Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Calypso—Vako-drazana Mampiavaka An’i Trinité

Calypso—Vako-drazana Mampiavaka An’i Trinité

Calypso—Vako-drazana Mampiavaka An’i Trinité

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY TRINITÉ

INONA no tonga ao an-tsainao, rehefa mandre ny anaran’ilay Repoblika misy nosy kambana atao hoe Trinité sy Tobago ianao? Maro no mieritreritra feon’amponga vy sy gadona mihetsiketsika amin’ny mozika calypso, izay hafakely sady mahafinaritra. Tsy any amin’ny faritra atsimon’ny Ranomasina Karaiba ihany no malaza ny calypso, fa eran-tany mihitsy. *

Milaza ny boky iray fa ny hoe calypso dia manondro “izay hira rehetra nohiraina tamin’ny fotoanan’ny Karnavaly tany Trinité, taorian’ny 1898. Nety ho nataon’ny mpanao fety teny an-dalana izany, na natao teny ambony lampihazo, ka nohirain’ireo mpihira vao misondrotra sy ireo efa matihanina.” Nentin’ireo andevo afrikanina nankany Trinité ny fomban-drazan’ireo mpitantara angano afrikanina, ka nety ho avy amin’izany no niandohan’ny calypso. Izay tian’ny olona tamin’ny hira sy dihy ary feon’amponga afrikanina no nafangarony tamin’ny kolontsaina frantsay sy amerikanina tatsimo ary anglisy, ka nanome ny calypso.

Tsy tena fantatra ny niavian’ilay teny hoe calypso. Misy milaza fa avy amin’ny teny afrikanina hoe kaiso izy io. Ny hoe kaiso dia nampiasaina mba hiderana zava-bita niavaka. Talohan’ny nifaranan’ny fanandevozana tany Trinité sy Tobago, teo anelanelan’ny 1830 sy 1840, dia efa nisy chantuelles (mpihira) nampiady hira ka samy nampiseho ny talentany. Nitangorona mba hihaino azy ireo ny olona, nandritra ny Karnavaly isan-taona. Samy nitady anarana sy fomba fihira nampiavaka azy ny mpihira calypso, mba hahatonga azy halaza kokoa.

Ny lafiny mampiavaka azy sy ny vokany

Nohajaina foana ny mpihira calypso, noho ny fahaizany milaza teny manindrona ny eritreritra. Maro amin’izy ireo koa no mahay mamorona andalan-kira eo no ho eo sady tena miady rima. Matetika izany no ampiany sarin-teny mifandray tsara amin’ny foto-kevitr’ilay hira. Mponin’i Trinité sady taranaka afrikanina ny mpihira calypso tamin’ny voalohany, ary anisan’ny sarangan’olona nahantra. Avy amin’ny firazanana sy volon-koditra ary saranga samy hafa kosa izy ireo ankehitriny.

Mpahay tantara sady mpihira calypso ny Dr. Hollis Liverpool, minisitry ny kolontsain’i Trinité sy Tobago teo aloha. Izao no nolazainy tamin’ny Mifohaza!, mahakasika ireo mpihira calypso fahiny: “Ny fahaizana vazivazy no tena nampiavaka azy ireo. Tonga hihaino calypso mantsy ny olona mba hiala voly, handre izay resaka malaza, ary hanamarina ny vaovao reny. Ny olona ambony saranga dia tonga mba hamantatra ny zavatra ataon’ny ambany saranga. Ny governora sy ny namany akaiky kosa tonga mba hahalalany hoe be mpanohana ve izy ireo sa tsia.”

Ireo mpitondra sy olona ambony saranga matetika no tena lasibatry ny vazivazin’ny mpihira calypso. Noheverin’ny sarambabem-bahoaka ho mahery fo àry ny mpihira calypso, fa ny manam-pahefana kosa nihevitra azy ireo ho nanelingelina. Nanao tsikera nanindrona aoka izany izy ireo, ka voatery namoaka lalàna hifehezana azy ny manam-pahefana mpanjana-tany. Nampiasa teny misy heviny roa àry ireo mpihira. Nanjary tena havanana tamin’izany izy ireo, ka mbola mampiavaka ny tononkiran’ny calypso hatramin’izao ny teny misy heviny roa.

Mpamorona teny vaovao koa ireo mpihira calypso. Izy ireo no namorona ny maro amin’ireo voambolana ampiasaina any Antilles. Tsy mahagaga raha mampiasa ny tononkiran’izy ireo ny olona maro, eny fa na dia ny mpanao politika aza, mba hanamafisana ny heviny.

Ny calypso maoderina

Nihabetsaka ny karazana calypso tato ho ato, ary nifangaro tamin’ny mozika hafa izany, ka nanintona olona maro tia mozika. Miresaka fitondran-tena tsy dia tsara anefa ny tononkira calypso sasany, toy ny mozika hafa ihany. Fahendrena àry ny mifidy tsara ny tononkira henointsika. (Efesianina 5:3, 4) Mety ny manontany tena hoe: ‘Ho sadaikatra ve aho hanazava teny misy heviny roa amin’ny zanako, na amin’ny mpihaino mbola tsy mahalala ny calypso?’

Raha tonga any Trinité sy Tobago ianao, dia azo inoana fa hahasarika anao ny torapasika mahafinaritra sy ireo vato harana. Hahaliana anao koa ny fifangaroan’ny volon-koditra sy ny kolontsaina samihafa. Mety hankafizinao koa ny feon’ireo amponga vy sy ny mozika calypso. Mambabo ny fon’ny tanora sy antitra eran-tany io mozika mihetsiketsika sy mahafinaritra io!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Matetika no manao hira calypso ireo tarika mpampiasa amponga vy. Ireo tena mpihira calypso kosa dia mampiasa gitara, trompetra, saksaofaonina, ary amponga tsotra.

[Sary, pejy 24, 25]

Amponga vy