Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Lasa Mifandray Akaiky Kokoa Izahay Rehefa Miara-misakafo”

“Lasa Mifandray Akaiky Kokoa Izahay Rehefa Miara-misakafo”

“Lasa Mifandray Akaiky Kokoa Izahay Rehefa Miara-misakafo”

MIARA-MISAKAFO ve ny fianakavianao, na dia indray mandeha isan’andro monja aza? Mampalahelo fa samy misakafo amin’izay fotoana mety aminy ny mpianakavy ao amin’ny tokantrano maro, noho ny rotoroton’ny fiainana. Tsy vitan’ny hoe mahavelona fotsiny anefa ny fiaraha-misakafo, fa tena zava-dehibe koa satria mahatonga ny mpianakavy hifampiresaka tsara sy hifankatia.

Izany indrindra no tsapan’i Algirdas sy Rima vadiny ary ny zanany telo vavy, izay mipetraka any Litoania, any amin’ny faritra avaratr’i Eoropa. Hoy i Algirdas: “Miasa aho ary mianatra izy telo mirahavavy, nefa amboarinay ny fotoananay, mba hiarahanay misakafo hariva. Samy mitantara izay nitranga nandritra ny andro izahay mandritra ny sakafo, ary miresaka ny zava-manahirana anay, ny eritreritray, ny zavatra kasainay hatao, ary izay zavatra tianay sy tsy tianay. Miresaka zavatra ara-baiboly koa izahay amin’io fotoana io. Tena lasa mifandray akaiky kokoa izahay, rehefa miara-misakafo.”

Hoy indray i Rima: “Afaka mifamboraka izay ao am-ponay koa izahay sy ny ankizy, rehefa miara-mikarakara sakafo. Tian’izy ireo ny miara-manao raharaha ao an-dakozia, ary mianatra zavatra mahasoa izy ireo amin’izany. Ny asa moa vita, ny fahafinaretana azo!”

Maro ny soa azon’i Algirdas sy Rima ary ireo zanany, noho izy ireo manokana fotoana hiaraha-misakafo. Raha mbola tsy manao izany ianao sy ny fianakavianao, nahoana raha mandamina fotoana hiaraha-misakafo na dia indray mandeha isan’andro monja aza? Afaka manao izany ianao, na dia ray na reny tokan-tena aza. Mety hisy zavatra hafoinao, nefa ho betsaka lavitra ny valisoa entin’izany.