Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Velona any Amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana

Velona any Amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana

Velona any Amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana

NAHITANA volamena tany akaikin’ny tanànan’i Sacramento, any Kalifornia (Etazonia), tamin’ny 1848. Olona 80 000 teo ho eo àry no nirohotra nankany, ny taona nanaraka, satria nanantena ny ho tonga mpanefohefo tampoka. Tamin’ny 25 Desambra 1849, dia nisy olona maro nandeha kalesin-tsoavaly 100 teo ho eo, niainga avy tao Salt Lake City, ary niankandrefana nankany Kalifornia. Nitsofoka teo amin’ilay lohasaha antsoina ankehitriny hoe Death Valley na Lohasahan’ny Fahafatesana, ny sasany taminy. Eo akaikin’ny sisin-tany mampisaraka an’i Kalifornia sy Nevada io lohasaha iva sady maina io. Nanantena ireo olona ireo fa ho tonga haingana raha manivaka eo.

Nangatsiatsiaka tao amin’ilay lohasaha tamin’izay, nefa nampidi-doza. Nizarazara ho antokony maromaro ireo olona ireo, ary samy nandeha tany amin’izay tiany haleha. Niezaka nianika tendrombohitra ny antokon’olona iray nisy zaza amam-behivavy, sao mba ho tonga any andrefana, kanjo tsy tafavoaka. Vizana izy ireo, sady efa ho lany vatsy, ka nijanona teo amin’ny loharano iray teo akaikin’ilay toerana antsoina ankehitriny hoe Furnace Creek. Nifindra izy ireo taorian’izay, ka nankeo akaikin’ilay kamory nantsoina tatỳ aoriana hoe Bennett’s Well. Lasa nitady fanampiana avy eo ny tovolahy roa 20 taona, atao hoe William Manly sy John Rogers. Ny sisa kosa nijanona.

Nieritreritra i Manly sy Rogers fa ho tonga tany Los Angeles tao anatin’ny andro vitsivitsy. Tsy fantany hoe any amin’ny 300 kilaometatra eo ho eo any atsimoandrefana io tanàna io. Nandeha an-tongotra efa ho tapa-bolana izy ireo vao tonga tao amin’ny Lohasaha San Fernando, any avaratr’i Los Angeles. Nahazo sakafo izy ireo tao, ary niverina haingana.

Tafaverina teo amin’ilay lohasaha izy roa lahy, 25 andro taorian’ny nialany tao, nefa tsy nahita na iza na iza. Nanapoaka basy i Manly, ary iny fa nisy lehilahy nipoitra avy tao ambany kalesy. Nanoratra toy izao i Manly tatỳ aoriana: ‘Natsangan’ilay lehilahy ambony be ny tanany, sady niantsoantso izy hoe: “Tonga ry zalahy. Tonga ry zalahy!” ’ Nisy hafa nipoitra koa avy eo, nefa tsy nahateny satria faly loatra. Velona soa aman-tsara daholo izy ireo noho i Manly sy Rogers. Lehilahy iray ihany no maty. Nisaraka tamin’ilay antokon’olona mantsy izy ary nandeha irery niala tao amin’ilay lohasaha, tamin’izy roa lahy mbola tsy tonga. Rehefa niainga ilay antokon’olona, dia voalaza fa niherika ny vehivavy iray sady niteny hoe: ‘Veloma, ry Lohasahan’ny Fahafatesana!’ Izay no lasa anaran’ilay toerana.

Lohasaha faran’izay maina sy iva ary mafana

Mirefy 225 kilaometatra eo ho eo ny halavan’ilay lohasaha, ary 8 ka hatramin’ny 24 kilaometatra ny sakany. Io no faritra maina sy iva ary mafana indrindra any Amerika Avaratra. Mahatratra 57 degre, ohatra, ny hafanan’ny rivotra any Furnace Creek, ary 94 degre kosa ny hafanan’ny tany, izany hoe 6 degre sisa no tsy itovizany amin’ny rano mangotraka! *

Kely ny rotsakorana any amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana, satria latsaka ny dimy santimetatra isan-taona. Tsy misy orana mihitsy aza indraindray ao anatin’ny taona sasany. Ao amin’io lohasaha io no misy ny toerana iva indrindra any amin’ny Ila Bolantany Andrefana. Any amin’ny 86 metatra ambanin’ny ranomasina ilay izy, ary any akaikin’ny kamory masira iray any Badwater no misy azy. Miala 140 kilaometatra monja avy eo kosa ny toerana avo indrindra any Etazonia, manarakaraka an’ilay any Alaska. Tsy inona izany fa ny Tendrombohitra Whitney, mirefy 4 418 metatra ny haavony.

