Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Quakers sy ny “Fitondrana Masina”

Ny Quakers sy ny “Fitondrana Masina”

Ny Quakers sy ny “Fitondrana Masina”

NIANTSONA tao Boston, any Massachusetts (Etazonia) ilay sambo Swallow avy any Barbade, any Antilles, tamin’ny Jolay 1656. Namoaka didy i Richard Bellingham, governora lefitra tao Massachusetts, fa tsy mahazo mivoaka ny sambo i Mary Fisher sy Ann Austin. Nosavana ny entan’izy ireo ka nahitana boky 100, izay nolazaina fa nisy “fampianarana diso sy nanohitra ny foto-pinoana nahazatra ary nanevateva an’Andriamanitra.”

Nodorana tany an-tsena ireo boky, ary nogadraina izy roa vavy. Naboridana izy ireo ary nojerena sao nisy marika amantarana azy hoe mpamosavy. Notampenana ny varavarankelin’ny efitra nigadrany, ka tao anaty haizina nandritra ny iray volana mahery izy ireo. Nampandoavina lamandy izay tratra niresaka taminy. Nalefa niverina tany Barbade i Mary Fisher sy Ann Austin, tamin’ny farany.

Hoy ny mpanoratra gazety iray tamin’ny mpitsara azy ireo: “Nahoana no mampahatahotra be anareo ny fahatongavan’ireo vehivavy ireo? Toy ny hoe misy tafika matanjaka manafika ny sisin-taninareo mihitsy.” Izy mirahavavy ireo, raha ny marina, no misionera quakers voalohany tonga tany Amerika Avaratra. Iza moa ireo Quakers, ary nahoana izy ireo no noheverina ho mampidi-doza?

Ny Fikambanan’ny Mpinamana

Niforona tany Angletera tamin’ny 1650 tany ho any ny Quakers, na Fikambanana Ara-pivavahan’ny Mpinamana. I George Fox (1624-1691) no nanorina azy io. Zanaka mpanenona izy ary teraka tany Leicestershire. Nandre feo hafahafa, hono, izy indray mandeha, ka nanatsoaka hevitra fa afaka mifandray mivantana amin’Andriamanitra sy mahazo fanazavana avy aminy, tsy misy mpanelanelana. “Voalaza fa naorina tamin’ny 1652 ny Fikambanan’ny Mpinamana”, araka ny boky Tantaran’ny Fivavahana Tany Amerika (anglisy).

Nahoana izy ireo no lasa nantsoina hoe Quakers na mpangovitra? Milaza ny boky iray fa “mihovitrovitra mafy izy ireo, rehefa hahazo fanambarana avy amin’Andriamanitra.” Misy boky hafa milaza fa “nangovitry ny tahotra [izy ireo], noho ny fahatsapany fa faran’izay madio sy be voninahitra Andriamanitra.” Ny hahalala ny marina mifandray amin’ny fivavahana sy ny hamerina indray ny Fivavahana Kristianina tany am-boalohany, no tanjon’ny Quakers.

Nihambo ho niantehitra tamin’ny fanahy masina sy ny mpaminany resahin’ny Baiboly ary ny apostolin’i Kristy izy ireo, mba hahazoana tari-dalana. Samy nahazo “fahazavana” na nandre “feo” tany anatiny tany koa, hono, izy ireo, ary lazainy fa fahamarinana avy amin’Andriamanitra izany. Nangina daholo àry izy ireo mazàna rehefa nivory, ka samy niandry ny tari-dalan’Andriamanitra. Izay nandray hafatra avy taminy no nahazo niteny avy eo. *

Tia ny rariny ny Quakers, sady nihevitra fa tsy azo ampandeferina mihitsy ny marina, ary tokony ho tso-piaina sy tsy ho tia herisetra ny olona. Nino koa izy ireo fa tokony handray anjara amin’ny fitenenana ny rehetra rehefa nivory, anisan’izany ny vehivavy. Nanohitra ny antokom-pivavahana efa nisy ny Quakers, ary tsy nanaraka ny fombafomba sy ny rentin’izy ireo. Tsy nila mpitondra fivavahana hitari-dalana azy, hono, izy ireo, fa efa manana ilay feo anaty avy amin’Andriamanitra. Lasa nampahatahotra sy nampiahiahy ny olona izy ireo, noho izany. Ny fahazotoan’izy ireo nampiely ny fivavahany anefa no tena nampanahy ny olona. Nahatezitra ny olona izany, nahatonga ny vahoaka hirotaka, ary nandray fepetra hatramin’ny manam-pahefana.

