Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanao Ahoana ny Fiainana Raha Tsy Misy Ampondra?

Hanao Ahoana ny Fiainana Raha Tsy Misy Ampondra?

Hanao Ahoana ny Fiainana Raha Tsy Misy Ampondra?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ETIOPIA

NY AMPONDRA no fitaterana be mpampiasa indrindra eto Addis-Abeba, renivohitr’i Etiopia, izay firenena faha-16 be mponina indrindra eran-tany. Efa fantatr’ireo mpamily fiara ny tokony hatao rehefa mifanena amin’izy ireny. Mahatadidy lalana mantsy ny ampondra, ary tsy mety mivily amin’izany mihitsy. Tsy matahotra fiara ny ampondra, sady mavesatra ny entany, ary tsy mba miherikerika izy. Mila mihataka àry ianao, raha tsy tianao ny hikasika amin’ny saribao, na tain’omby maina, na entana hafa entiny!

Voalaza fa dimy tapitrisa eo ho eo ny ampondra eto Etiopia, izany hoe ampondra 1 isaky ny olona 12. Maro ny Etiopianina mipetraka any amin’ireo tendrombohitra lavitra, ary tsy maintsy mandalo lohasaha lalina be. Misy renirano kely maro manasaraka ny lembalemba lehiben’i Etiopia. Tena vola be tsy toko tsy forohana no ilaina mba hanorenana tetezana na hamakiana lalan-tany fotsiny, hampitohizana an’ireny toerana rehetra ireny. Fitaovam-pitaterana tsara àry ny ampondra, izay tsy mora reraka sy tsy mora mianjera.

Afaka miaritra ny toetany rehetra eto Etiopia ny ampondra, na eny amin’ny toerana iva izay maina sady mafana, na eny amin’ny faritra be tendrombohitra. Hainy tsara koa ny mandeha amin’ireo tehezan-tendrombohitra mideza, lalana tery, renirano feno vato, lalana feno fotaka, na lalan-dratsy hafa. Tonga any amin’izay tsy tongan’ny soavaly sy rameva izy. Ny ampondra no tena fampiasan’ny olona an-tapitrisany mba hitaterana entana, indrindra any amin’ny tanàna tsy tongan’ny fiara.

Hain’ny ampondra ny mandeha amin’ny zoron-dalana tery, sy ny miolakolaka manaraka ireo fefy. Tsy mila pne lafo vidy izy, ary tsy sahirana loatra amin’ny lalana malama. Afaka mitondra ny karazan’entana rehetra izy, na maivana na mavesatra, ary afaka manatitra izany hatrany an-trano mihitsy, na aiza na aiza. Tezitra ny mpamily fiara ka mampaneno klakisaonina, rehefa mitohana ny fifamoivoizana. Ny ampondra kosa mahita lalana aleha foana. Tsy misy polisy mieritreritra ny hampandoa lamandy ny ampondra, noho izy niditra tamin’ny lalana tsy azo ifanenana. Tsy olana aminy mihitsy koa ny parking. Dimampolo dolara na iray hetsy ariary eo ho eo no vidin’ny ampondra iray. Mora lavitra izany raha ampitahaina amin’ny vidin’ny fiara!

Ampondra miakatra ny renivohitra

Isa-maraina, dia ampondra an’arivony avy any amin’ny 25 kilaometatra na mihoatra, no mirohotra manketo Addis-Abeba, izay misy mponina 3 000 000 mahery. Rehefa tsena ny andro no tena betsaka izy ireo, izany hoe rehefa alarobia sy asabotsy. Adiny telo eo ho eo no anaovany an’ilay dia, ka vao mangiran-dratsy izy ireo dia efa miainga. Miara-mandeha amin’ny ampondra ny tompony indraindray. Matetika anefa izy ireo no mihazakazaka avy ao aoriana, miezaka haharaka ny diany.