Nahitana volamena kely tao amin’ny toerana iray atao hoe Salt Spring, tao amin’ilay lohasaha, tamin’ny 1850. Nahita volafotsy sy varahina ary firamainty tao koa ny mpitrandraka harena an-kibon’ny tany. Vetivety dia feno tanàna fitrandrahana teo amin’ilay lohasaha. Nomen’ireo mpitrandraka anarana hafahafa izy ireny. Tao, ohatra, ny hoe ‘saobakaka’ sy ‘rano maitso.’ Nanjary aolo ireny tanàna ireny, rehefa lany ny harena an-kibon’ny tany tao. Tamin’ny 1880 anefa, dia nahitana vovoka kristaly fotsifotsy atao hoe borax tao amin’ilay lohasaha. Fanamboarana savony na zavatra hafa izy io. Nanomboka teo vao tena niroborobo ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tao amin’io lohasaha io. Nisy kalesin-tsoavaly maromaro nitatitra borax àry avy tao, hatramin’ny taona 1888. Kalesy roa mirefy dimy metatra avy no nampiarahina, ary nasaina notarihin’ny ramole 18 sy soavaly 2, hatrany amin’ny tanànan’i Mohave, 270 kilaometatra miala eo. Navesatra be ireo kalesy ary nandreraka ilay dia. Najanona ny fitaterana borax isaky ny volana Jona ka hatramin’ny Septambra, satria nafana loatra ny andro ka tsy tantin’ny olona sy ny biby.

Lasa harem-pirenena ny Lohasahan’ny Fahafatesana, tamin’ny 1933. Nitarina tsikelikely ny velarany, ka nahatratra 1,3 tapitrisa hektara. Nantsoina hoe Valan-javaboarin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana izy io nanomboka tamin’ny 1994. Anisan’ny valan-javaboary lehibe indrindra any Etazonia izy io.

Feno zavamananaina any amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana

Tsy omena tsiny ianao raha mieritreritra hoe tsy misy zavatra velona any amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana. Karazam-biby an-jatony anefa no mitsidika an’io toerana io, na mipetraka any mihitsy. Maro no tsy mandehandeha raha tsy amin’ny alina, noho ny hafanana. Ny ondridia be tandroka no biby mampinono lehibe indrindra any. Vaventy tokoa izy io. Avy any amin’ireo tendrombohitra eny akaiky eny izy io, ary mandehandeha ao amin’io lohasaha io tsindraindray. Misy biby hafa koa any, toy ny blaireau, ramanavy, sakadia, alikadia, fosa, voalavo misy paosy, pantera, sokina, bitro, moufette, ampondradia, androngo, bibilava, ary sokatra any an-tany efitra. Ahitana karazam-borona an-jatony koa any. Anisan’izany ny akohorano, firasa, vano, papelika, goaika, kitanotano, ary vaotoro.

Anisan’ny mafy toto indrindra amin’ireo ny voalavo misy paosy. Velona foana izy na dia tsy misotro rano mihitsy aza mandritra ny androm-piainany! Hoy ny gazety iray: “Mihinana voan-javatra maina izy, ka ny tavolo sy menaka avy amin’izany no ovan’ny vatany, mba hahazoany ny rano rehetra ilainy hahavelomany.” Tsy mba mora mipipỳ toy ny olombelona koa izy, satria manana voa hafakely. Mipetraka anaty lavaka io biby kely mpikiky io. Amin’ny alina izy vao mitady sakafo, satria mandositra ny hafanam-be amin’ny antoandro.

