Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Tena Tsara Ilay Izy”

“Tena Tsara Ilay Izy”

“Tena Tsara Ilay Izy”

Izany no nosoratan’ny mpivady iray any Géorgie, Etazonia, momba ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoaka tamin’ny 2005. Misy 224 pejy izy io, sady be sary. Hoy ilay mpivady: “Lalina ny hevitra raketiny nefa mora azo ny fanazavana, ka afaka mampiasa azy io ny ankamaroan’ny olona. Ho afa-po àry izay rehetra mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, na dia ireo nanao fianarana ambony be aza.”

Nisarika ny sain’ny olona koa ny lohatenin’izy io, araka ny asehon’izay nitranga tamin’ny mpivady iray avy any New Jersey, Etazonia. Nahazo an’io boky io izy ireo rehefa nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Floride. Nandeha fiaramanidina mba hanao vakansy tany Bahamas izy mivady, taorian’izay. Rehefa nisava ny entan’izy ireo ny mpiasan’ny doanina, dia nahita an’ilay boky, ary niteny hoe: “Efa ela aho no nitady ny valin’ity fanontaniana ity.” Nomen’izy mivady boky iray àry izy, ka tena faly be.

Namaky an’ilay boky teny amin’ny torapasika io mpivady io, ny ampitson’iny. Nisy vehivavy mpivarotra zavatra ho an’ny mpizaha tany nahatsikaritra an’ilay izy. Nohazavainy fa nivavaka tamin’Andriamanitra izy ny androtr’iny, mba hahazoana valiny amin’ny fanontaniana nitovitovy tamin’ny hoe: “Inona marina no ampianarin’ny Baiboly?” Nanontany àry izy hoe ahoana no mety hahazoany an’ilay boky. Nomen’izy mivady azy ilay boky ambiny tany amin’izy ireo, ka faly be izy.

Misy amin’ny fiteny 145 mahery izao ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ary efa 40 tapitrisa mahery no vita pirinty. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.