Gony feno voa madinika, legioma, kitay, simenitra, ary saribao, matetika no entin’ireo ampondra. Eo koa anefa ny barìka misy menaka sy ny kesika misy labiera na sodà. Mitondra entana hatramin’ny 90 kilao na mahery ny ampondra sasany. Raha lava, toy ny volotsangana na vatan-kininina, ny entana entiny, dia afatotra eo amin’ny andaniny roa amin’ilay ampondra, ka avela hikirazorazo ary taritiny eny an-dalana. Ny mahavariana indrindra dia ny mahita ampondra mitondra mololo, satria mila tsy ho tazana mihitsy izy ao ambaniny.

Mandeha mafy ny ampondra amin’ny maraina, rehefa mitondra ny entany ho any an-tsena. Rehefa lafo kosa ilay entana ka mody izy, dia mandeha mora kokoa, ary mijanona mihitsy aza indraindray mba hiraoka ahitra eny an-tsisin-dalana. Rehefa tsy mankany an-tsena indray ny ampondra dia ampiasaina amin’ny raharaha andavanandro toy ny fakana rano sy kitay. Azo ampindramina na ampanofaina koa izy ireo. Misy aza olona manana ampondra maromaro, ka mampiasa azy ireny ho toy ny kompaniam-pitaterana! Mitarika kalesy ny ampondra any amin’ny toerana sasany, ary mitarika sarety lehibe ny ampondra roa indraindray.

Mendrika hohajaina

Tsy mila fikojakojana be toy ny fiara ny ampondra. Izy ihany no mitady ny sakafony, ary saika hohaniny avokoa ny zava-drehetra. Lasa tia ny tompony ny ampondra, rehefa entina amin’ny fomba tsara. Voalaza fa kinga saina kokoa noho ny soavaly izy, ary tena mora mahatadidy lalana. Afaka mandeha irery maka rano any amin’ny kilaometatra maro ny ampondra, fa mila olona fotsiny mametraka ilay rano eo amboniny sy mampidina izany rehefa tonga izy. Asiana lakolosy mihitsy ny ampondra sasany, mba ho heno ny fahatongavany, ka afaka mandray ny entany ny olona any amin’ireo trano lalovany.

Miasa mafy ny ampondra, nefa fantany tsara ny fetran’ny entana zakany sy ny fotoana tokony hialany sasatra. Mitokona eo amin’ny tany izy, raha mavesatra loatra ny entany na tsy mipetraka tsara ka mampijaly azy, na koa reraka izy. Mety tsy ho azon’ilay tompony izany indraindray, ka mety hasiaka aminy na hikapoka azy izy. Tsaroanao angamba ilay tantara ao amin’ny Baiboly momba izany.—Nomery 22:20-31.

Mila fiheverana sy fikarakarana ny ampondra. Mampalahelo fa mianjera ao anaty lavaka izy ireo indraindray ka tapa-tongotra, rehefa tsy voafatotra tsara ny entany, ka mitongilana. Mety hankarary an’ireo biby mazoto mitondra entana ireo ny fery, aretina ao amin’ny kitro, katsentsitra samihafa, pnemonia, na olana hafa. Misy toerana fitsaboana ampondra àry naorina any Debre Zeyit, tsy lavitra an’i Addis-Abeba. Misy ordinatera ao, sady misy efitra fitsaboana, sy fiara fitaterana ampondra marary, ary efitra fandidiana. Nisy ampondra 40 000 teo ho eo notsaboina tao, tamin’ny 2002.

Nitaingina ampondra i Abrahama, loham-pianakaviana fahiny, rehefa nitety havoana ho any amin’ny Tendrombohitra Moria. (Genesisy 22:3) Nampiasaina tamin’ny fiainana andavanandro ny ampondra, tamin’ny andron’ny Israely fahiny. Nitaingina ampondra koa i Jesosy Kristy, rehefa niditra tamim-boninahitra tany Jerosalema.—Matio 21:1-9.

Efa hatramin’ny ela koa no nampiasaina teto Etiopia ny ampondra. Mbola zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny olona foana anefa izy io. Niova endrika ny kamiao sy ny fiara nandritra ireo taona maro, fa tsy niova mihitsy kosa ny ampondra. Biby mendrika ny hohajaina tokoa izy ireo!

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

‘The Donkey Sanctuary’, Sidmouth, Devon, UK