Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?

Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?

TE HAHALALA ny antony mahatonga azy hijaly ny olona indraindray, matoa manontany hoe: “Fa dia nahoana loatra?” Mitady mafy fampiononana koa izy. Misy an’izany ve ao amin’ny Baiboly? Ireto misy fampianarana telo lehibe hita ao.

Voalohany, tsy diso ianao raha manontany ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy. Misy matahotra sao heverin’Andriamanitra hoe tsy mino azy na tsy manaja azy, raha manontany an’izany. Maro anefa ny olona efa nanao izany tamim-pahatsorana. Nanontany an’Andriamanitra toy izao i Habakoka, mpaminany nahatoky: “Nahoana no avelanao hahita izao tsy rariny mampihoron-koditra izao aho? Nahoana no avelanao hisy hatraiza hatraiza ny herisetra, tsy fankatoavan-dalàna, heloka bevava, ary halozana?” (Habakoka 1:3, Dikan-teny Anglisy Maoderina) Tsy niteny mafy an’i Habakoka i Jehovah Andriamanitra. Nasainy nosoratana kosa ny fanontaniany, mba hovakintsika rehetra.—Romanina 15:4.

Faharoa, zava-dehibe ny hahalalanao fa malahelo Andriamanitra mahita ny fahorianao. Tsy hoe tsy miraharaha antsika izy na manafina ny fihetseham-pony. “Tia rariny” kosa izy, ary mankahala ny faharatsiana sy ny fijaliana aterak’izany. (Salamo 37:28; Ohabolana 6:16-19) “Nalahelo ny fony” tamin’ny andron’i Noa, noho ny herisetra nanjaka eran-tany. (Genesisy 6:5, 6) Tsy miova Andriamanitra. Mbola malahelo koa izy mahita izay mitranga ankehitriny.—Malakia 3:6.

Fahatelo, tsy avy amin’Andriamanitra mihitsy ny faharatsiana. Resahin’ny Baiboly mazava tsara izany. Manaratsy an’Andriamanitra izay milaza fa avy aminy ny vonoan’olona sy ny fampihorohoroana. Hoy ny Joba 34:10: “Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!” Hoy koa ny Jakoba 1:13: ‘Rehefa misy fitsapana, dia aoka tsy [hisy] hilaza hoe: “Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.” Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.’ Raha nisy zava-dratsy nanjo anao àry, dia aza manahy fa tsy avy amin’Andriamanitra izany.

Iza no mpitondra an’ity tontolo ity?

Mbola misy fanontaniana mipetraka ihany anefa: Raha fitiavana sy tia rariny ary mahery Andriamanitra, nahoana no feno faharatsiana eto an-tany? Misy hevi-diso mifandray amin’izany inoan’ny olona maro, ka mila ahitsy. Mihevitra izy ireo fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no mpitondra an’ity tontolo ity, ka mifehy ny zava-drehetra. Hoy ny talen’ny sekoly iray fiofanana ho pretra: “Feheziny daholo izao rehetra izao, hatramin’ny [zavatra madinika indrindra].” Izany tokoa ve no ampianarin’ny Baiboly?

Tsia. Gaga ny olona maro rehefa nahalala hoe iza no lazain’ny Baiboly fa mpitondra an’ity tontolo ity. Hoy ny 1 Jaona 5:19: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ Iza izany? Nilaza i Jesosy Kristy fa i Satana Devoly no “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 14:30) Mazava amintsika àry hoe nahoana no feno faharatsiana sy fijaliana eto an-tany. Lozabe sy mpamitaka ary ratsy fanahy i Satana. Izany no mahatonga ny ankamaroan’ny fahoriana manjo ny olona. Nahoana anefa Andriamanitra no mamela an’i Satana hitondra an’ity tontolo ity?

Adihevitra nipoitra tany Edena

Aoka hatao hoe nisy olona nanendrikendrika ampahibemaso ny ray na reny iray be fitiavana sy mahay mitaiza. Nilaza ilay olona fa mandainga amin-janany izy, masiaka loatra, ary tsy mahafoy zavatra tsara ho azy ireo. Inona no ho tsapan’ilay ray na ilay reny? Hamono an’ilay olona ve izy, mba hampisehoany fa diso ilay fanendrikendrehana? Mazava ho azy fa tsia! Raha manao izany izy, dia mety hino ny olon-kafa fa marina ilay fiampangana.

Nendrikendrehina toy izany koa i Jehovah Andriamanitra, taorian’ny namoronany an’i Adama sy Eva, tao amin’ilay toerana atao hoe Edena. Nanana fikasana tena tsara ho an’ireo zanany ireo izy, ka nolazainy taminy izany. Tiany hameno ny tany izy ireo, ka hanjaka eo aminy ary hanova azy io ho paradisa. (Genesisy 1:28) Nisy anjely an-jatony tapitrisa naniry mafy hahita ny fomba ahatanterahan’io fikasana tena tsara io.—Joba 38:4, 7; Daniela 7:10.

