Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahazo Manao Firaisana ve ny Olon-droa Tsy Mpivady, Raha Tena Mifankatia?

Mahazo Manao Firaisana ve ny Olon-droa Tsy Mpivady, Raha Tena Mifankatia?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Mahazo Manao Firaisana ve ny Olon-droa Tsy Mpivady, Raha Tena Mifankatia?

EFA ho ny 90 isan-jaton’ireo zatovo nadinadinina no mihevitra, fa azon’ny olon-droa tsy mpivady atao ny manao firaisana raha mifankatia izy ireo. Mampiharihary sy manaiky an’io fomba fisainana io matetika ny fampitam-baovao. Aseho foana ao amin’ny tele sy ny filma, fa ara-dalàna raha manao firaisana ny olon-droa mifankatia.

Mazava ho azy fa tsy mitady tari-dalana amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, ny olona te hampifaly an’Andriamanitra. Fantany mantsy fa izany dia ahitana taratry ny fomba fisainan’ny Devoly, ilay mpitondra an’ity tontolo ity. (1 Jaona 5:19) Mitandrina koa izy ireo mba tsy ho ny fihetseham-pony fotsiny no hibaiko azy. Fantany mantsy fa “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9) Mitady ny toromariky ny Mpamorona amin’ny alalan’ny Teniny kosa ireo tena hendry.—Ohabolana 3:5, 6; 2 Timoty 3:16.

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fanaovana firaisana

Hoy ny Jakoba 1:17: “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria izany midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana eny amin’ny lanitra.” Anisan’izany fanomezana sarobidy izany ny firaisana ara-nofo eo amin’ny lehilahy sy vehivavy mpivady ara-dalàna. (Rota 1:9; 1 Korintianina 7:2, 7) Sady ahafahan’ny olombelona miteraka izy io, no manampy ny lehilahy sy vehivavy hifandray amim-pitiavana sy amim-pahafinaretana be, eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po. Hoy koa i Solomona Mpanjaka fahiny: “Mifalia amin’ny vadin’ny fahatanoranao. ... Aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva.”—Ohabolana 5:18, 19.

Mazava ho azy fa tian’i Jehovah handray soa sy hifaly amin’ny fanomezany isika, ka nomeny lalàna sy toro lalana tsara indrindra mba harahintsika. (Salamo 19:7, 8) I Jehovah no ‘mampianatra antsika hahita soa sady mitarika antsika amin’ny lalana tokony halehantsika.’ (Isaia 48:17) Hisakana antsika tsy hankafy zavatra tena mahafinaritra ve ilay Raintsika any an-danitra, izay ohatra tonga lafatra amin’ny fitiavana?—Salamo 34:10; 37:4; 84:11; 1 Jaona 4:8.

Tsy fanehoam-pitiavana ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana

Lasa toy ny hoe “nofo iray ihany” ny lehilahy sy vehivavy, rehefa lasa mpivady. Lasa “vatana iray” koa ny olon-droa tsy mpivady nefa manao firaisana, izany hoe mijangajanga. Tsy madio eo imason’Andriamanitra anefa izany. * Tsy fanehoam-pitiavana koa ilay fanaovana firaisana. Nahoana?—Marka 10:7-9; 1 Korintianina 6:9, 10, 16.

Satria tsy misy tena fandraisana andraikitra amin’izany. Manimba ny hajan’ny tena izany, sady mety hahazoana aretina sy zaza tsy nirina ary ratram-po. Ambonin’ny zava-drehetra dia fandikana ny fitsipika marin’Andriamanitra izany. Hita avy amin’izany fa ny olona mijangajanga, dia tsy mihevitra firy na tsy miraharaha mihitsy an’izay hahasambatra an’ilay olona iarahany. Anisan’izany ny fahasambaran’ilay olona ankehitriny sy amin’ny ho avy.

Manitsakitsaka ny zon’ny anadahiny na anabaviny kristianina koa ny Kristianina mijangajanga. (1 Tesalonianina 4:3-6) Mandoto ny fiangonana kristianina, ohatra, ny olona mihambo ho mpanompon’Andriamanitra nefa manao firaisana ivelan’ny fanambadiana. (Hebreo 12:15, 16) Manjary tsy madio fitondran-tena intsony koa ilay olona nanaovany firaisana. Raha mpitovo aza io olona io, dia lasa tsy madio intsony rehefa hiditra amin’ny fanambadiana. Manimba ny laza tsaran’ny fianakaviany avy ny olon-droa mijangajanga, ary manao ny tsy rariny amin’ny fianakavian’ilay olona nanaovany firaisana. Farany, dia tsy manaja an’Andriamanitra izy ireo sady mampalahelo azy, satria mandika ny lalàny sy ny toro lalany marina. (Salamo 78:40, 41) ‘Hitaky sazy’ noho izany asa ratsy rehetra ataon’ny olona tsy mibebaka izany kosa i Jehovah. (1 Tesalonianina 4:6) Koa mahagaga ve raha milaza amintsika ny Baiboly, mba ‘handositra ny fijangajangana’?—1 Korintianina 6:18.

