 1500 tany ho any, dia tsy nahalala afa-tsy izay nitranga tao an-tanànany ny ankamaroan’ny olona tany Eoropa. Alao sary an-tsaina àry izay noeritreretin’izy ireo, raha vao nahita fianakaviana rôma tonga tao an-tanànany. Tsy maintsy ho nahavariana azy ireo ny zavatra maro momba ireo Rôma. Tena tsy nitovy tamin’ny azy ireo ny fiakanjony sy ny fombafombany ary ny fiteniny, ankoatra ny volon-kodiny zarazara, ny masony malomaloka, ary ny volony mainty. Matetika koa no nitokantokana ny Rôma. Efa fahazarany hatrany Inde angamba izany, satria nizara ho saranga maromaro ny fiaraha-monina tany. Lasa nampiahiahy ny Eoropeanina izy ireo, rehefa nandeha ny fotoana, fa tsy nahaliana azy intsony.

Nailikilika ny Rôma. Noterena hanorina ny lainy teny an-tsisin-tanàna izy ireo, ary tsy nahazo niditra tao an-tanàna, na dia hividy sakafo sy hantsaka aza. Nisy tsaho niely hoe: “Mpangala-jaza ireny, sady mihinana zazakely mihitsy!” Nisy aza lalàna nandidy ny Rôma hahandro ny sakafony teny an-tokotany, mba ho afaka hanara-maso izay nandrahoiny ny rehetra. Matetika izay nanao izany no nandraraka tamin’ny tany ny sakafon’izy ireo nandritra ilay andro. Tsy mahagaga raha nangalatra sakafo ny Rôma sasany mba hahavelomany.

Lasa tsy nisara-mianakavy ny Rôma mba hiatrehana izany fanavakavahana izany. Nahazo fanampiana sy nahita fifaliana teo anivon’ny fianakaviany izy ireo, nandritra ny taonjato maro. Efa fomban’ny Rôma ny mikarakara tsara ny zanany, ary ireo zanany indray mikarakara tsara sy miahy ny ray aman-dreniny rehefa antitra izy ireo. Maro koa ny Rôma mitandrina mafy ny fitsipika nentim-paharazana momba ny fitondran-tena sy ny fahalalam-pomba.

Nifindrafindra monina

Mahalana ny Rôma vao noraisina tsara, ka nifindrafindra monina lava. Izany no nahaizany zavatra maro, toy ny fanefena, ny varotra, ary ny fampialana voly. Nahafahany namelona ny fianakaviany izany, fara faharatsiny. Nalaza ho nanana hery miafina, toy ny fahaiza-mamantatra ny hoavy, ny vehivavy rôma sasany, ka matetika no nihambo ho nanana izany mba hahazoam-bola. Tsy dia natahorana hiova koa ny kolontsaina sy fitondran-tenan’ny Rôma, noho izy nifindrafindra monina ka tsy nifandray loatra tamin’ny gadje, na olona “tsy rôma” amin’ny teny rômania. *

Nahatonga fanenjehana ilay fanavakavahana, tamin’izany fotoana izany. Noroahina ny Rôma tany amin’ny tany sasany tany Eoropa, ary nandevozina nandritra ny taonjato maro izy ireo tany an-tany hafa. Vao mainka niparitaka ny Rôma rehefa nifarana ilay fanandevozana tamin’ny 1860 hatramin’ny 1869, ka maro no nankany Eoropa Andrefana sy Amerika. Nentin’izy ireo nanaraka azy ny fiteniny sy ny fombany ary ny talentany.

Na nohosihosena aza ny Rôma, dia nahita fifaliana ihany indraindray tamin’ny alalan’ny dihy sy mozika ary ny fanaovana tantara an-tsehatra. Nifanerasera tamin’ny olona nanana kolontsaina hafa ny Rôma tany Espaina, ka namorona ilay dihy sy mozika atao hoe flamenkô. Ny mpahay mozika rôma tany Eoropa Atsinanana indray dia nihira ny vako-drazana teo an-toerana, fa nataony araka ny fombany manokana. Naka tahaka ny feon-kira mampihetsi-pon’ny Rôma koa aza ny mpamorona mozika kilasika, toa an-dry Beethoven, Brahms, Dvořák, Haydn, Liszt, Mozart, Rachmaninoff, Ravel, Rossini, Saint-Saëns, ary Sarasate.

