Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mékong—Ilay Renirano Mahavariana

Mékong—Ilay Renirano Mahavariana

Mékong—Ilay Renirano Mahavariana

MAMAKIVAKY firenena enina any Azia ny Renirano Mékong, ary mamelona olona 100 tapitrisa eo ho eo avy amin’ny fiaviana sy foko efa ho 100. Ahazoana trondro 1,3 tapitrisa taonina isan-taona io renirano io. Avo efatra heny noho ny trondro azo isan-taona any amin’ny Ranomasina Avaratra izany! I Mékong no renirano lava indrindra any Azia Atsimoatsinanana, satria mahatratra 4 350 kilaometatra ny halavany. Manana anarana maro koa izy io, noho izy mamakivaky tany maromaro. Lancang, ohatra, no anarany any Chine. Ilay hoe Mékong anefa no tena be mpahalala. Ny hoe Mékong dia fanafohezana an’ilay anarany amin’ny teny tailandey hoe Mae Nam Khong.

Any an-tampon’ny Tendrombohitra Himalaya no miainga i Mékong, ary misasasasa midina mandalo tehezan-tendrombohitra. Mikoriana haingana mamakivaky hadilanana lalina izy avy eo. Efa tafidina 4 500 metatra be izao izy rehefa avy mandalo an’i Chine, ary antsasa-dalana sisa no alehany. Tsy midina afa-tsy 500 metatra izy manomboka eo, ka tsy mikoriana mafy intsony. Manaraka ny sisin-tany mampisaraka an’i Myanmar sy Laos izy rehefa tafavoaka an’i Chine. Saika andalovany daholo koa ny sisin-tany rehetra mampisaraka an’i Laos sy Tailandy. Mizara roa izy rehefa tonga any Kambodja, ary mankany Vietnam. Misampana maromaro indray izy rehefa tonga any, ary mivarina any amin’ny Ranomasin’i Chine Atsimo amin’ny farany.

Taloha kelin’ny 1870, dia nanandrana nandeha sambo nanaraka ny Renirano Mékong ny Frantsay, sao mba mety ho tafakatra hatrany Chine. Diso fanantenana anefa izy ireo rehefa tonga tany akaikin’ny tanànan’i Kratié, any Kambodja, satria rano mahery be no teo anoloany. Tapi-dalan-kaleha koa izy ireo tany amin’ny faritra atsimon’i Laos, rehefa tonga teo amin’ny riandrano goavam-be maromaro atao hoe Riandranon’i Khône. Ny rano milatsaka eo amin’io riandrano io no be indrindra, raha oharina amin’ny riandrano rehetra maneran-tany. Mbola antsasany aza ny rano mianjera avy amin’ny Riandranon’i Niagara, ilay eo anelanelan’i Kanada sy Etazonia.

Renirano iankinan’ny aina

Antoky ny toe-karen’i Azia Atsimoatsinanana i Mékong. Samy eo amoron’izy io ny seranan’i Vientiane, renivohitr’i Laos, sy ny an’i Phnom Penh, renivohitr’i Kambodja. Tena ilain’ny olona any Vietnam koa i Mékong. Mizara fito izy io rehefa tonga any, ary mamakivaky tany lemaka mirefy 25 000 kilaometatra toradroa. Mahatratra 3 200 kilaometatra kosa ny halavan’ireo sakelidrano avy aminy. Manondraka tanimboly sy tanimbary izany rano be izany ary mitondra antsanga betsaka ao amin’izy ireo, ka mahatonga azy ireo hahavokatra be. Intelo isan-taona àry ny tantsaha any no mamboly vary, izay foto-tsakafon’ny olona maro. Izany no mahatonga an’i Vietnam ho ny firenena faharoa mpanondrana vary be indrindra, manarakaraka an’i Tailandy.

Misy karazan-trondro 1 200 eo ho eo ao amin’i Mékong. Ompiana ny sasany, mba hamidy. Misy fiompiana patsabe koa ao. Be mpitia ilay karazan-trondro any, atao hoe trey riel. Misy antony hafakely mampahalaza be azy io. Avy amin’izy io no nakana ilay anaram-bolan’i Kambodja hoe riel. Misy karazany iray amin’ilay trondro atao hoe poisson-chat koa ao amin’i Mékong. Mety hahatratra telo metatra latsaka ny halavany. Atahorana ho lany tamingana anefa izy io. Nahazo poisson-chat iray nilanja 290 kilao ny mpanarato tany, tamin’ny 2005. Mbola tsy nisy trondron-dranomamy lehibe noho izany mihitsy angamba eran-tany! Atahorana tsy hisy ao amin’io renirano io intsony koa ny feso Irrawaddy. Milaza ny mpikaroka fa 100 latsaka angamba sisa no tavela ao.

Tsy mamelona olona an-tapitrisany fotsiny anefa i Mékong. Lalana fivezivezen’ny sambo isan-karazany koa izy io, toy ny sambo kely mpitondra olona, na sambo lehibe mpitatitra entana. Maro koa ny mpizaha tany mitsidika an’io renirano io. Mahafinaritra azy ireo ny mandalo eo amin’ny Riandranon’i Khône, rehefa hitsidika an’i Vientiane. Malaza io tanàna io satria ahitana lakandrano sy fiangonana hafakely ary trano misy tongony. Efa foibe ara-barotra sy ara-politika ary ara-pivavahana koa i Vientiane, nandritra ny 1 000 taona mahery. Azo atao ny mandeha sambo miainga eo Vientiane, ka miakatra any Luang Prabang. Misy seranana ao amin’io tanàna io, ary renivohitry ny fanjakana lehibe iray nitambaran’i Tailandy sy Laos izy io taloha. Efa renivohi-panjakan’i Laos koa i Luang Prabang nandritra ny fotoana kelikely, ka tafiditra tamin’izany ny fotoana nanjakan’ny Frantsay tany. Mbola hita taratra ao amin’io tanàna manan-tantara io hatramin’izao ny vokatry ny fitondran’ny Frantsay.

Manahy ny olona tato ho ato, noho ny fiovana eo amin’i Mékong sy ny manodidina azy. Manimba azy io, ohatra, ny fomba fanjonoana sasany. Eo koa ny fandripahana ala sy ny fanamboarana tohodrano goavana mba hahazoana elektrisite. Maro no mihevitra fa tsy azo anoarana izany rehetra izany. Mbola misy fanantenana anefa.

Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho ela ilay Mpamorona be fitiavana, dia handray an-tanana ny fiainan’ny olombelona, amin’ny alalan’ny Fanjakany. (Daniela 2:44; 7:13, 14; Matio 6:10) Hohavaozina indray ny tany manontolo, rehefa hitondra io fanjakana tonga lafatra io. Ho toy ny olona faly be ny renirano amin’izay, ka “hiteha-tànana.” (Salamo 98:7-9) Enga anie hitehaka toy izany koa i Mékong, ilay renirano mahavariana.

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

CHINE

MYANMAR

LAOS

TAILANDY

KAMBODJA

VIETNAM

Renirano Mékong

[Sary, pejy 24]

Tanimbary eny amin’ny Lemak’i Mékong

[Sary, pejy 24]

Misy karazan-trondro 1 200 eo ho eo ao amin’ny Renirano Mékong

[Sary, pejy 25]

Tsena eny ambony rano, Vietnam

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Tanimbary: ©Jordi Camí/age fotostock; mpanarato: ©Stuart Pearce/World Pictures/age fotostock; eo andamosina: © Chris Sattlberger/Panos Pictures

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Tsena: ©Lorne Resnick/age fotostock; vehivavy: ©Stuart Pearce/World Pictures/age fotostock