Misy karazan-javamaniry arivo mahery koa ao amin’io lohasaha io. Nitady zavamaniry tao ireo Indianina Shoshone nipetraka tao nandritra ny arivo taona mahery, mba hatao sakafo na hanamboarana fitaovana samihafa. Nilaza izy ireo fa betsaka ny zavatra fihinana ao amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana. Hahita sakafo be dia be ianao, raha fantatrao izy ireny.

Tany efitra feno voninkazo

Feno voninkazodia mamelana ao amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana indraindray. Mahavariana tokoa izy ireo. Avy amin’ireo voa tsy hita isa nijanona ela tao anaty tany izy ireny. Efa am-polony taona ny voa sasany no tao. Niandry fotsiny ny fotoana naha ampy tsara ny orana sy nampety tsara ny hafanana ilay voa, mba hampitsimoka azy. Hoy i Tim Croissant, manam-pahaizana momba ny zavamaniry ao amin’io valan-javaboary io: “Tsy misy voninkazo mamelana mihitsy eto mandritra ny taona maro.”

Nisy orana avo telo heny noho ny mahazatra anefa tao amin’io lohasaha io, tamin’ny ririnina 2004-2005. Izany no be indrindra hatramin’izay. Karazana voninkazodia 50 mahery àry no indray namelana, anisan’izany ny tongotramboabe, karazam-boandelaka, orkide, karazana voninkazon-drongony, voahangindrano, tanamasoandro, ary verivenina. Nilaza ny mpitsidika iray fa namerovero toy ireny any amin’ny fivarotam-boninkazo ireny ilay lohasaha. Mazava ho azy fa misarika tantely sy bibikely hafa ny voninkazo mamelana. Mandre elatra tsy hita isa manenoneno àry ianao any amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana, rehefa mamelana ireo voninkazo.

Mitondrà rano be dia be sy fiara matanjaka tsara, raha mieritreritra ny hitsidika an’io lohasaha io ianao. Tokony hitondra fakan-tsary koa ianao, raha amin’ny fotoana famelanan’ny voninkazodia no mankany. Rehefa tafaverina any an-trano ianao, dia ho gaga ny havanao sy ny namanao hahita fa maro tokoa ny zavatra velona any amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Ilay hafanana 58 degre tany Libya tamin’ny 1922, no ambony indrindra fantatra hatramin’izay. Any amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana anefa no toerana mafana indrindra eran-tany, rehefa jerena ny hafanana any mandritra ny fahavaratra.

[Teny notsongaina, pejy 15]

Toerana maina sy iva ary mafana indrindra any Amerika Avaratra

[Efajoro/​Sary, pejy 17]

Trondro any An-tany Efitra!

Misy karazany efatra amin’ilay trondro kely mahavariana atao hoe saridinina any an-tany efitra, any amin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana. Enina santimetatra izy io, ary mivolombolafotsy. Matory ao anaty fotaka any amin’ny fanambanin’ny renirano kely sy kamory izy, amin’ny ririnina. Mandehandeha sy manatody kosa izy rehefa mafana ny rano, amin’ny lohataona. Miova loko ny lahy amin’izay, ka lasa manga mamirapiratra. Arovany mafy ny faritra misy azy mba tsy hidiran’ny trondro lahy hafa. Tsy ela anefa dia tonga ny fahavaratra, ka ritra ny ankamaroan’ny rano noho ny hafanam-be. Maro be ny trondro indray maty, noho izany. Izay sisa velona kosa tsy maintsy miaina ao anaty rano masira be sy mahatratra 44 degre.

[Sary nahazoan-dalana]

Trondro eo ambony: © Neil Mishalov—www.mishalov.com; trondro eo ambany: Donald W. Sada, Desert Research Institute

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

Etazonia

Kalifornia

Valan-javaboarin’ny Lohasahan’ny Fahafatesana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Ramole: Courtesy of The Bancroft Library/University of California, Berkeley

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Ampondra: ©Joseph C. Dovala/age fotostock; sary farany ambony: © Neil Mishalov—www.mishalov.com; voninkazo: Photo by David McNew/Getty Images