Ny Rôma ankehitriny

Saika ny faritra rehetra eto an-tany izao no ahitana Rôma, ary miisa roa ka hatramin’ny dimy tapitrisa eo ho eo izy ireo na mahery aza, araka ny filazan’ny sasany. Any Eoropa ny ankamaroany. Maro no tsy mifindrafindra monina intsony, ary mpanefohefo ny sasany. Mbola mahantra sy sahirana anefa izy ireo any amin’ny faritra maro, ary miaina ao anatin’ny toe-piainana tsizarizary matetika.

Tokony hitovy zo ny rehetra, araka ny hevitra politika nandritra ny fitondrana kominista, tany Eoropa Atsinanana. Nahavita nisakana ny Rôma tsy hifindrafindra monina loatra ny fitondram-panjakana, rehefa nanome azy asa sy trano. Nisy fihatsarana kely ny fahasalamana sy fari-piainan’ny Rôma, vokatr’izany. Mbola ratsy foana anefa ny fiheveran’ny Rôma ny olon-kafa sy ny fiheveran’ny olon-kafa azy ireo, toy ny tamin’ny taonjato maro taloha ihany.

Nahavelom-panantenana ny fiovana ara-politika tany Eoropa Atsinanana, tamin’ny 1990 hatramin’ny 1999. Nampahatsiahy an’ireo Rôma ny fahoriany fahiny koa anefa izany. Maro mantsy no vao mainka sahirana indray teo amin’ny fivelomana sy ny fifandraisana tamin’ny mpiara-monina, satria nahena ny fandaharam-panampiana ary tsy nampiharina tsara ny lalàna mandrara ny fanavakavahana.

Nanana fanantenana sy fiainana tsara kokoa

Izany no zava-nisy tamin’i Andrea nianatra tany Eoropa Atsinanana. Tovovavy mainty volo izy, ary izy irery no Rôma tao an-dakilasiny. Matanja-tsaina izy, nefa tsy tanany ny ranomasony izao, rehefa mahatsiaro hoe nesoina sy nailikilika izy taloha. Hoy izy: “Izaho foana no voatondro farany rehefa nilalao izahay ka nofidina izay ho anisan’ny ekipa. Naniry handositra tany Inde aho, satria mba tsy niavaka aho tany. Nisy nivazavaza tamin’ny namako indray mandeha hoe: ‘Andeha miverina any Inde!’, ka hoy ilay namako: ‘Efa nandeha aho raha nanam-bola.’ Tsy nisy toerana nahatamana anay mihitsy, satria tsy tian’ny olona foana izahay na taiza na taiza.” Nahay nandihy be i Andrea ka nanonofinofy ny halaza, amin’izay dia mba heken’ny olona. Nahita zavatra tsara lavitra noho izany anefa izy, tamin’ny fahatanorany.

Hoy izy: “Nitsidika anay i Piroska, tovovavy iray Vavolombelon’i Jehovah, indray andro. Nasehony ahy tao amin’ny Baiboly fa isika isam-batan’olona mihitsy no tian’Andriamanitra, fa tsy ny olombelona amin’ny fitambarany fotsiny. Nohazavainy fa afaka mifandray tsara amin’Andriamanitra aho raha tiako. Lasa nino aho fa tena nisy vidiny tamin’Andriamanitra. Lasa natoky tena kokoa aho rehefa nahalala fa mitovy daholo ny olona, amin’Andriamanitra.”

