Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tetezana Fidirana any Londres

Tetezana Fidirana any Londres

Tetezana Fidirana any Londres

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

MAHALALA azy io ny vahiny mbola tsy teto Angletera mihitsy. Mpizaha tany an’arivony no tonga mitsidika azy io isan-taona. Mandalo eo isan’andro ny mponin’i Londres, nefa mety tsy ho tonga ao an-tsainy akory ny tantaran’izy io. Tsy inona izany fa ilay tetezana atao hoe Tower Bridge, izay midika hoe Tetezan’ny Tilikambo. Anisan’ny zavatra manan-tantara indrindra eto Londres io tetezana io.

Tsy tokony hafangaro amin’ilay tetezana antsoina hoe London Bridge na Tetezan’i Londres izy io. Mifanakaiky amin’ny Tilikambon’i Londres i Tower Bridge, ary misy ifandraisana aminy. Izao no tantaran’i Tower Bridge: Nisy nangataka alalana tamin’ny Parlemanta Anglisy, tamin’ny 1872, mba hanorina tetezana hafa eo amin’ny reniranon’i Tamise. Tsy neken’ny governoran’ny Tilikambon’i Londres anefa izany. Na izany aza, dia nanapa-kevitra ny Parlemanta fa hatao ilay tetezana, ka asiana misy itovizany amin’ilay Tilikambon’i Londres.

Maro ny tetezana naorina teo amin’i Tamise tamin’ny taonjato faha-18 sy 19, ka ilay atao hoe Old London Bridge no malaza indrindra. Nihanalemy anefa ny fototr’io tetezana io tamin’ny 1750. Tery koa izy io ka niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Ankoatra izany, dia nisy seranana teo akaikiny, ka niady hiantsona teo ny sambo tonga avy any an-tany hafa, na dia efa tery aza ilay toerana. Be loatra ny sambo nifanizina teo tamin’izany, ka voalaza fa afaka niampitampita teny ambonin’izy ireny ny olona, ary nahavita kilaometatra maro mihitsy.

Noho ny fiangavian’ny Ben’ny Tanànan’i Londres, dia nanome soso-kevitra i Jones Horace, mpanao maritranon’ny tanàn-dehibe, fa afaka manorina tetezana hafa eny ambanimbany kokoa miala amin’i London Bridge izy. Hampitovina amin’ny tetezana alemà tamin’ny taonjato faha-14 tany ho any ilay izy, ary hasiana ampahany mizara roa afaka miakatra. Ho afaka handalo eo ambaniny ny sambo amin’izay, rehefa hiakatra hiankandrefana hamonjy seranana. Maro no nilaza fa tena hafakely io tetezana io.

Tetezana hafakely

Nitety tany maro i Jones, ka ireo tetezana kely afaka miakatra, hitany teny ambonin’ny lakan-dranon’i Holandy no nalainy tahaka. Ny injeniera sy mpanao maritrano niara-niasa taminy no nanao ny sarin’ilay izy. Fomba fanorenan-trano maoderina no nampiasaina tamin’ilay tetezana, ka vy norakofana simenitra no nanamboarana azy. Hafakely tokoa ilay izy ka izany no mampahalaza azy.

Manana tilikambo roa lehibe i Tower Bridge, ary eo anelanelan’ireo no misy an’ireo ampahany mizara roa afaka miakatra. Misy lavarangana roa eny ambony, mampitohy an’ireo tilikambo, ary 34 metatra miala amin’ireo tetezana afaka misokatra eny ambany ny haavony, fa 42 metatra eo ho eo kosa raha miala amin’ny rano. Milanja 1 200 taonina eo ho eo ny ilany tsirairay amin’ireo tetezana afaka miakatra, ary efa mila hipaka amin’ilay tilikambo izy ireo rehefa tafakatra tanteraka. Afaka mandeha tsara eo ambaniny na dia ny sambo milanja hatramin’ny 10 000 taonina aza.

Hery manainga ilay tetezana

Fitaovana mandeha amin’ny rano no nampiasaina nanaingana an’ireo tetezana. Io koa no nampiakarana sy nampidinana ny trano kely solon-tohatra fandehanan’ny olona eny amin’ireo lavarangana. Mbola io koa aza no nampirehitra ireo jiro ho an’ny fifamoivoizana. Rano tokoa no nampiakatra sy nampidina an’ireo tetezana! Ary betsaka ny hery azo avy amin’ilay rano, satria nahatratra avo roa heny noho ny nilaina aza.