Nenjehina sy nogadraina ny Quakers tany Angletera. Noroahina koa izy ireo tany Nouvelle-Angleterre, ary nisy aza novonoina. Nahantona tao Boston, ohatra, ny misionera quakers toa an-dry Mary Dyer, William Leddra, William Robinson, ary Marmaduke Stephenson, teo anelanelan’ny 1659 sy 1661. Nofatorana tamin’ny rojo ny sasany, na notombohina tamin’ny vy, na nokaravasina, na notapahina ny sofiny. Nokapohina im-117 tamin’ny karavasy nisy godorao, ohatra, ny lamosin’ny lehilahy iray antsoina hoe William Brend. Tsy nahasakana ny fitomboan’ny Quakers anefa ireny habibiana ireny.

Nanandrana nanorina “fitondrana masina” i William Penn

Nisy fiovana niavaka nitranga tamin’ireo Quakers tany Amerika Avaratra, nanomboka tamin’ny 1681. Lasa anisan’ny Fikambanan’ny Mpinamana ny tovolahy atao hoe William Penn (1644-1718), zanaka amiraly anglisy. Nanorina faritany iray tany Amerika Avaratra izy, ary ny fitsipiky ny Quakers no narahina tao, sady Quakers no mpitondra. Nanandrana nanorina “fitondrana masina” tao amin’io faritra io izy. Tsy tia herisetra i Penn, nefa nogadraina satria nampiely ny heviny, na an-tsoratra izany na am-bava.

Nananan’ny rain’i Penn vola i Charles, mpanjaka anglisy, ka nomen’ilay mpanjaka tany midadasika be tany Amerika Avaratra i Penn ho solon’izany. Namoaka didy koa ny mpanjaka fa hanana fahefana lehibe ao amin’ilay faritany vaovao i Penn. Nantsoina hoe Pennsylvanie, na “Alan’i Penn” ilay faritany, ho fahatsiarovana ny Amiraly Penn. Nahazo nanaraka izay fivavahana tiany ny olona rehetra tao.

Nirahin’i Penn ho any Amerika aloha i William Markham, zanak’anabavin-drainy, mba hisolo tena azy. Nanentana ireo Eoropeanina vitsivitsy tao amin’ilay faritany vaovao izy mba hanohana an’i Penn, sady nividy tany tamin’ireo Teratany Amerikanina. Nandeha sambo nankany Pennsylvanie i Penn tamin’ny 1682, ary tany amin’ny Renirano Delaware no lalany. Sambany izy vao nahita ilay faritaniny vaovao. Nanaovany fifanekena ara-drariny ireo teratany tao Shackamaxon (Kensington ankehitriny, anisan’ny faritr’i Philadelphie). Nanorina faritany hafa koa izy, tsy lavitra teo. Nantsoiny hoe Philadelphie, izany hoe “Fitiavan-drahalahy” izy io. Niroborobo haingana ilay tanàna.

Niverina tany Angletera i Penn ary nampahafantatra ny olona ny momba an’ilay faritany vaovao, mba hampirisihana azy ireo hifindra tany. Nilaza izy fa nisy tany sy ala tena tsara tany, renirano faran’izay kanto, ary bibidia sy hodi-biby. Nampanantena izy fa hamela ny olona hanaraka ny fivavahany sy hampanjaka ny fandriampahalemana, ilay fitondrana vaovao. Noraisina an-tanan-droa avokoa ny mpivarotra sy ny mahantra, ary izay naniry mafy fitondram-panjakana tsara sady nanana soso-kevitra hanatanterahana izany.

Nanantena ho afaka tamin’ny korontana politika sy ny olana nahazo azy teo amin’ny fiaraha-monina ireo Quakers tany Angletera sy Irlandy Avaratra, ka nifindra tany Pennsylvanie. Tonga koa ny olona avy tany amin’ireo tanàna manamorona ny Renirano Rhin, any Eoropa, toy ny Menonita sy ny olona avy tamin’ny antokom-pivavahana nitovy taminy. Quakers ny ankamaroan’ireo tonga voalohany tany, ary nilaza i Penn fa nahavelom-panantenana ny zava-drehetra tao amin’ilay faritany vaovao. Izao no nosoratany tamin’ny 1683: “Nisy fivoriambe roa [nataon’ny Antenimiera], ... ka lalàna fitopolo, fara fahakeliny, no nekena, ary tsy nisy lafin-javatra niadian-kevitra mihitsy.” Be fanantenana tokoa ny ankamaroan’ny olona, nefa tsy naharitra ela izany.

