Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Fanontaniana Saro-baliana Indrindra

Ilay Fanontaniana Saro-baliana Indrindra

Ilay Fanontaniana Saro-baliana Indrindra

“FA DIA NAHOANA LOATRA?” Fanontaniana fohy ihany izany, nefa mampalahelo fa mahalaza ny fijaliana sy fahoriana mafy mianjady amin’ilay miteny azy. Matetika no mametraka an’io fanontaniana io ny olona rehefa misy loza. Ohatra: Andalovan’ny rivo-doza ny faritra iray, ka maro ny olona maty sy ny zavatra simba. Rava tanteraka ny tanàna iray noho ny horohoron-tany. Nilamina foana ny fiainan’ny mponina tao amin’ny toerana iray, nefa niova tampoka rehefa nanafika ny mpampihorohoro. Lasa mitebiteby lava ny olona, ary manjaka ny herisetra. Tratran’ny lozam-piarakodia ny havan’ny olona iray na ny olon-tiany, ka maratra na maty mihitsy aza.

Mampalahelo fa ny tsy manan-tsiny sy tsy mahay miaro tena indrindra matetika no iharan’ireny loza ireny. Be loatra ny loza nitranga tato ho ato, ka maro no miantsoantso an’Andriamanitra sady manontany hoe: “Fa dia nahoana loatra?” Jereo fotsiny ireto ohatra vitsivitsy ireto:

▪ “Andriamanitra ô! Fa nahoana izahay no nataonao hoatran’izao? Fa inona no ratsy nataonay?” Nilaza ny filazam-baovaon’ny Reuters, fa nametraka ireo fanontaniana ireo ny vehivavy zokiolona iray tany Inde, rehefa ravan’ny tsunami ny tanànany.

▪ “Taiza Andriamanitra e? Ary raha izy no mahery indrindra, nahoana no navelany hitranga izao?” Nisy gazety nametraka izany fanontaniana izany tany Texas, any Etazonia, rehefa avy nitifitra olona tao am-piangonana ny lehilahy iray, ka nandratra sy nahafaty mpiangona maromaro.

▪ “Fa nahoana izy no navelan’Andriamanitra ho faty e?” Nisy ramatoa nanontany toy izany, rehefa matin’ny kansera ny vehivavy iray namany, ka ny vadiny irery sisa no tsy maintsy mikarakara ny zanany dimy.

Tsy ireo olona ireo ihany no mihevitra fa Andriamanitra no nahatonga azy hijaly. Vao haingana, ohatra, dia nisy fanontaniana momba ny loza araka ny natiora, napetraka tao amin’ny Internet. Efa ho ny antsasaky ny olona namaly no nilaza fa avy amin’Andriamanitra ireny loza ireny, anisan’izany ny rivo-doza. Nahoana no maro be ny olona mihevitra toy izany?

Mikorontan-tsaina noho ny fivavahana

Tsy manome valiny mahafa-po ny mpitondra fivavahana mazàna, fa vao mainka mampikorontan-tsaina ny olona. Andeha isika hijery telo monja amin’ireo valiny omen’izy ireo matetika.

Voalohany, maro ny mpitondra fivavahana mampianatra fa mandefa loza Andriamanitra mba hanasaziana ny ratsy fanahy. Nilaza, ohatra, ny sasany fa nosazin’Andriamanitra ny tanànan’i Nouvelle-Orléans, any Etazonia, matoa ravan’ny Rivo-doza Katrina. Nohazavain’izy ireo fa ny kolikoly sy ny filokana ary ny fitondran-tena maloto manjaka any no nahatonga ilay sazy. Nampiasa Baiboly mihitsy aza ny sasany mba hanaporofoana izany, ka niresaka momba ny fotoana nandringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy tamin’ny alalan’ny safodrano na afo. Mampiasa ny Baiboly amin’ny fomba diso anefa izy ireo.—Jereo ilay efajoro hoe “Andriamanitra ve no Tompon’andraikitra?”

Faharoa, milaza ny mpitondra fivavahana sasany fa manana antony marim-pototra Andriamanitra matoa mandefa ireny loza ireny, saingy tsy takatry ny saintsika izany. Tsy mahafa-po ny olona maro koa anefa io fampianarana io. Manontany tena izy ireo hoe: ‘Andriamanitra fitiavana ve dia handefa loza? Nahoana koa no tsy lazainy ny antony anaovany izany, rehefa mitalaho aminy ny olona mitady mafy fampiononana?’ Mitombina tokoa io fanontaniana io, satria milaza ny Baiboly hoe: “Andriamanitra dia fitiavana.”—1 Jaona 4:8.

Fahatelo, misy mpitondra fivavahana milaza fa tsy fitiavana angamba Andriamanitra, ary mety tsy ho izy koa no mahery indrindra. Vao mainka anefa miteraka fanontaniana lehibe izany. Fijaliana eto amin’ity planeta kely ity ve dia tsy hainy ny manakana azy, nefa izy no “namorona ny zava-drehetra”, anisan’izany izao rehetra izao midadasika sy tsy hita fetra? (Apokalypsy 4:11) Tsy malahelo mihitsy ve izy mahita antsika mijaly, nefa isika aza nataony mahay maneho fitiavana, sady ny Teniny mihitsy no milaza fa Andriamanitra fitiavana izy?—Genesisy 1:27; 1 Jaona 4:8.

Mbola maro noho ireo telo ireo ny fomba amalian’ny olona an’ilay fanontaniana hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy. Efa taonjato maro izany no nanahiran-tsaina azy ireo. Fanontaniana lehibe izy io ary tena mila valiny, ka ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba amalian’ny Baiboly azy. Tsy hikorontan-tsaina intsony ianao rehefa avy mahita ny fanazavan’ny Baiboly, satria marina sy tsy azo lavina izany. Misy teny fampiononana ho an’izay rehetra efa niharan-doza koa ao.

[Efajoro/​Sary, pejy 4]

Andriamanitra ve no Tompon’andraikitra?

Mampianatra ve ny Baiboly fa avy amin’Andriamanitra ny loza araka ny natiora hitantsika ankehitriny? Tsia! Marina fa milaza ny Baiboly hoe nandefa loza Andriamanitra mba hanasaziana ny olona. Tsy mitovy amin’ny loza araka ny natiora anefa izy ireny. Voalohany, mifidy ny olona horinganiny Andriamanitra. Fantany mantsy ny ao am-pon’ny tsirairay, ka izay hitany fa ratsy fanahy ihany no ringaniny. (Genesisy 18:23-32) Faharoa, mandefa fampitandremana Andriamanitra vao mandringana, mba hahafahan’ny olo-marina handositra.

Matetika anefa no mamely tampoka ny loza araka ny natiora. Tsy mifidy asiana koa izy ireny, fa mamono sy mandratra an’izay rehetra sendra azy. Ny olona ihany indraindray no mahatonga ny loza araka ny natiora hitondra fahavoazana be. Simbany ny tontolo iainana. Ankoatra izany, dia mbola manorina trano eo amin’ny toerana sasany ihany izy ireo, na dia efa fantany aza fa ratsy foana ny toetrandro eo, na misy horohoron-tany sy tondra-drano matetika.

[Sary nahazoan-dalana]

SENA VIDANAGAMA/AFP/Getty Images

[Sary, pejy 4]

Manome valiny isan-karazany ny mpitondra fivavahana, ka mampikorontan-tsaina