“Nentin’i Piroska nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona aho. Nihaona tamin’ny Rôma sy olon-kafa tsy rôma aho tany, ary tsapako fa niray saina izy ireo. Lasa nana-namana Vavolombelona rôma sy tsy rôma aho. Lasa Vavolombelon’i Jehovah koa aho, rehefa avy niara-nianatra Baiboly tamin’i Piroska, nandritra ny herintaona sy tapany.” Mpitory ny vaovao tsara manontolo andro izao i Andrea sy ny vadiny, ary mampianatra ny hafa momba ny fitiavana lalina asehon’Andriamanitra amin’ny olona avy amin’ny firenena rehetra.

‘Nekeny ho nitovy taminy’

Hoy indray i Hajro, lehilahy rôma, rehefa nahatsiaro ny fahazazany: “Nahita olana aho matetika satria niaraka tamin’ny ankizilahy tsy nanaja lalàna. Nosamborin’ny polisy aho indray mandeha, satria niara-nangalatra tamin’ireo ankizy ireo. Rehefa naterin’ny polisy nody aho, dia tsapako fa natahorako kokoa noho izy ireo ny reniko. Efa nampianarina ahy mantsy fa ratsy ny mangalatra, toy ny nampianarina ny ankamaroan’ny ankizy rôma.”

Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa i Hajro sy ny fianakaviany, tatỳ aoriana. Tena nanohina ny fony ny fampanantenan’ny Baiboly hoe hanaisotra ny olana mahazo ny olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra, ka anisan’izany ny fanavakavahana. Hoy izy: “Tsy mba nanana fitondram-panjakana hikarakara azy ireo mihitsy ny Rôma, ka inoako fa tena hankasitraka ny soa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra izy ireo. Izao dia efa tsapako izany soa izany. Vao niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana aho, dia nahatsapa ny fihetseham-pon’ny apostoly Petera, izay nilaza hoe: ‘Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.’ (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Neken’ny rehetra ho nitovy tamin’izy ireo aho. Toy ny nanonofy aho nandre olona tsy rôma niantso ahy hoe phrala, izany hoe ‘rahalahy’ amin’ny teny rômania!”

“Nanohitra be ny mpianakaviko sasany tamin’ny voalohany. Tsy azon’izy ireo ny fiovana nataoko mba hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Hitan’ny fianakaviako sy ny Rôma mpiara-monina aminay anefa izao, fa sambatra aho ary mandray soa maro satria manaraka foana ny fitsipik’Andriamanitra. Te hanatsara ny fiainany koa ny ankamaroan’izy ireo.” Anti-panahy sady mpitory ny vaovao tsara manontolo andro izao i Hajro. Tsy Rôma i Meghan vadiny. Mampianatra olona rôma sy tsy rôma koa izy, mba hahalalan’izy ireo hoe ahoana no anampian’ny Baiboly azy mba ho sambatra, dieny izao sy amin’ny hoavy. Hoy i Meghan: “Mandray ahy tsara ny fianakavian’ny vadiko sy ny mpiara-monina. Faly mantsy izy ireo hoe misy olona tsy rôma miahy azy toy izany.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Antsoina hoe Gypsies, Gitanos, Zigeuner, Tsiganes, Cigány, izy ireo, any amin’ny faritra samy hafa eran-tany. Heverina fa manambany ireo teny ireo. Ny ankamaroany kosa miantso ny tenany hoe Rôma, izay midika hoe “lehilahy” amin’ny fitenin-dry zareo. Misy olona sasany miteny rômania anefa antsoina amin’ny anarana hafa, toy ny Sinti.

^ feh. 12 Matetika ny Rôma no manaraka ny fivavahan’ny ankamaroan’ny mponina any amin’ny tany ipetrahany, na dia mitana mafy ny fomba maro nentim-paharazana aza ny sasany.

