Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Misy ifandraisany ny herisetra asehon’ny haino aman-jery sy ny herisetran’ny tanora, toy ny ifandraisan’ny fifohana sigara sy ny kanseran’ny havokavoka.”—THE MEDICAL JOURNAL OF AUSTRALIA.

Asehon’ny porofo fa “toa velona sy mitombo ao anatin’ny [karazana ramanavy mpihinana voankazo] ny virosin’ny aretina Ebola.” Mihinana io karazana ramanavy io mantsy ny olona any amin’ny faritra sasany atsy Afrika.—MACLEANS, KANADA.

Tato anatin’ny valo taona farany, dia ankizy 130 000, fara fahakeliny, tany Meksika, no nalaina an-keriny mba hamidy. Misy mividy izy ireny mba hatao mpivaro-tena, na ampiasaina, na hakana taova hamidy. Izany no fanazavana azo tany amin’ny minisiteran’ny fitsarana tany an-toerana.”—MILENIO, MEKSIKA.

Nahoana Izy Ireo no Nigadra 12 Taona?

Nigadra nandritra ny 12 taona ny Vavolombelon’i Jehovah telo tany Sawa, any Érythrée, Afrika Atsinanana. Nigadra izy ireo nefa tsy nandalo fitsarana, sady tsy nisy fitoriana niampangana azy. Tsy nisy navela hitsidika azy ireo, na dia ny vady aman-janany aza. Inona no nahatonga izany rehetra izany? Tsy nety nanao miaramila izy ireo, noho ny feon’ny fieritreretany. Tsy eken’ny lalàna any Érythrée anefa izany. Gadraina any amin’ny toby miaramila ny tovolahy rehefa voasambotra. Kapohina mafy izy ireo matetika, ary ampijalina amin’ny fomba isan-karazany.

Ho Lany Tamingana ve ny Bibidia Noho ny Internet?

“Manafaingana ny fandripahana elefanta any Afrika ve ny fisian’ny Internet?” Izany no fanontaniana napetraky ny gazety The New York Times. Mino izany ny olona sasany mpiaro ny biby, ary mbola maro koa aza ny karazam-biby hafa atahoran’izy ireo ho fongana. Voalaza fa nihabetsaka ny fivarotana sy fividianana an-tsokosoko an’ireny biby ireny, arakaraka ny naha maro ny toerana ao amin’ny Internet. Nandritra ny telo volana, dia nanaovana fikarohana ireo toerana ao amin’ny Internet mampiasa teny anglisy. Hita tamin’izany fa “6 000 mahery ny bibidia na zavatra nalaina tamin’ny bibidia amidy, nefa voararan’ny lalàna na angamba tsy ara-dalàna ny fivarotana azy.” Anisan’izany ny akoran-tsokatra, sary sokitra vita amin’ny taolan’elefanta, ary leopara mainty mbola velona.

Famanana Tsy Mandoto Tontolo Iainana

“Tonga ny famanana efitrano mandeha amin’ny voan’oliva”, hoy ny gazety espaniola El País. Io loharanon’angovo io no manome hafanana sy ahazoana rano mafana, any amin’ny tokantrano 300, fara fahakeliny, any Madrid. Mora vidy ny voan’oliva, satria latsaka ny antsasaky ny vidin’ny solika fandrehitra ny vidiny, ary latsaka kely noho ny vidin’ny saribao. Tsy mandoto ny tontolo iainana koa izy io, satria mitovy ihany ny habetsahan’ny gazy karbonika avoakany rehefa lo, sy ny avoakany rehefa dorana. Ahazoana tombony koa izy io satria tsy sarotra tadiavina. Anisan’ny faikany azo avy amin’ny fanamboarana menaka oliva ny voan’oliva. Ary i Espaina no loha laharana eran-tany amin’ny famokarana io menaka io.

Paty Efatra Arivo Taona

Milaza ny mpahay siansa fa nahita ny “paty tranainy indrindra.” Izany no nolazain’ny gazety The New York Times. Vita tamin’ny karazam-barimbazaha maniry any Chine ilay izy, ary miloko mavo sady manify, mirefy 50 santimetatra. Tany akaikin’ny Renirano Huang, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Chine no nahitana ilay izy, voasarona tao anaty vilany tany, ary tototry ny antsanga nirefy 3 metatra. Milaza ny gazety Nature, fa potiky ny horohoron-tany sy “ny tondra-drano nahatsiravina” angamba ilay toerana nahitana azy io, 4 000 taona lasa tany ho any izay. Miady hevitra ny olona hoe tany Azia ve, sa tany Italia, sa tany Moyen-Orient no nanamboarana ny paty voalohany? Mamaly izany i Houyuan Lu, izay miasa ao amin’ny Akademia Sinoa Momba ny Siansa, sady anisan’ireo olona nahita ilay paty. Hoy izy ao amin’ny gazety The Times: “Voaporofo tamin’iny fikarohana iny fa i Chine no nanamboatra ny paty voalohany indrindra.”