Tsy nahomby ilay fitondrana masina

Namela ny mponina hanao izay noeritreretiny fa nety, ny sata nifehy an’ilay faritany teo ambany fitondran’i Penn. Niteraka olana anefa izany satria ny Quakers tsy tia herisetra, fa ny olona sasany kosa nihevitra hoe nilaina ny herisetra, mba hankatoavan’ny olona ny lalàna sy hihazonana ny filaminana. Nitombo hatrany izany olana izany. Tsy te hiditra tamin’izany anefa i Penn, ka nanendry solontena tsy Quakers mba handray fepetra. Nilazany izy ireo hoe: “Mila hentitra amin’ny mpiara-monina amintsika ianareo indraindray.” Vao mainka sarotra tamin’ny Quakers ny nanaraka ny fitsipiky ny fivavahany, rehefa saika nipoaka ny ady tamin’i Frantsa tamin’ny 1689.

Nanampy trotraka an’izany ny fahatongavan’ny mpifindra monina maro be. Tsy Quakers ny ankamaroany, ary naka an-keriny ny tanin’ireo Teratany Amerikanina izy ireo. Lasa nihavitsy àry ny Quakers, ary niharatsy tsikelikely ny fifandraisan’ny vahiny sy ny teratany.

Nirodana tanteraka ny fahefana ara-politika nananan’ny Quakers, tatỳ aoriana. Nanapoaka ady tamin’ireo foko tao Delaware sy Shawnee mantsy ny governora sy ny mpanolo-tsainy, tamin’ny 1756. Noho izany, dia niala tao amin’ny fitondrana ny Quakers ary nifarana koa ny rafi-pitondrany. Rava ilay “fitondrana masina” naorin’i Penn, izay naharitra 75 taona teo ho eo.

Nihalefy koa ny zotom-pon’ireo Quakers tamin’ny fivavahany, rehefa nihananan-karena izy ireo. Hoy i Samuel Fothergill, anisan’ny Quakers: ‘Lasa variana tamin’izao tontolo izao [ny Quakers], ka tsy afaka nampita tamin’ny taranany ny fitsipiky ny fivavahany, izay efa hadinony rahateo.’ Nizarazara ho sekta be dia be koa izy ireo tatỳ aoriana.

Tsara fikasa angamba i Penn sy ireo mpanohana azy, ary nahomby nandritra ny fotoana kelikely. Tsy azon’izy ireo anefa, na tsy noraharahainy ilay fampianaran’i Jesosy hoe “tsy anisan’izao tontolo izao” izy sy ny mpianany. (Jaona 17:16) Hitantsika avy amin’izany àry fa tsy tahin’Andriamanitra sy ny Zanany mihitsy izay ezaka ataon’ny olona, raha ampiarahiny ny fivavahana sy ny politika. (Jakoba 4:4; 1 Jaona 5:19) Tsy hahomby mihitsy izany, na dia tsara fikasa toy inona aza ilay olona.—Salamo 127:1.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Maro ny Quakers manakarama mpitondra fivavahana ankehitriny, mba hitarika ny fotoam-pivavahana amin’ny fomba milamina kokoa.

[Efajoro, pejy 12]

“TSY ANISAN’ITY TONTOLO ITY NY FANJAKAKO”

Nahoana i Jesosy no nilaza ireo teny ao amin’ny Jaona 18:36 ireo? Mazava amintsika izany rehefa fantatsika hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra. Izy io no tena noresahin’i Jesosy rehefa nampianatra izy. Tsy inona izy io fa fitondram-panjakana iray hitondra ny tany manontolo, ary i Jesosy Kristy no mpanjakany. (Isaia 9:5, 6; Lioka 4:43) Tsy ny fitondran’olombelona no hampiasain’io Fanjakana io, mba hanao ny asany. Handringana azy ireo kosa izy io, ka izy irery no hitondra ny tany. (Daniela 2:44; 7:13, 14) Izany indrindra no noresahin’i Jesosy tao amin’ilay vavaka modely. Hoy izy: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:9, 10) Tsy afaka nitondra fiainana tsara ho an’ny vahoakany mihitsy, na dia ny olona tso-po toa an’i William Penn aza. Hanana fahasalamana tonga lafatra sy hiadana ary hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa kosa anefa ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, raha mankatò.—Lioka 23:43; Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary, pejy 10]

Fivorian’ny Quakers tany Philadelphie, taonjato faha-19

[Sary, pejy 10]

Mary Dyer nentina hovonoina, tany akaikin’ny Helodranomasin’i Massachusetts

[Sary, pejy 11]

Quakers nandao an’i Angletera, taonjato faha-17

[Sary, pejy 11]

William Penn nanao fifanekena tamin’ireo Teratany Amerikanina, 1682

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Sary roa: © North Wind Picture Archives

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Sambo: © North Wind Picture Archives; fifanekena: Brown Brothers