Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Namonjy Ahy Tamin’ny Fahoriako Rehetra Izy

Namonjy Ahy Tamin’ny Fahoriako Rehetra Izy

Namonjy Ahy Tamin’ny Fahoriako Rehetra Izy

NOTANTARAIN’I JEAN-CLAUDE FRANÇOIS

Nigadra fito taona tany amin’ny fonja 12 mahery aho, noho ny feon’ny fieritreretako voaofan’ny Baiboly. Nahatsiaro ho sambatra anefa aho, na dia teo aza izany fijaliana niaretako izany. Nahoana? Aleo hohazavaiko.

TERAKA tamin’ny 9 Janoary 1937 aho, tany Alger, any Alzeria. I Frantsa no nitondra an’i Alzeria tamin’izany, ary manamboninahitra tao amin’ny tafika frantsay ny raiko. Tonga hatrany Ejipta, Irak, Liban, ary Syria izy, noho ny asany. Naharitra amam-bolana izy tany, ka zara raha nisy fotoana niarahany tamin’ny zanany dimy.

Tia nianatra aho, ka tsara ny naotiko tany am-pianarana. Nanahiran-tsaina ahy anefa ny fanontaniana sasany, toy ny hoe: Nahoana isika no maty? sy ny hoe: Nahoana no misy ny faharatsiana, nefa mahery sy be fitiavana Andriamanitra? Tsy nahazoako valiny mahafa-po ireo. Tena te hahafantatra ny niandohan’ny fiainana koa aho. Ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona ihany no toa hitako fa nitombina, ka nanjary tsy nino an’Andriamanitra aho.

Nahazo valiny ihany tamin’ny farany!

Nihaona tamin’i Georges namako aho, tamin’ny 1954. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy. Nomeny an’ilay bokikely hoe Mifanohitra Amin’ny Tontolo Vaovao ny Evolisiona, * aho. Vetivety ilay izy dia voavakiko. Hazavain’ilay bokikely fa tsy marina ny fampianarana momba ny evolisiona. Resahiny ao koa fa marina ny fitantaran’ny Genesisy, izay milaza fa noforonin’Andriamanitra “samy araka ny karazany avy” ny zavamananaina. (Genesisy 1:12, 25) Manaporofo izany ny sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny. Mbola nanitikitika ny saiko ihany anefa ny momba ny faharatsiana.

Mpisava lalana na mpitory manontolo andro i Georges, ary mampiasa ny ankamaroan’ny fotoanany mba hampianarana olona ny Baiboly, izay mbola tsy novakiko mihitsy. Hahavaly ny fanontaniako ve izy? Nankany amin’ilay trano kely nipetrahan’izy sy ilay mpisava lalana namany aho, ary novaliany avy ao amin’ny Soratra Masina ny maro tamin’ny fanontaniako. Nianatra tsy tapaka ny Baiboly aho nanomboka teo, ary tena nahafinaritra ahy izany. Hatramin’izao dia mbola tsy sasatry ny mikaroka ao amin’ny Tenin’Andriamanitra aho, mba hahazoako ireo harena sarobidy manatanjaka finoana raketiny.—Ohabolana 2:1-5.

Nanomboka nanatrika ireo fivoriana kristianina koa aho. Tao amin’ny lakalin’ny hotely fisakafoana iray tao ampovoan-tanànan’i Alger no nanaovana azy io. Nandray tsara ahy ireo Vavolombelona, ary nanomboka nivory tsy tapaka aho, tatỳ aoriana. Nisy fampandrenesana indray andro, hoe hisy fivoriana hatao eo amin’ny lalana iray. Nanapa-kevitra ny ho any aho. Nony tonga tany aho, dia hitako fa hay nanao fivoriana alohan’ny fitoriana ireo Vavolombelona. (Asan’ny Apostoly 20:20) Tsy nody anefa aho, ary tamin’izay no nanomboka nitory.

Efa nandray fitenenana aho, tamin’izaho nitory fanintelony. Indray mandeha, dia tsy hitako ny andinin-teny ara-baiboly saika hovakiko. Hoy ilay tompon-trano tamiko: “Ô ry tovolahy a! Aza mampianatra aloha raha mbola tsy mahay.” Nakatony ny varavarana avy eo. Kivy aho, ary nipetraka teo amin’ny seza iray sady nikaroka an’ilay andinin-teny. Rehefa hitako ilay izy, minitra vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nasehoko an’ilay rangahy.

Natao batisa aho ho mariky ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra, tamin’ny 4 Martsa 1956. Nisy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy noraisiko, enim-bolana taorian’izay. Hanao mpisava lalana maharitra ve aho, sa hanao mpampianatra any amin’ny sekoly iray, ka tsy hanam-potoana firy ho amin’ny fanompoana? Nifidy ny asan’ny mpisava lalana aho.

