Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hialako Amin’ io Fahazarana io?

Ahoana no Hialako Amin’ io Fahazarana io?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Hialako Amin’io Fahazarana Io?

“Nanomboka nikasikasika ny filahiako aho tamin’izaho valo taona. Fantatro ny fiheveran’Andriamanitra an’izany, tatỳ aoriana, ka nanenina mafy aho isaky ny resin’io fahazarana io. Nanontany tena aho hoe: ‘Ahoana no itiavan’Andriamanitra ny olona toa ahy?’ Azoko antoka fa tsy ho tonga any amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra aho.”—Louis. *

NANJARY zatra nikasikasika ny filahianao koa angamba ianao, toa an’i Louis. Fantatrao fa faly i Jehovah raha tsy manaiky ho resin’io faniriana io ianao, fa mifehy tena. Iray amin’ireo vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny fifehezan-tena. (Galatianina 5:22, 23; 2 Petera 1:5, 6) Resy anefa ianao indraindray. Aorian’izany dia mihevitra ianao fa tsy misy antenaina intsony ny aminao, sady tsy vitanao ny manaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra.

Izany mihitsy no tsapan’ny tovolahy iray atao hoe Panoela. Hoy izy: “Nanenina mafy aho rehefa lavo indray tamin’io fanao io. Nihevitra aho fa tsy ho vitako mihitsy ny hanonitra izay nataoko. Sarotra tamiko ny nivavaka, ka izao no nanombohako azy: ‘Jehovah ô, tsy fantatro raha hihaino an’ity vavaka ity ianao, fa...’ ” Hoy koa ny tovolahy iray atao hoe Andry: “Nihevi-tena ho mpihatsaravelatsihy aho. Tena sarotra ny niala tao am-pandriana tamin’ny maraina, mba hiatrika izay tokony hatao mandritra ny andro. Sarotra tamiko koa ny nivory sy nandeha nanompo.”

Mahereza, raha toy izay tsapan’i Louis na i Panoela na i Andry koa no tsapanao. Tsy ianao irery no toy izany. Tadidio koa fa mbola misy antenaina ny aminao! Tanora sy olon-dehibe maro no zatra nikasikasika ny filahiany, nefa nahavita niala tamin’izany. Afaka ny handresy koa ianao. *

Fiatrehana ny fahatsapana ho meloka

Araka ny voalaza tetsy aloha, dia matetika no itambesaran’ny fahatsapana ho meloka, ny olona zatra mikasikasika ny filahiany. Azo antoka fa raha ‘malahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra’ ianao, dia handrisika anao hiala amin’ilay fahazarana izany. (2 Korintianina 7:11) Mifanohitra amin’izany kosa ny vokatra ho azo, raha tafahoatra ny fahatsapanao ho meloka. Mety ho kivy tanteraka ianao, ka tsy te hiady amin’ilay faniriana intsony.—Ohabolana 24:10.

Miezaha mafy àry hijery an’ilay zava-mitranga amin’ny saina tsy miangatra. Marina fa anisan’ny fahalotoana ny fikasikasihana ny filahiana. Mety hahatonga anao ho ‘andevon’ny fanirian-dratsy sy ny fahafinaretana maro samihafa’ izany, ary hahatonga anao hanana eritreri-dratsy mandoto ny saina. (Titosy 3:3) Na izany aza, dia tsy anisan’ny fitondran-tena faran’izay maloto toy ny fijangajangana, ny fikasikasihan’ny olona iray ny filahiany. (Efesianina 4:19) Raha manana olana momba an’io àry ianao, dia tsy tokony hihevitra hoe nanao fahotana tsy ahazoana famelan-keloka. Ny manohitra ilay faniriana sy tsy milavo lefona mihitsy no tokony hatao!

Mora indraindray ny ho kivy, rehefa lavo indray. Rehefa mitranga izany, dia saintsaino ny teny ao amin’ny Ohabolana 24:16, manao hoe: “Potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany; ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.” Tsy hoe ratsy fanahy akory ianao, raha lavo indray. Aza milavo lefona àry. Fakafakao kosa hoe inona no nahatonga izany, ary miezaha mba tsy hamerina intsony.

Aza manamelo-tena foana, fa makà fotoana hisaintsainana momba ny fitiavan’Andriamanitra sy ny famindram-pony. Hoy i Davida mpanao salamo, izay efa nanao fahadisoana maro: “Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:13, 14) Tadidin’i Jehovah àry fa tsy lavorary isika. Vonona ny ‘hamela heloka’ izy rehefa manao fahadisoana isika. (Salamo 86:5) Tiany koa anefa raha manao izay azontsika atao isika mba hiovana.

Inona avy no azonao atao, mba hialana amin’io fahazarana io, sy tsy hahatonga anao ho lavo indray?

Resaho izay mahazo anao

Miresaka matetika momba ny firaisana ny fampitam-baovao any amin’ny tany maro. Na eo aza izany, dia mbola sarotra amin’ny maro ny miresaka momba io foto-kevitra io amin’ny fomba mendri-kaja sy matotra. Mety hahamenatra anao koa angamba ny hanomboka hiresaka momba izany, eny fa na dia amin’ny namana azonao itokisana aza. Efa an-taonany maro ny Kristianina iray no niady tamin’ny fahazarana nikasikasika ny filahiany. Hoy izy: “Tahaka izay tamin’izaho mbola tanora kokoa no nisikina herim-po hiresahana an’ilay izy tamin’olona iray! Nampahory ahy hatramin’ny taona maro ny fahatsapana ho meloka. Tena nisy vokany ratsy teo amin’ny fifandraisako tamin’ny hafa izany, ary indrindra teo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah.”

