Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataon’i Jesosy?

Inona no Hataon’i Jesosy?

Inona no Hataon’i Jesosy?

“INDRO, fa araka ny fahamarinana no hanjakan’ny mpanjaka.” Mahakasika ny Fanjakan’i Jesosy io fampanantenana io. Maro ny fampanantenana mampahery toy io ao amin’ny Baiboly. Ity, ohatra, misy iray hafa: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. ... Ho zava-dehibe eo imasony ny rany.”—Isaia 32:1; Salamo 72:12-14.

Iza no sahy hilaza fa tsy mila fanjakana manao ny marina toy izany ny olona eran-tany? Nampirisika ny mpianany hitadidy foana momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Nampianariny hivavaka izy ireo hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:9, 10.

Porofo fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra

Ahoana no ahalalantsika ny fotoana hahatongavan’ilay Fanjakana angatahina amin’io vavaka io? Te hahalala izany ny mpianatr’i Jesosy voalohany, ka nanontany azy hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao [na ny fotoana hanjakanao] sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Hoy i Jesosy: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ... ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa. Izany rehetra izany no fiandohan’ny fahoriana.” Nampitandrina koa izy hoe: “Hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.”—Matio 24:3-12.

Izao koa no voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly: “Amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hiavonavona, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.”—2 Timoty 3:1-5.

Azo inoana fa ekenao hoe efa mitranga daholo ireo izao. Miaina ao anatin’ny “andro farany” tokoa isika. Be dia be ny porofo mampiseho fa ankehitriny no tanteraka ity faminaniana ao amin’ny Baiboly ity: “Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”—Daniela 2:44.

Hofoanan’ny Fanjakan’ilay “Andrian’ny fiadanana” ny zava-drehetra manembantsembana ny fiadanan’ny olona ho tafavoaka velona amin’ny fandringanana an’ity tontolo ity. (Isaia 9:5) Mampanantena ny Baiboly hoe: “Mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Ho faly ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra rehefa tsy hisy intsony ity tontolo ratsy ity. Ho azon’izy ireo indray ny zava-drehetra nafoin’ny olombelona rehefa nikomy tamin’Andriamanitra i Adama sy Eva razambentsika.

Hanao ahoana ny fiainana tsy ho ela?

Hoy i Jesosy: “Amin’ny fotoan’ny fanavaozana, dia hipetraka eo ambony seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona.” (Matio 19:28) Inona io “fanavaozana” io? Misy Baiboly mandika azy io hoe “fanavaozana ny zava-drehetra.” (Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena) Miantso azy io hoe “ilay tontolo ho avy” ny andinin-teny hafa. (Lioka 18:30) Rehefa tonga ny fotoanan’ny fanavaozana, dia hampiasa ny fahefana nomen’Andriamanitra azy i Jesosy, ilay Andrian’ny fiadanana, ka hanome fiainana mandrakizay an’izay rehetra mino ny vidim-panavotany.—Jaona 5:21.

Hitovy amin’ny fiainan’i Adama sy Eva tamin’izy ireo napetrak’Andriamanitra tao amin’ny Paradisa, ny fiainan’ny olona ao amin’ny tontolo vaovao. Tadidio fa nasain’Andriamanitra niteraka izy mivady, ka ‘hameno ny tany sy hampanompo azy.’ Hanitatra an’ilay Paradisa tao Edena hanerana ny tany manontolo no asa nasaina nataony! (Genesisy 1:28) Toy izany koa no hitranga amin’ny fotoanan’ny fanavaozana. Hameno ny tany ny olona tafavoaka velona amin’ny fandringanana an’ity tontolo ity. Ho eo koa ny zanak’izy ireo sy ny olona natsangana tamin’ny maty. Hasaina hanova ny tany ho paradisa izy rehetra, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany.

Aseho an-tsary eto ny fitahiana sasany resahin’ny Baiboly fa ho azon’ny olona ao amin’io tontolo vaovao hitoeran’ny fahamarinana io.—2 Petera 3:13.

Toa sarotra inoana ireo fampanantenana ireo. Tena ho tanteraka anefa ireo ao amin’ilay “tontolo ho avy.” Noresahin’i Jesosy tao amin’ny vavaka iray ny zavatra tsy maintsy ataon’ny olona raha tiany ny hahazo ireo fitahiana ireo. Hoy izy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Maro ny olona manetry tena, ka mitady io fahalalana ahazoana fiainana mandrakizay io. Enga anie ianao ka ho anisan’izy ireo!

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Ny anarany atao hoe ... Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.”—Isaia 9:5, 6

[Sary, pejy 8, 9]

Hanana Trano sy Asa ny Olon-drehetra

‘Hanao trano ny olona ka hitoetra ao. ... Tsy hamboly zavatra hohanin’olon-kafa izy.’—Isaia 65:21, 22.

Hahazo Sakafo Be dia Be

“Ny tany efa nahavokatra.” “Hahavoka-bary betsaka ny tany.”—Salamo 67:6; 72:16.

Hilamina ny Tany Rehetra ka Hihavana Hatramin’ny Biby

“Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry; ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; ... ary ny zazakely no hiroaka azy.”—Isaia 11:6.

Tsy Hisy Intsony ny Ady, Hiadana Mandrakizay ny Olona

“Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.”—Isaia 2:4; 9:6.

Ho Velona Indray ny Maty

“Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon[’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

Tsy Hisy Harary na ho Faty Intsony

“Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho.” “Tsy hisy fahafatesana intsony, ... efa lasa ny zavatra taloha.”—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3, 4.