Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mankalaza ny Fetin’ny Renibe ve Ianao?”

“Mankalaza ny Fetin’ny Renibe ve Ianao?”

“Mankalaza ny Fetin’ny Renibe ve Ianao?”

VAO maraina tamin’izay, tao anatin’ny ririnina namirifiry. Niandry lamasinina i Natalia, ankizivavy 16 taona, any Polonina. Nanatona azy ny mpanao gazety roa, ary nanontany azy hoe: “Mankalaza ny Fetin’ny Renibe ve Ianao?”

Any Polonina dia andro manokana avokoa ny Fetin’ny Renibe, ny Fetin’ny Raibe, ny Fetin’ny Reny, ny Andron’ny Vehivavy, ary ny Andron’ny Mpampianatra. Matetika ny ankizy kely no manoratra taratasy firarian-tsoa ho an’ny raibeny na ny renibeny, rehefa tonga ny Fetin’ny Raibe sy ny Fetin’ny Renibe. Ny ankizy efa lehibe kosa manolotra fanomezana na voninkazo.

Tsy hitan’i Natalia izay havaly an’ilay fanontaniana, tamin’ny voalohany. Izao anefa no navaliny an’ireo mpanao gazety, rehefa avy nivavaka mangina izy: “Vavolombelon’i Jehovah aho, ary tsy mankalaza ny Fetin’ny Renibe izahay.” Somary gaga ireo mpanao gazety. Nitsiky i Natalia avy eo, ary niteny hoe: ‘Miara-mipetraka amin’ny renibeko aho, ka afaka manolotra voninkazo ho azy, miresaka aminy, ary maneho fankasitrahana azy foana isan’andro, noho izy tsara fanahy. Nahoana aho no hiandry isan-taona ihany vao hanao izany aminy?’

Talanjona ireo mpanao gazety rehefa nandre izany teny voahevitra tsara izany. Ary mety ho toy izany koa ianao. Nivoaka tamin’ny gazety ny tenin’i Natalia sy ny sariny ny ampitso marainan’iny.

Moa ve iny zava-nitranga iny tsy mahatonga anao hanontany tena hoe: ‘Vonona hanazava ny anton’ny zavatra inoako sy ny anton’ny fitondran-tenako koa ve aho, raha sendra misy manontany?’ Hitady fomba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, ny olona tena mpivavaka aminy, ka ho vonona hatrany hanambara ny anton’ny zavatra inoany isaky ny afaka manao izany.—1 Petera 3:15.