Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fialam-boly Be Mpitia Tamin’ny Taonjato Voalohany

Fialam-boly Be Mpitia Tamin’ny Taonjato Voalohany

Fialam-boly Be Mpitia Tamin’ny Taonjato Voalohany

Tsy hita isa ny naratra ary maro no maty, ka ankizy ny sasany. Izany no vokatry ny fifandonan’ny mpomba an’ireo mpanao fanatanjahan-tena nifaninana, avy any amin’ny tanàna roa nifanakaiky, tany amin’ny faritra atsimon’i Italia. Nasain’ny manam-pahefana nakatona nandritra ny folo taona ilay kianja, noho io fisehoan-javatra nahatsiravina io.

TSY mahagaga intsony ny mamaky tatitra momba ny fifandonana toy izany, ao amin’ny gazety. Ity resahina manokana eto ity anefa dia nitranga efa ho 2 000 taona lasa izay, nandritra ny fanjakan’ny Emperora Néron. I Tacite, mpahay tantara romanina, no nitantara azy ity. Tao amin’ny kianja ben’i Pompéi no nisehoan’ny tantara, nandritra ny adin’ireo gladiatera. Nifandona ny mponin’i Pompéi sy ireo tia fanatanjahan-tena avy any Nuceria, tanàna teo akaiky.

Tena tia fialam-boly ny olona tamin’ny taonjato voalohany. Nanana trano fanaovana teatra, na kianja be, na toerana fanaovana fampisehoana, ireo tanàn-dehibe tao amin’ny Fanjakana Romanina. Nanana azy telo ireo mihitsy aza ny sasany taminy. Hoy ny Bokin-tsarintanin’ny Tontolo Romanina (anglisy): ‘Nisetra loza ny olona, tamin’ireny lalao ireny. Teo koa ny fientanam-po sy ny ra nandriaka.’ Samy nanana ny lokon’akanjony ireo mpitondra kalesy, ary nisolo tena antoko politika na sarangan’olona, ny ekipa tsirairay. Nitroatra toy ny lasa adala ireo mpanohana, rehefa nipoitra ilay ekipa tiany. Nanjary nalaza be ny mpitondra kalesy, ka nandravahan’ny olona ny tranony ny sarin’izy ireo. Nokaramaina vola be koa izy ireo.

Nisy fampisehoana an-tsehatra koa tany amin’ny tanàna sasany, ka nahitana ady nifanaovan’ireo gladiatera, na nifanaovan’ny olona sy ny bibidia. Nandriaka ny ra tamin’izy ireny. Tsy nitondra fiadiana akory ireny lehilahy ireny indraindray. Nolazain’i Will Durant mpahay tantara, fa “notafina hodi-biby indraindray ny jiolahy voaheloka ho faty, ary natsipy tany amin’ny bibidia tsy nomena sakafo mihitsy mba hirangorango. Azo antoka fa nijaly be ilay olona vao maty.”

Tena “maizin-tsaina” sady ‘efa tsy nahalala menatra intsony’, ireo nankafy ireny fialam-boly ratsy ireny. (Efesianina 4:17-19) Hoy i Tertullien, tamin’ny taonjato faharoa: “Hafa tanteraka ny zavatra nolazaina na nojerena na nohenoina teo anivon’ny [Kristianina], tsy toy ny hadalana tany amin’ny toerana fanaovana fampisehoana, ny tsy fahalalan-kenatra tany amin’ny teatra, [ary] ny habibiana tany amin’ny kianja filalaovana.” Mitandrina koa ny tena Kristianina ankehitriny, mba tsy ho voasariky ny fialam-boly misy herisetra, izay mety ho hita ao amin’ny boky aman-gazety, tele, na lalao video. Fantatr’izy ireo mantsy fa halan’i Jehovah “ny mifaly hampidi-doza”, na ny olona tia herisetra.—Salamo 11:5.

[Sary, pejy 30

Kisarisary: mpitondra kalesy nandresy

[Sary, pejy 30]]

Hoso-doko: lehilahy miady amin’ny liom-bavy

[Sary, pejy 30]

Kianja fanaovana teatra romanina, tamin’ny taonjato voalohany

[Sary nahazoan-dalana]

Ciudad de Mérida

[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]

Ambony sy ambany havia: Museo Nacional de Arte Romano, Mérida