Andriamanitra malala-tanana i Jehovah, ka nomeny saha tsara tarehy nisy voankazo natsiro maro i Adama sy Eva. Voan’ny hazo iray monja no tsy azon’izy ireo nohanina, dia ny “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” Raha tsy nihinana an’io voankazo io izy ireo, dia ho nampiseho fa natoky tanteraka an’ilay Rainy, ary nanaiky fa izy no manan-jo hanapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy ho azy ireo.—Genesisy 2:16, 17.

Mampalahelo anefa fa naniry hivavahana ilay anjely ratsy fanahy atao hoe Satana, ka nilaza tamin’i Eva fa tsy ho faty izy, raha mihinana an’ilay voankazo voarara. (Genesisy 2:17; 3:1-5) Notoheriny tsotra izao àry Andriamanitra. Hita tamin’ny teniny fa te hilaza izy hoe mpandainga Andriamanitra! Nilaza an-kolaka koa izy fa nisy zavatra tena lehibe tsy nampahafantarin’Andriamanitra an’i Adama sy Eva. Tokony havela hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy, hono, izy ireo. Raha lazaina amin’ny teny tsotra, dia nampangain’i Satana ho Mpitondra tsy mahay sy Ray ratsy fanahy Andriamanitra, ka tokony hosoloana azy.

Ireo fitaka sy fanendrikendrehana nataony ireo no nahatonga an’io anjely io hantsoina hoe Satana Devoly. “Mpanohitra” sy “Mpanendrikendrika” no dikan’ny anarany. Inona no nataon’i Adama sy Eva? Niandany tamin’i Satana izy ireo, ka tsy nankatò an’Andriamanitra.—Genesisy 3:6.

Azon’i Jehovah novonoina teo no ho eo ihany ireo mpikomy ireo. Tsy mahalamina an’ilay adihevitra anefa izany, araka ny efa hitantsika tamin’ilay ohatra terỳ aloha. Tadidio koa fa nisy anjely an-tapitrisany nahare an’ilay fiampangan’i Satana. Lasa niandany taminy mihitsy ny maro tamin’izy ireo, na dia tsy voalaza aza ny isany. Antsoina hoe demonia izy ireny.—Marka 1:34; 2 Petera 2:4; Joda 6.

Nahoana Andriamanitra no tsy namono azy ireo?

Notaomin’i Satana tsy hiantehitra amin’ny Mpamorona azy i Adama sy Eva, fa hahaleo tena. Tsy tena nahaleo tena anefa izy ireo, fa nofehezin’i Satana. Ny Devoly “rainy” no nibaiko azy, na fantatr’izy ireo izany na tsia. Nanomboka nifidy samirery ny tanjona hotratrariny sy ny fitsipi-pitondran-tena harahiny izy ireo. (Jaona 8:44) Hitondra tena fahafahana sy fahasambarana maharitra ho azy ireo ve anefa izany? Fantatr’i Jehovah tsara fa tsy izany no hitranga. Navelany hahaleo tena anefa izy ireo, satria izay ihany no fomba handaminana tanteraka an’ilay adihevitra tany Edena.

Efa 6 000 taona mahery izao ny olona eran-tany no nanandrana fitondrana sy fitsipi-pitondran-tena isan-karazany. Mahafa-po anao ve ny vokatr’izany? Tena sambatra sy tia fihavanana ary miray saina ve ny olona? Tsia, ary iaraha-mahita izany! Manjaka eran-tany kosa ny ady, mosary, loza araka ny natiora, aretina, ary fahafatesana. Mahatonga ny olona ‘hijaly’ sy ‘hitoloko’ ary ho lasa “zava-poana” izany, araka ny Baiboly.—Romanina 8:19-22; Mpitoriteny 8:9.

Na izany aza, dia mety mbola hisy hanontany hoe: ‘Nahoana anefa raha sakanan’Andriamanitra ny loza?’ Tsy rariny raha manao izany izy, satria tsy ho voalamina ilay adihevitra tany Edena. Lasa toy ny hoe tsy misy voka-dratsiny mantsy ny fikomiana amin’Andriamanitra. Izany no tsy nanaovan’i Jehovah zavatra mangingina, mba hisakanana ny heloka bevava sy ny loza rehetra vokatry ny tsy fankatoavana azy. * Tsy i Jehovah mihitsy no hanohana an’ilay lainga hoe afaka ny hahomby ny fitondran’i Satana sady hitondra fahasambarana! Na izany aza, dia tsy hoe tsy miraharaha izay mitranga eto i Jehovah. Eo am-panaovan-javatra mihitsy izy izao, araka ny ho hitantsika.

