Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Lehilahy Niavaka Indrindra Hatramin’izay

Ny Lehilahy Niavaka Indrindra Hatramin’izay

Ny Lehilahy Niavaka Indrindra Hatramin’izay

IZA no lehilahy niavaka indrindra hatramin’izay, araka ny hevitrao? I Noa ve? Izy ilay tafavoaka velona tamin’ny Safodrano, ary lasa razambentsika rehetra. (Genesisy 7:1, 21, 22; 9:18, 19) Sa i Nebokadnezara, ilay mpitondra nahery indrindra tamin’ny androny, sady nanorina an’ilay tanàna tsara tarehy nantsoiny hoe Babylona Lehibe? (Daniela 4:25-27) Sa kosa i Aleksandra Lehibe, izay voalaza mialoha ao amin’ny Baiboly mihitsy ny ho zava-bitany? (Daniela 8:5-8, 21, 22) Sa i Jules César, ilay mpitondra romanina malaza?

Efa ho 45 taona taorian’ny nahafatesan’i Jules César, dia nisy zazakely natao hoe Jesosy teraka tany Betlehema. Izy ve no lehilahy niavaka indrindra hatramin’izay? Zato taona lasa teo ho eo izay, dia hoy ilay boky hoe Ny Tantaran’izao Tontolo Izao Nosoratan’ny Mpahay Tantara (anglisy): “Ny zavatra nataon[’i Jesosy] no nisy vokany lehibe kokoa teo amin’ny olombelona, raha oharina amin’ny zava-bitan’ny olo-malaza hafa rehetra. Miombon-kevitra amin’izany na dia ny olona tsy mpivavaka aza. Eken’ny firenena mandroso indrindra eran-tany, fa nisy vanim-potoana vaovao nanomboka tamin’ny fotoana nahaterahan[’i Jesosy].”

Mbola mahaliana ny olona foana ny momba an’i Jesosy Kristy hatramin’izao. Taona vitsivitsy lasa izay, dia niara-namoaka lahatsoratra manokana momba azy ny gazety amerikanina telo malaza, dia ny gazety Fotoana, Herinandrom-baovao, ary Vaovaon’i Etazonia sy Tatitra Momba An’izao Tontolo Izao. Toa vao mainka aza mahaliana ny olona ny momba an’i Jesosy. Hoy ny gazety Ny Kintani Toronto (anglisy), tamin’ny 2004: “Mbola misy heriny eo amin’ny filma sy ny mozika ary ny lamaody izy, ka lasa anisan’ny olo-malaza.”

Mahagaga anefa fa nisy olona nilaza hoe tsy nisy i Jesosy. Anisan’izany ilay mpampianatra malaza atao hoe Bruno Bauer (1809-1882). Mpianany ilay filozofa alemà malaza atao hoe Karl Marx. Vao haingana, dia hoy i Robert Van Voorst tao amin’ilay bokiny hoe Boky Ankoatra ny Testamenta Vaovao Miresaka An’i Jesosy (anglisy): “Nampidirin’i Marx ho anisan’ny fampianarany koa ilay fampianaran’i Bauer hoe tsy tena nisy i Jesosy. Nampiely izany tamin’ny alalan’ny boky navoakany ny manam-pahefana sovietika, tatỳ aoriana. Nanao izany koa ny Kominista hafa rehefa nanao fampielezan-kevitra.”

Vitsy anefa ankehitriny no hilaza fa tsy nisy i Jesosy. Manaiky daholo ny ankamaroan’ny olona fa nisy tokoa izy ary tena niavaka. Izao no lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Gazetin’i Wall Street (anglisy), tamin’ny Desambra 2002: “Tsy Afaka Milaza ny Mpahay Siansa fa Tsy Nisy i Jesosy.” Hoy ilay nanoratra azy io: “Manaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa olona tena nisy i Jesosy avy any Nazareta. Ireo tsy mino an’Andriamanitra ihany no mandà izany. Vitsy ihany anefa izy ireo.”

Tsy olon-tsotra fotsiny anefa i Jesosy. Hoy ny gazety Fotoana: “I Jesosy avy any Nazareta no nisy heriny indrindra teo amin’ny olombelona, tsy tato anatin’ny roa arivo taona ihany, fa nandritra ny tantara manontolo mihitsy. Tsy hisy ho afaka hanaporofo mihitsy fa diso izany.” Hoy koa io gazety io: “Maro be ny porofo manamarina, fa ny zavatra nataon’i Jesosy irery ihany no nisy vokany lehibe sy maharitra teo amin’ny olona.”

Mbola mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: Iza marina i Jesosy? Avy aiza izy? Inona no tanjony? Ary nahoana isika no tena mila mahalala zavatra betsaka araka izay azo atao momba azy?