Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Lamasinina Kely” Mazava Alina

“Lamasinina Kely” Mazava Alina

“Lamasinina Kely” Mazava Alina

▪ Ao anatin’ny alina mangina any ambanivohitr’i Brezila, no mivoaka avy ao ambanin’ireo potipoti-javamaniry any anaty ala ny bibikely iray, toy ny lamasinina kely. Misy “jiro” mena roa eo amin’ny lohany, ary ireo no manazava ny lalany. Ahitana jiro maitso mavo 11 avy koa, eo amin’ny andaniny roa amin’ny vatany. Hafakely io lamasinina io. Sakivy izy io ary mirefy fito santimetatra. Any Amerika Avaratra sy Atsimo no ahitana azy. Miova ho voangory ny sakivy rehefa mandeha ny fotoana. Tsy miova ho voangory mihitsy anefa ny vavy amin’io karazany io, fa mijanona ho sakivy foana. Mitovy amin’ny vagaon-damasinina mirehitra jiro izy io, ka matetika no antsoina hoe kankana lamasinina. Miantso azy io hoe lamasinina kely, ny olona any ambanivohitr’i Brezila.

Miloko volontsôkôlà io sakivy io, ka tsy mora hita rehefa antoandro. Tonga dia hita kosa anefa izy rehefa alina, noho ny jirony maro loko mampitolagaga. Ny fifangaroan-javatra simika voajanahary roa ao anatin’io bibikely io, no manome ilay hazavana. Miloko mena, volondaoranjy, mavo, ary maitso, ilay hazavana.

Mirehitra foana ireo jiro mena eo amin’ny lohan’ilay bibikely, amin’ny ankapobeny. Tsy toy izany kosa ireo jiro maitso mavo eo amin’ny vatany. Hita tamin’ny fikarohana fa ireo jiro eo amin’ny lohan’ilay sakivy no manampy azy hitady trambo, izay haza tena tiany. Ireo jiro eo amin’ny vatany kosa angamba, no ampiasainy mba hampandosirana ny biby mety hihinana azy, toy ny vitsika, ny sahona, ary ny hala. Toa te hilaza ilay hazavana hoe: “Mandehana mandeha any, fa tsisy tsirony aho!” Ampirehetin’ilay sakivy àry ny jiro eo amin’ny vatany, rehefa hitany fa misy biby mitady hihinana azy. Mamirapiratra koa ireo jiro rehefa manenjika trambo izy, na rehefa mipetraka eo ambonin’ny atodiny. Mitsitapitapy anefa ny firehetan’ireo jiro rehefa tsy misy na inona na inona. Ao anatin’ny segondra vitsy dia mirehitra be ilay izy ary avy eo maty tanteraka. Toy izany hatrany no ataony.

Ahitana zavatra tena tsara tarehy sy mampitolagaga tokoa, na dia any ambanin’ny potipoti-javamaniry, any anaty ala any aza. Mampahatsiahy antsika ny teny fiderana nataon’ny mpanao salamo ho an’ny Mpamorona izany. Hoy izy: “Henika ny zavatra nataonao ny tany.”—Salamo 104:24.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

Robert F. Sisson/National Geographic Image Collection