[Teny notsongaina, pejy 24]

Saika ny faritra rehetra eto an-tany izao no ahitana Rôma

[Efajoro/​Sary, pejy 23]

Tombanana ho 400 000 na mahery ny Rôma novonoin’i Hitler tany amin’ny toby famonoana, nandritra ny fitondran’ny Nazia tany Eoropa. Nisy Jiosy sy Vavolombelon’i Jehovah ary olon-kafa koa novonoiny tany. Mbola tsy fantatry ny besinimaro akory izany famonoana nataon’i Hitler izany, dia efa nanao ilay sarimihetsika hoe Ilay Mpanao Didy Jadona Lehibe (anglisy) i Charlie Chaplin, Rôma mpilalao sarimihetsika. Maneso an’i Hitler sy ny Nazia io sarimihetsika nivoaka tamin’ny 1940 io. Anisan’ny artista malaza milaza ho manana razambe rôma koa ny mpilalao sarimihetsika Yul Brynner sy Rita Haywoth (eo ambany), ilay mpanao sary hoso-doko Pablo Picasso (eo ambany), ilay mpitendry mozika jazy DjangoReinhardt, ary ilay mpihira masedonianina Esma Redžepova. Misy koa Rôma lasa injeniera, dokotera, mpampianatra, ary mpikambana ao amin’ny parlemantan’ny tany misy azy.

[Sary nahazoan-dalana]

AFP/Getty Images

Photo by Tony Vaccaro/Getty Images

[Efajoro/​Sary, pejy 26]

Vavolombelona Rôma

Maro ny Rôma lasa Vavolombelon’i Jehovah. Anti-panahy sy mpisava lalana maharitra ny sasany. Mihevitra azy ireny ho modely ny manam-pahefana sy ny olon-kafa tsy rôma. Hoy ny Vavolombelona rôma iray any Slovakia: “Nandondona tao aminay ny mpifanila trano iray tsy rôma indray andro, ka nilaza hoe: ‘Mikorontana be ny tokantranoko, ary ianareo no fantatro fa afaka manampy anay.’ ‘Fa nahoana no hoe izahay?’, hoy aho. Namaly izy hoe: ‘Matoa afaka nanampy anareo hanatsara ny fiainanareo ny Andriamanitrareo, dia mety ho afaka hanampy anay koa.’ Nomenay boky ara-baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay miresaka momba ny fianakaviana, izy.”

“Tonga indray ilay ramatoa vadiny, taorian’izay, ary nitady fanampiana toa azy koa, nefa tsy nahalala hoe efa teo ilay rangahy. Hoy izy: ‘Tsy misy olon-kafa afaka manampy anay eto amin’ny manodidina.’ Nomenay an’ilay boky koa izy. Samy nandrara anay izy mivady mba tsy hiteniteny amin’olona hoe nandalo tao aminay. Nanomboka nampianatra Baiboly azy mivady izahay, rehefa afaka iray volana sy tapany. Noho izahay miaina mifanaraka amin’ny fahamarinana ara-baiboly, dia lasa tena misy vidiny amin’ny olona izahay, ka mitady fanampiana ara-panahy atỳ aminay izy ireo.”

[Sary]

Narbonne, Frantsa

Grenade, Espaina

‘Tena hankasitraka ny soa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra ny Rôma.’—Hajro

[Sary, pejy 22]

Polonina

[Sary nahazoan-dalana]

© Clive Shirley/Panos Pictures

[Sary, pejy 22]

Rôma tany Angletera, 1911

[Sary nahazoan-dalana]

By courtesy of the University of Liverpool Library

[Sary, pejy 22, 23]

Slovakia

[Sary, pejy 23]

Macédoine

[Sary nahazoan-dalana]

© Mikkel Ostergaard/Panos Pictures

[Sary, pejy 24]

Romania

[Sary, pejy 24]

Macédoine

[Sary, pejy 24, 25]

Repoblika Tseky

[Sary, pejy 24, 25]

Espaina

[Sary, pejy 25]

Nanonofinofy i Andrea hoe hahatonga azy halaza sy heken’ny olona ny dihy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Romania: © Karen Robinson/Panos Pictures; Macédoine: © Mikkel Ostergaard/Panos Pictures; Repoblika Tseky: © Julie Denesha/Panos Pictures