Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Maneran-tany, dia olona 5,7 tapitrisa isan’andro no mitady hisy hisoloky ao amin’ny Internet.—MAGAZINE, ESPAINA.

“Nihoatra ny 30 000 foana ny isan’ny olona namono tena teto Japon, [nanomboka tamin’ny 1998 ka hatramin’ny 2005].” Anisan’ny be indrindra eran-tany izany.—MAINICHI DAILY NEWS, JAPON.

‘Karazan-javamaniry sy bibidia 844 no lany tamingana tato anatin’ny 500 taona, noho ny ataon’ny olona.’—UICN na FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MIARO NY ZAVABOARY, SOISA.

Lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ny 6 isan-jaton’ny olona eto Grande-Bretagne, araka ny tatitry ny governemanta. “Mahazo ‘mivady’ ny samy lehilahy sy ny samy vehivavy” eto, ary mitovy zo amin’ny lehilahy manambady vehivavy, araka ny lalàna navoaka tamin’ny 2005.—THE DAILY TELEGRAPH, ANGLETERA.

Mihamikisaka Haingana ny Vongan-dranomandry

‘Mihamikisaka haingana ny vongan-dranomandry mameno faritra midadasika, any Groenlandy’, hoy ny gazety Science. Hita tamin’ny satelita fa nitombo efa ho avo roa heny ny hafainganam-pandehan’izy ireo, tato anatin’ny dimy taona. Mahatratra 12 kilaometatra mahery isan-taona izany. Mihamitsonika haingana koa izy ireo tato anatin’ny folo taona. Mahatratra 220 kilaometatra toratelo isan-taona ny rano avy amin’izany, raha 90 kilaometatra toratelo taloha. Milaza àry ny mpahay siansa fa “hiakatra ambony lavitra noho izay eritreretina ankehitriny ny ranomasina, amin’ny hoavy.”

Fetim-piangonana ho Fahatsiarovana An’i Darwin

Fiangonana efa ho 450 tany Etazonia no nankalaza ny faha-197 taona nahaterahan’i Charles Darwin, tamin’ny Febroary 2006. Mitonona ho Kristianina daholo izy ireo. “Nantitranterina tamin’ny fandaharana sy toriteny natao, fa tsy mifanohitra amin’ny zavatra inoan’ny Kristianina ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona. Nolazaina koa fa tsy voatery hifidy ny Kristianina raha hino izay ampianarin’ny fivavahana, na izay ampianarin’ny mpahay siansa.” Nandamina an’ilay fankalazana i Michael Zimmerman, mpikaroka momba ny zavamananaina sady mpiandraikitra ny Sampam-pianarana Momba ny Haisoratra sy ny Siansa any amin’ny Oniversiten’i Oshkosh, any Wisconsin. Hoy izy, araka ny gazety Chicago Tribune: “Tsy voatery hifidy ianao, fa samy azonao inoana daholo ireo fampianarana roa ireo.”

Tsy Fahalalam-pomba any Am-piasana

“Mety ho very fotoana sy tsy hanana mpiasa mazoto na mahay intsony ny orinasa, raha misy tsy mahalala fomba ao aminy”, hoy ny gazety The Wall Street Journal. Nisy olona 3 000 latsaka kely nadinadinina, ka 90 isan-jato mahery no niteny fa “nisy tsy nahalala fomba taminy tany am-piasany.” Nilaza ny 50 isan-jato tamin’ireo niteny ireo fa “lany fotoana nieritreretana momba izany, nandritra ny ora fiasana”, ary ny “25 isan-jato lasa nanao alasafay.” Mpiasa 1 ao anatin’ny 8 kosa no niala tamin’ny asany. Nilaza toy izao tao amin’ny Journal i Christine Porath, mpampianatra momba ny fitantanana orinasa any amin’ny Oniversiten’ny Faritra Atsimon’i Kalifornia: “Mety ho efa misy olona tsy mahalala fomba ao amin’ny orinasa iray, matoa manao alasafay ny mpiasa, na tsy tonga miasa matetika, na mangalatra mihitsy aza.”

Feno Fako ny Ranomasina

Teo am-piandohan’ity taona ity, dia nisy fako be dia be avy any amin’ny Oseana Pasifika Avaratra “nentin’ny rano nianatsimo nankany amin’ny manodidina ny Nosy Hawaii”, hoy ny gazety The Honolulu Advertiser. “Feno fitaovana fanjonoana tsy ilaina intsony sy fako plastika àry eny amin’ny torapasik’i Hawaii.” Atsipin’ny onja any amin’ny faritra tony kokoa amin’ny Pasifika Avaratra ny ankamaroan’izy ireny, nefa voatosika mankany Hawaii koa indraindray. “Nahitana fakofako 2 000 mahery” sy harato 100 mahery tany, tamin’ny 2005. Mampidi-doza ho an’ny zavamananaina any an-dranomasina izy ireny. Hoy i Charles Moore, izay nanangana ny Fikambanana Algalita Mikaroka Momba ny Zavaboary any An-dranomasina: “Tsy mihinana zavatra voajanahary intsony ny trondro, fa mihinana potika plastika daholo.”