Nisafoaka i Dada noho ny fanapahan-kevitro, ka nandray antsy ary nataony teo amin’ny tendako. Tsy maintsy mody ao an-trano, hono, aho isan-kariva. Nilaza koa izy fa tsy homeny sakafo intsony aho, na dia vonona ny handoa ny vola lany rehetra aza. Vokatr’izany, dia tsy nisakafo maraina aho rehefa niala tao an-trano. Tany amin’ireo mpisava lalana aho no nisakafo antoandro, ary nihinana mofo ny hariva talohan’ny nodiana.

Fialana an’ireo baomba sy bala

Niady tamin’i Frantsa i Alzeria tamin’izany, mba hahazoana fahaleovan-tena, ka niharan’ny zera baomba sy ny valifaty nahatsiravina i Alger. Nisy 100 mahery mihitsy aza ny baomba nipoaka, tao anatin’izay volana iray izay. Nisy nametraka baomba tany anaty bisy, tany amin’ny toerana fisotroan-toaka, ary kianja filalaovana. Sarotra ny nitory. Tsy sahy nanokatra varavarana ny olona, ary matetika no nisy fisavana karatra, sy fikarohana olona, ary tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina.

Tamin’ny alahady 30 Septambra 1956, dia nipoahan’ny baomba ilay hotely fisakafoana tao amboninay, raha teo am-pandaminana ny toeram-pivoriana izaho sy ny mpisava lalana hafa. Am-polony no maty sy naratra. Soa ihany fa tsy nisy naninona izahay tao ambany. Nitory teny amoron-dalana niaraka tamin’ny anabavy iray aho, ny volana Desambra. Be olona ilay lalana. Nisy fiara nirimorimo tamin’izay, ary nanao tifitra vary raraka. Nihazakazaka nanatona varavarana iray izaho sy ilay anabavy. Nadaboko tamin’ny tany izy, ary avy eo koa aho nihohoka. Nisidina teo amboninay ny bala. Mailo kokoa izahay rehetra taorian’izay, rehefa nitory.

Tsy nety nitam-piadiana

Nantsoina hanao raharaha miaramila aho, tamin’ny 1 Martsa 1957. Tsy neken’ny feon’ny fieritreretako ny handray fitaovam-piadiana, noho izaho Kristianina. Nivavaka àry aho mba hahazoako hery hiatrehana ny manam-pahefana. Nivavaka koa aho mba tsy hifamaly tamin’ny raiko. Faly aho satria nantsoina nankany Lille, Frantsa, izay lavitra ny nisy anay.

Tonga tao amin’ny Tilikambon’i Lille aho, enina andro tatỳ aoriana. Vita tamin’ny taonjato faha-17 izy io, tamin’ny andron’ny Mpanjaka Louis Faha-14. Nohazavaiko tamin’ny alalan’ny Baiboly tamin’ilay manamboninahitry ny tafika, ny antony tsy hanaovako miaramila. Nogadrainy anefa aho, avy eo. Notaritaritin’ny mpiambina iray hivoaka avy tao amin’ilay efitra nisy ahy aho, indray maraina. Nosavany aho ary nahitany Baiboly kely. Nahohony teo amin’ny tany rakotra lanezy aho, natsipiny teo akaikiko ilay Baiboly, natohony teo amin’ny lohako ny basy, ary notazoniny teo nandritra ny antsasa-kadiny aho. Faly aho taorian’izay satria nomeny ahy ihany ilay Baiboly. Mbola eo amin’ny talantalam-bokiko izy io hatramin’izao. Nanjary narary vavony nandritra ny taona maro anefa aho, noho ilay fampijaliana tamin’iny andro iny.

Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia novakin’ilay manam-boninahitra tamiko ny taratasy nalefan’i Dada. Izao no voalaza tao: “Ataovy izay hampilefitra azy. Tereo izy hiova hevitra.” Nampidirin’ilay manamboninahitra tao amin’ny efitra maizina iray aho, satria tsy nanaiky lembenana mihitsy. Hazo fisaka no natoriako ary bodofotsy kely no nirakofako. Tsy nisy kabine tao, ka teo an-joron-trano aho no nanao maloto. Tsy afaka nisasa sy niborosy nify aho, sady tsy afaka nanasa ny viliako. Nafindra tany amin’ny fonjan’i Fresnes, any Paris, aho, tapa-bolana tatỳ aoriana.

Inefatra naiditra am-ponja aho, nandritra ny enin-taona nanaraka, ary fonja 14 no noteteziko. Nogadraina tany Fontevrault, any Vallée de la Loire, aho, indray ririnina izay. Monasitera tamin’ny taonjato faha-12 io natao fonja io. Nesorina daholo ny zavatra rehetra teny amiko, rehefa tonga tao aho. Tsy nitsahatra nangataka ny Baiboliko anefa aho, ka natokana efitra nandritra ny iray volana. Namely mafy ny hatsiaka tao, ka niharatsy ny fahasalamako, ary nandrehoka ra aho.