Nisy vilany be efatra nampangotrahana rano tao ambany atsimon’ireo tetezana. Arintany no nampiasaina nampangotrahana an’ilay rano. Nanome etona ampy tsara ireo rano ireo mba hanosehana paompy roa navesatra be. Ireo paompy ireo indray avy eo no nandefa rano mafy be tao anaty vilany lehibe enina. Notahirizina tao izany rano izany, mba ho ampy tsara foana ny habetsahany ilaina hanetsehana ny fitaovana valo manainga an’ireo tetezana. Alefa fotsiny ilay rano rehefa tokony hampiakarina ireo tetezana, ary iny fa miakatra ny ilany tsirairay. Iray minitra monja dia tafakatra tanteraka izy ireo.

Fitsidihana an’i Tower Bridge

Herinaratra indray ankehitriny no mampakatra sy mampidina an’ireo tetezana, fa tsy etona intsony. Toy ny taloha ihany anefa, dia ajanona daholo ny fiara rehefa hiakatra ireo tetezana. Variana ny mpandeha an-tongotra sy ny mpizaha tany ary ny mpitsidika hafa mahita ny fiakarany sy ny fidinany.

Misy anjombona maneno aloha, mba hilazana fa hiakatra ireo tetezana. Mandeha haingana ny fiara farany, ary sakanana ny lalana. Manome famantarana ireo mpanara-maso an’ilay tetezana fa tsy misy fiara intsony. Mivaha moramora ireo vy efatra mampitohy an’ireo tetezana. Mizara roa amin’izay izy ireo, ary miakatra. Mijery any amin’ny rano daholo ny olona avy eo, ka manara-maso an’ilay sambo mandalo eo ambany, na sambo fitondra mitsangantsangana izany na sambo lay na karazany hafa. Rehefa afaka minitra vitsivitsy, dia miova ny jiro ho an’ny fifamoivoizana. Miverina midina ireo tetezana, ary misokatra indray ny lalana. Mandeha haingana eny alohan’ireo fiara mijanona ny mpitondra bisikileta, satria te hiampita voalohany an’ilay tetezana. Tsy mihetsika intsony indray aloha i Tower Bridge, fotoana fohy aorian’izay, mandra-pahatongan’ny sambo manaraka.

Miverimberina matetika izany rehetra izany. Tsy izany fotsiny anefa no jeren’ireo mpitsidika liana amin’ny fiakarana sy fidinan’ilay tetezana. Miakatra amin’ilay trano kely solon-tohatra, miaraka amin’ny olon-kafa koa izy, mankao amin’ilay tilikambo avaratra. Misy sary sy fanazavana amin’ny an-tsipiriany momba ny tantaran’ilay tetezana mantsy ao. Vita sary hoso-doko ao, ohatra, ny asa mafy nataon’ireo injeniera sy ny lanonana nakotroka nitokanana azy io. Aseho an-tsary ao koa ny mombamomba an’ilay tetezana. Efa tranainy ireo sary ireo, ka feno pentimpentina sy manjavozavo. Variana izay mijery azy ireo.

Mahatazana tsara an’ireo trano avo eto Londres avy eny amin’ireo lavarangana avo be, ny mpitsidika. Eny andrefana ny Katedralin’i Masindahy Paoly sy ny bankin’i Londres, ary erỳ lavidavitra no misy ny tilikambon’ny Paositra. Mety hieritreritra ianao hoe hahita ny seranana raha mitodika miantsinanana. Tsy eo intsony anefa izy ireo, fa nafindra any ambany kokoa, lavitra ny tanàn-dehibe. Misy tanàna vaovao antsoina hoe Docklands kosa eo. Mahavariana ny mitazana azy io satria feno trano tsara tarehy. Tena mahatalanjona sy mahafinaritra ary mahaliana, izay rehetra tazanina avy eny amin’ny lavarangan’ilay tetezana malaza eto Londres!

Raha mankany Londres ianao, nahoana raha mitsidika an’io tetezana manan-tantara io, ka mandinika akaiky azy? Hahavariana anao ny fomba nanamboarana azy ka tsy ho hainao hadinoina.

[Sary, pejy 16]

Iray amin’ireo paompy lehibe nandefa rano, mba hanetsehana ny fitaovana manainga an’ireo tetezana

[Sary nahazoan-dalana]

Copyright Tower Bridge Exhibition

[Sary, pejy 16, 17]

Tsy ampy iray minitra akory dia tafakatra tanteraka ireo tetezana

[Sary nahazoan-dalana]

©Alan Copson/Agency Jon Arnold Images/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

© Brian Lawrence/SuperStock