“Ny Raiko tsy mitsahatra miasa”

Hita avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo fa tsy miandry fotsiny izay hitranga Andriamanitra. (Jaona 5:17) Tsy mitsahatra miasa mafy kosa izy nanomboka tamin’ilay fikomiana tany Edena. Nisy olona nasainy nanoratra, ohatra, tao amin’ny Baiboly, fa hisy “taranaka” hanorotoro an’i Satana sy izay rehetra miandany aminy. (Genesisy 3:15) Hanangana Fanjakana any an-danitra koa Andriamanitra, amin’ny alalan’io Taranaka io. Hitondra fitahiana ho an’ny olona mankatò azy, io Fanjakana io, ary hanafoana ny zava-drehetra mahatonga antsika hijaly, hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza.—Genesisy 22:18; Salamo 46:9; 72:16; Isaia 25:8; 33:24; Daniela 7:13, 14.

Mba hanatanterahana ireo fampanantenana tena tsara ireo, dia nalefan’i Jehovah tetỳ an-tany Ilay ho tonga Mpitondra ao amin’io Fanjakana io. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy Zanany. (Galatianina 3:16) Ny Fanjakan’Andriamanitra no tena nampianarin’i Jesosy, satria mifandray amin’izany ny fikasan’Andriamanitra momba azy. (Lioka 4:43) Nasehony mihitsy aza ny santionan’ny zavatra hataony, rehefa ho lasa Mpanjaka ao amin’io Fanjakana io izy. Nanome sakafo olona an’arivony noana izy, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty. Nampitony tafio-drivotra mahery mihitsy aza izy, mba hampisehoany fa manan-kery hanova ny toetrandro izy. (Matio 14:14-21; Marka 4:37-39; Jaona 11:43, 44) Hoy ny Baiboly momba azy: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany.”—2 Korintianina 1:20.

Afaka miditra ho anisan’ny fianakavian’i Jehovah, izay mihaino an’i Jesosy ka miala ‘amin’izao tontolo izao’, izany hoe ity tontolo tsy miraharaha an’Andriamanitra sy fehezin’i Satana ity. (Jaona 15:19) Fianakaviambe maneran-tany anjakan’ny fitiavana izy io, ary tena Kristianina daholo no ao. Tia fihavanana koa izy ireo, ary miezaka mafy tsy hitsara an-tendrony na hanavakavaka.—Malakia 3:17, 18; Jaona 13:34, 35.

Tsy miandany amin’ity tontolo ity ny tena Kristianina, fa manohana ny Fanjakan’Andriamanitra. Mitory momba azy io izy ireo ho fankatoavana an’ilay didin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14. Eritrereto izao: Iza no mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” maneran-tany? Iza no fianakaviambe maneran-tany tsy mety handray anjara amin’ny ady, na adilahy politika na adim-poko? Iza no mankatò ny fitsipika ambony momba ny fitondran-tena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na tian’ny olona izany na tsia? (1 Jaona 5:3) Maro no mahita fa ny Vavolombelon’i Jehovah no manao izany. Diniho izy ireo, dia ho hitanao fa marina izany.

Mifidiana ny Fanjakan’Andriamanitra!

Mitondra fahoriana sy fahadisoam-panantenana hatrany, ny fanjakana rehetra naorin’ny olombelona, izay tafasaraka amin’Andriamanitra sy voafitak’i Satana. Simba hatramin’ny tany mihitsy aza! Nanatsara fiainan’olona an-tapitrisany kosa ilay fanjakana naorin’i Jehovah tany an-danitra, sady nahatonga azy ireo hanana fanantenana azo antoka. (1 Timoty 4:10) Iza amin’ireo fanjakana ireo no hofidinao?

Izao no fotoana hanaovana safidy, satria tsy havelan’Andriamanitra hisy mandrakizay i Satana sy ny tontolo ratsiny. Tsy niova ny fikasan’Andriamanitra hanao an’ity tany ity ho paradisa. Mba hahatanteraka izany, dia hihamatanjaka hatrany io Fanjakana io ary hihamazoto ny mpanohana azy. Hitombo hatrany kosa ny “fahoriana” eto amin’ity tontolo anjakan’i Satana ity, mandra-pandringan’Andriamanitra azy. (Matio 24:3, 7, 8) Mety ho efa niantsoantso an’Andriamanitra ianao, ary nanontany tamim-pahatsorana hoe: “Fa dia nahoana loatra?” Henoy àry izy, ary matokia ny fampiononana sy fampanantenana omen’ny Baiboly. Mety hitomany noho ny fifaliana ianao, fa tsy noho ny fijaliana intsony, na dia ankehitriny aza.—Matio 5:4; Apokalypsy 21:3, 4.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Niditra an-tsehatra tamin’ny fiainan’ny olona Andriamanitra indraindray. Tsy ho fanampiana an’ity tontolo ity anefa no nanaovany izany, fa mba hanatanterahany ny fikasany.—Lioka 17:26-30; Romanina 9:17-24.

[Sary, pejy 7]

Mahafa-po anao ve ny vokatry ny fitondran’olombelona?

[Sary nahazoan-dalana]

Ankizy: © J. B. Russell/Panos Pictures; vehivavy mitomany: © Paul Lowe/Panos Pictures

[Sary, pejy 8, 9]

Hamerina ny Paradisa i Jesosy, ary hanangana ny maty mihitsy aza