Nafindra tany Château de Turquant, any akaikin’i Saumur aho. Tsara kokoa io fonja io, ary nanao raharaha ho an’ireo mpitsara efa misotro ronono no asan’ny voafonja tao. Niara-nigadra tamiko tao i Ahmed Ben Bella, izay lasa prezidàn’ny Repoblikan’i Alzeria tatỳ aoriana. Nitory taminy aho nandritra ny volana maromaro. Hoy izy tamiko indray mandeha: “Hay ve avy any Alger ianao, ary noho ianao tsy nanaiky hitam-piadiana hamono Alzerianina no maha eto anao!” Nanaja ahy izy noho ny hevitra nijoroako.

Nahazo hery hiaretana fitsapana fanampiny

Niharatsy ny fahasalamako, ary hita tamin’ny fitsirihana fa voan’ny tioberkilaozy aho, ka nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana iray tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Tsy nahahetsika teo am-pandriana nandritra ny volana maro aho tany. Nanoro hevitra ilay dokoterako fa tokony hesorina ilay havokavoko marary. Nanaiky aho, kanefa kosa nilazako izy fa ‘mifady ra’ aho. (Asan’ny Apostoly 15:29) Tezitra izy, ka tsy nety hanao ilay fandidiana. Teo amin’ny fahenin-taonan’ny nigadrako aho tamin’izay.

Tao anatin’ny aty ririnina no nivoahako an’ilay toeram-pitsaboana. Tsy nanana afa-tsy ny akanjo teny an-koditro aho. Toy ny nanirahan’i Jehovah an’i Onesiforosy mba hanampy ny apostoly Paoly anefa, dia naniraka olona izy hanampy ahy. Tsy iza izany fa ny Rahalahy Adolphe Garatoni. Nampiantrano ahy izy ary “nanampy sy nankahery” ahy. (Kolosianina 4:11; 2 Timoty 1:16-18) Nihatsara tsikelikely ny fahasalamako, noho ny fanampian’i Adolphe sy ny dokotera iray tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa.

Nisy zavatra nilako vola be tamin’izany fotoana izany. Tsy hitako anefa izay natao satria tsy nanam-bola aho. Nisy olona tsy fantatro nitsidika ahy, indray andro. Hoy izy: “Mpisolovava aho, ary nirahin’Atoa Ben Bella, prezidàn’i Alzeria, hanome an’ity ho anao.” Nomeny valopy nisy vola aho, ary ampy tsara tamin’ny nilako azy ilay izy. Nisy ambiny aza. Nisaotra an’i Jehovah tamin’ny foko manontolo aho. “Mpihaino vavaka” tokoa izy.—Salamo 65:2.

Nahazo tombontsoa tena tsara sy namana tsara tarehy

Nivoaka ny fonja aho, ary niverina nanao ny fanompoana manontolo andro. Nihaona tamin’i Andrée Morel aho, tao amin’ny fiangonan’i Melun, any akaikin’i Paris. Efa maty vady izy, ary 35 taona. Vavolombelon’i Jehovah koa ilay vadiny voalohany, ary maty tamin’ny lozam-piarakodia. Nivady izahay tamin’ny 26 Septambra 1964. Voatendry ho mpisava lalana manokana izahay, tamin’ny 1 Aogositra 1965. Nanompo manontolo andro nandritra ny 28 taona i Andrée, na dia tsy tena salama aza!

Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra aho tamin’ny 1967. Mpitory mitety sy mampahery ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny mpiandraikitra ny faritra. Nanompo tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa izahay. Anisan’izany i Bordeaux sy Monaco. Nanompo tao Paris koa izahay nandritra ny herintaona. Tsy mora taminay ny asa fitetezam-paritany, noho ny fahasalamanay. Nanompo ireo rahalahy nandritra ny 20 taona anefa izahay, satria nampian’i Jehovah. Niverina ho mpisava lalana manokana indray izahay, tamin’ny 1986.

Ny fiainako ankehitriny

Efa ho 70 taona aho izao, ary hitako fa manome hery ny mpanompony foana i Jehovah, mba hiaretan’izy ireo fitsapana. Mazava ho azy fa fomba iray ahazoana ny heriny ny fianarana ny Teniny. Miezaka mamaky azy io manontolo aho, ao anatin’ny herintaona.—Isaia 40:28-31; Romanina 15:4; 2 Timoty 3:16.

Mampahery anay sy Andrée ny mahita olona mandray ny vaovao tsara sy manolotra ny fiainany ho an’i Jehovah. Fitopolo tamin’ireo olona nampianarinay Baiboly no nanolo-tena ho an’i Jehovah, ary mitondra fifaliana lehibe sy maharitra ho anay izany. Rehefa mieritreritra ny fiainanay aho, dia tsapako fa mihatra aminay ity teny nosoratan’ny mpanao salamo ity: “Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.”—Salamo 34:6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 21]

Nigadra tao amin’ny Château de Turquant, any akaikin’i Saumur

[Sary, pejy 23]

Izahay mivady tamin’ny 1967, sy ankehitriny