Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Mbola Misy ve ny Fitiavana? (Martsa 2006) Aolan’ny olona ny dikan’ny hoe fitiavana, ary i Satana aza dia maniry ny hanafoana tanteraka an’io toetra io. Manampy antsika haneho fitiavana sy tsy ho tia tena ny fanazavana toy ireny. Misaotra anareo fa nanjary nazava kokoa tamiko izao ny fomba tian’Andriamanitra hanehoantsika an’io hery lehibe io.

Y. B., Etazonia

Nahatsiaro ho nanirery aho rehefa nifindra tany amin’ny fiangonana miteny vahiny ny namako roa tena akaiky ahy. Tamin’izaho nalahelo mafy iny indrindra no nahazo an’io gazety io. Misaotra tamin’ilay fampahatsiahivana hoe “Manehoa fitiavana raha te hotiavina ianao.” ‘Hanalalaka ny foko’ aho, manomboka izao, ary haneho tena fitiavana mba hananako namana vaovao.—2 Korintianina 6:12, 13.

M. T., Japon

Ahoana no Iatrehana ny Fahanterana? (Febroary 2006) Tsapako indraindray fa hadino ny zokiolona. Nandritra ny 11 taona izao no nikarakarako ny vadiko tsy salama. Mbola mahatsiaro ho manirery aho indraindray. Averimberiko vakina ireo lahatsoratra ao amin’io Mifohaza! io, ary imbetsaka aho no mihaino ilay izy amin’ny kasety. Tena tao amin’ny nilako azy mihitsy ilay gazety. Misaotra betsaka.

S. T., Japon

Solon-tongotra (Febroary 2006) Misaotra betsaka anareo noho ilay lahatsoratra momba ny solon-tongotra. Tamin’izaho bevohoka efa-bolana, dia nilazana izahay mivady fa tsy hisy tanana sy tongotra ny zanakay, ary ho azo anamboarana solon-tongotra izy rehefa feno herintaona. Ny volana naha feno herintaona an’i Daryl indrindra no tonga ilay lahatsoratra. Mianatra mitsangana sy mandeha izy izao. Tsy andrinay mivady ny fotoana hahitanay an’i Daryl “hitsambikina tahaka ny diera.”—Isaia 35:6.

Y. A., France

Mamy ny Miaina (8 Novambra 2001) Averimberiko vakina foana ny Mifohaza! 8 Novambra 2001, indrindra rehefa mahatsiaro ho kivy iny aho. Toy ny fanafody amiko, ny fanazavana toy ireny, saingy fanafody tsy mety lany daty. Tena mahasoa ireo torohevitra sy vahaolana atorony. Mampitraka ahy ny Mifohaza!, ka tsapako fa miahy ny olona toa ahy ianareo. Tena sambatra aho ary misaotra anareo satria eo ianareo mba hampahatsiahy ahy fa “mamy ny miaina”!

P. T., Madagasikara

Iza moa ny Pèlerins sy ny Puritains? (Febroary 2006) Tena nahatsiravina ahy ny nahita ny fanazavana diso momba ny zava-nitranga, tantaraina ao amin’io lahatsoratra io. Misy antony lehibe matoa tsy mankalaza ny Thanksgiving Day na Andro Fisaorana ny Indianina any Amerika Avaratra. Tsy nohazavainareo anefa izany.

Tsy mitonona anarana, Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Mariho fa tsy ny hanazava amin’ny an-tsipiriany momba ny tantaran’ny Thanksgiving Day na Andro Fisaorana no antony nanoratana an’iny lahatsoratra iny. Boky maromaro no milaza fa nankalaza ny Andro Fisaorana nandritra ny telo andro niaraka tamin’ireo namany Indianina Amerikanina ny Pèlerins, tamin’ny faramparan’ny taona 1621. Anisan’ny boky milaza an’izany ny “Rakipahalalana Britannica.” Mitantara an’io zava-nitranga io ny taratasy nosoratan’i Edward Winslow tamin’ny 11 Desambra 1621. Natao hankalazana zavatra maro samihafa ankoatra ny fijinjana anefa ny Andro Fisaorana, nandritra ireo taona nanaraka. Ilay Andro Fisaorana nasain’i John Winthrop nankalazaina tamin’ny 1637 no nalaza ratsy indrindra. Governoran’ireo mpifindra monina tao amin’ny Helodranomasin’i Massachusetts io John Winthrop io, ary nataony ho fankalazana ny nahafatesan’ny Indianina Amerikanina an-jatony vao avy novonoiny ilay Andro Fisaorana. Tsy mahagaga àry raha manafintohina ny olona sasany ny Andro Fisaorana.