Amin’iza ianao no tokony hiresaka? Ny tsara indrindra dia ny olona matotra, ary tsara kokoa raha ray na reny. Mety ho azonao atao ny milaza hoe: “Manana olana iray tena manakorontana ny saiko aho. Azoko resahina aminao ve ilay izy?”

Nanapa-kevitra ny hiresaka tamin-drainy i Mamy. Tena niombom-pihetseham-po taminy sy nangoraka azy ny rainy. Niaiky tamin’i Mamy mihitsy aza izy fa efa niady tamin’io fahazarana io koa, tamin’ny fahatanorany. Hoy i Mamy: “Tena nampahery ahy ny fahatsoran’i Dada sy ny filazany ny marina. Nieritreritra aho fa afaka miala amin’io fahazarana io, raha nahavita izany izy. Tena nampihetsi-po ahy ny fihetsik’i Dada, ka tsy nahatanty aho fa nitomany.”

Nisikina herim-po i Andry, ary niresaka tamin’ny anti-panahy kristianina iray. Faly izy fa nanao an’izany. * Hoy izy: “Nanganohano ny mason’ilay anti-panahy teo am-pihainoana ahy. Rehefa tapitra ny teniko, dia nomeny toky aho hoe tia ahy i Jehovah. Nilaza izy fa maro ny olona manana olana mitovy amin’ny manjo ahy. Nampanantena izy fa hanara-maso ny fiezahako sy hanome fanazavana fanampiny avy amin’ny boky fianarana Baiboly. Tapa-kevitra ny hiady hatrany aho rehefa avy niresaka taminy, na dia mety ho lavo indray aza.”

Afaka ny hahazo fanampiana toa an’i Mamy sy Andry koa ianao, eo amin’ny ezaka ataonao mba hialana amin’io fahazarana io. Araho ny torohevitra eo amin’ilay efajoro hoe “Manaova Zavatra!” Matokia fa afaka ny handresy amin’ilay ady ianao!

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 6 Lehilahy no voaresaka ato amin’ity lahatsoratra ity. Mihatra amin’ny vehivavy koa anefa ireo torohevitra, satria maro ny vehivavy miady amin’io fahazarana io. Mariho koa fa ny fikasikasihan’ny olona iray ny filahiany na ny fivaviany no resahin’ilay lahatsoratra, fa tsy ny an’olon-kafa. Fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra ny fikasikasihan’ny olona iray ny filahiana na ny fivavian’ny olon-kafa tsy vadiny. Anisan’ireo antsoin’ny Baiboly hoe fijangajangana izany.—Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Fa Inona no Maharatsy ny Firaisana Alohan’ny Fanambadiana?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Aogositra 2004, pejy 20-22.

^ feh. 17 Mety ho tian’ny tovovavy ny hiresaka amin-dreniny na amin’ny anabavy matotra sy araka ny fanahy, eo anivon’ny fiangonana.

ERITRERETO IZAO:

▪ Nahoana no ilaina hotadidina fa vonona ny ‘hamela heloka’ i Jehovah?—Salamo 86:5.

▪ Inona avy no azonao atao, mba hialana amin’ny fahazarana mikasikasika ny filahiana?

▪ Nahoana ianao no tsy tokony hisalasala hangataka fanampiana?

▪ Inona no fomba tsara indrindra hampifantohana ny saina amin-javatra madio?

[Efajoro/​Sary, pejy 19]

Tsy Midika hoe Resy Rehefa Lavo Indray!

Tena mora ny milaza hoe: ‘Resy aho ka tsy hiady intsony.’ Tohero ny fihetseham-po toy izany. Aza mihevitra mihitsy hoe resy rehefa lavo indray, na dia imbetsaka aza.

Eritrereto hoe efa nanomboka niakatra tohatra iray ianao. Nibolisatra anefa ianao, ka nihemotra zana-tohatra iray na roa. Hiteny ve ianao hoe: ‘Tsy maintsy midina any amin’ny zana-tohatra ambany indrindra aho, raha te hiakatra indray’? Mazava ho azy fa tsia! Tsy ara-dalàna izany eritreritra izany. Aza mieritreritra toy izany àry rehefa miady amin’ny fahazaran-dratsy.

Matetika ny olona no mahatsiaro ho meloka, raha lavo indray. Mety hanjary ho tafahoatra anefa ilay fahatsapana ho meloka, ka hahatonga anao hihevi-tena ho olon-dratsy sy tsy ampy hery hialana amin’ilay fahazarana ary tsy mendrika ny hokarakaraina tsara. Aza manaiky ho resin’ny nenina tafahoatra toy izany. Mahakely ny hery entinao miady amin’ilay fahazarana izany. Izao koa no tadidio: I Jesosy Kristy, ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany, dia tonga mba hanavotra ny mpanota, fa tsy ny olona lavorary. Tsy misy afaka manao zavatra tonga lafatra àry isika ankehitriny.—Avy amin’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1991, pejy 31.

[Efajoro/​Sary, pejy 20]

Manaova Zavatra!

▪ Tereo hieritreritra zavatra hafa ny sainao.—Filipianina 4:8.

▪ Aza mijery zavatra mampipoitra fanirian-dratsy.—Salamo 119:37.

▪ Mivavaha mba hahazoana “hery fanampiny.” —2 Korintianina 4:7.

▪ Aoka ianao ho be atao foana amin’ny asa kristianina.—1 Korintianina 15:58.

[Efajoro/​Sary, pejy 20]

Fanampiana Hafa

Mba hahazoana fanazavana fanampiny momba ny fialana amin’ny fikasikasihana ny filahiana, dia jereo ny toko 25 sy 26 amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.