Raiki-pitia amin’olona iray ve ianao ary mikasa ny hanambady azy? Nahoana àry raha hararaotina mba hampitomboana ny fifampitokisana sy ny fifanajana, ny fiarahanareo? Diniho ireto hevitra ireto: Ahoana moa no hahafahan’ny vehivavy iray hatoky tanteraka ny lehilahy iray, izay efa hita amin’ny fihetsiny fa tsy mahafehy tena? Ary ho mora amin’ny lehilahy iray ve ny ho tia sy hanaja vehivavy iray tsy miraharaha ny lalàn’Andriamanitra, noho ny faniriana hotiavina na mba hampifaliana an’ilay lehilahy fotsiny?

Tadidio koa fa hijinja izay nafafiny ireo olona mandà ny fitsipika feno fitiavana avy amin’Andriamanitra. (Galatianina 6:7) Milaza ny Baiboly fa ‘manota amin’ny vatany ihany ny mpijangajanga.’ (1 Korintianina 6:18; Ohabolana 7:5-27) Marina fa mety hisinda ihany amin’ny farany ny fahatsapana ho meloka sy ny tsy fifampitokisana, raha toa ireo olon-droa nijangajanga ka tena mibebaka sy manao ezaka mafy mba hihavanana amin’Andriamanitra indray ary mampitombo ny fifampitokisany. Matetika anefa ilay zavatra nataon’izy ireo no mamela soritra maharitra. Efa mpivady, ohatra, ankehitriny ny tanora roa, nefa mbola manenina mafy noho izy ireo nijangajanga. Manontany tena indraindray ilay lehilahy hoe: ‘Ary sao dia mba noho ilay fiarahanay tsy nadio tamin’ny voalohany àry no mahatonga anay mivady hifamaly?’

Tsy tia tena ny tena fitiavana

“Tsy manao izay tsy mahamendrika” na “mitady izay hahasoa ny tenany” ny olona manana ny tena fitiavana, na dia rehefa maneho ny fihetseham-pony amin’ny olon-tiany aza. (1 Korintianina 13:4, 5) Izay hahasoa sy hahasambatra mandrakizay ilay ankilany kosa no imasoany. Izany fitiavana izany no mandrisika ny lehilahy sy ny vehivavy hifanaja. Izany koa no mahatonga azy ireo hametra ny fanaovana firaisana ho ao amin’ny faritra noferan’Andriamanitra, dia ny “fandrian’ny mpivady”, izany hoe eo amin’ny olon-droa mpivady ihany.—Hebreo 13:4.

Rehefa manan-janaka indrindra no tena ilaina ny fifampitokisana sy ny filaminan-tsaina, izay mahasambatra ny tokantrano. Tian’Andriamanitra hihalehibe ao anatin’ny rivo-piainana milamina sy anjakan’ny fitiavana mantsy ny ankizy. (Efesianina 6:1-4) Ny fanambadiana ihany no tena manaporofo fa vonona hiaraka mandrakizay ny olon-droa. Manao voady ao am-pony sy amin’ny teny lazainy izy ireo, fa hifampikarakara sy hifanohana, na amin’ny mora na amin’ny sarotra, amin’ny andro sisa hiainany.—Romanina 7:2, 3.

Mampitombo ny fifankatiavan’ny mpivady ny firaisana ara-nofo. Raha sambatra ny tokantranony, dia tena hahafinaritra azy roa ny fanaovana firaisana sady tena hisy vokany tsara amin’izy ireo. Hanamafy ny fatoram-panambadiany izany, fa tsy hanelingelina ny feon’ny fieritreretany, na hahatonga azy ireo tsy hankatò ny Mpamorona.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Ilay teny grika nadika hoe “fijangajangana” dia manondro ny firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady, ka misy fampiasana ny filahiana na ny fivaviana, ary koa ny firaisana amin’ny vava.—Jereo ny Mifohaza! 8 Aogositra 2004, pejy 20, sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 2004, pejy 13. Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fanaovana firaisana alohan’ny fanambadiana?—1 Korintianina 6:9, 10.

Nahoana no ratsy ny fijangajangana?—1 Korintianina 6:18.

Ahoana no ampisehoan’ny olon-droa mifankatia fa manana ny tena fitiavana izy ireo?—1 Korintianina 13:4, 5.