Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ratsy ve ny Misotro Toaka?

Ratsy ve ny Misotro Toaka?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Ratsy ve ny Misotro Toaka?

“MPANIRATSIRA ny divay, ary mpitabataba ny toaka, koa izay miraikiraiky azon’izany dia tsy hendry.” Midika ve io teny ao amin’ny Ohabolana 20:1 io, fa ratsy ny misotro toaka na zava-pisotro misy alkaola? Izany no hevitry ny olona sasany. Te hanamarina ny heviny izy ireo ka miresaka momba ireo olona ao amin’ny Baiboly izay nanao hadalana, noho ny zava-pisotro misy alkaola.—Genesisy 9:20-25.

Eo koa ireo loza ateraky ny fisotroana tafahoatra. Anisan’izany ny lozam-pifamoivoizana, olana ara-bola, karazan’aretina toy ny aretin’aty, fampijaliana vady aman-janaka, ary takaitran’ny zaza ao am-bohoka. Mety ho noho ireo voka-dratsy ireo no mahatonga “ny antokom-pivavahana maro hampianatra fa tsy mety ny misotro toaka na zava-pisotro misy alkaola”, araka ny voalazan’ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy). Tsy mety mihitsy ve anefa ny misotro toaka na zava-pisotro misy alkaola? Raran’ny Baiboly ve ny zava-pisotro misy alkaola rehetra, na dia kely ihany aza no sotroina?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tena mampitandrina antsika amin’ny voka-dratsin’ny fisotroana tafahoatra ny Baiboly. Mananatra antsika, ohatra, ny Efesianina 5:18 hoe: “Aza mba mamon-divay, fa amin’izany dia misy filibana.” Hoy koa ny Ohabolana 23:20, 21: “Aza misakaiza amin’izay mpiboboka divay sy izay fatra-pitia hena; fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena.” Ary hoy ny Isaia 5:11: “Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay!”

Milaza koa ny Baiboly fa mahasoa sy mahafinaritra ny misotro azy ireny, raha mahalala onony isika. Milaza, ohatra, ny Salamo 104:15 fa anisan’ny fanomezan’Andriamanitra ny “divay izay mampifaly ny olona.” Ary lazain’ny Mpitoriteny 9:7 fa valisoa ho an’ny olona miasa tsara ny ‘mihinana ny haniny amin’ny fifaliana’, sy ‘misotro ny divainy amin’ny fo falifaly.’ Fantatr’i Paoly fa azo atao fanafody ny divay, ka nampirisika an’i Timoty izy hoe: “Aza misotro rano intsony fa divay kely sotroina, noho ny vavoninao sy noho ny tsy fahasalamanao matetika.” (1 Timoty 5:23) Voaresaka ao amin’ny Baiboly koa fa afaka manampy ny olona hiatrika fahoriana ny zava-pisotro misy alkaola.—Ohabolana 31:6, 7.

Hita avy amin’izany fa tsy raran’ny Baiboly ny fisotroana toaka na zava-pisotro misy alkaola. Ny fisotroana tafahoatra sy ny fimamoana kosa no rarany. Izany no nahatonga an’i Paoly hananatra ny mpiandraikitra kristianina sy ny mpanampy amin’ny fanompoana ary ny vehivavy zokiolona, mba tsy ‘hiboboka divay.’ “Divay kely” fotsiny koa no nasainy nosotroin’i Timoty. (1 Timoty 3:2, 3, 8; Titosy 2:2, 3) Tokony hotadidin’ny Kristianina rehetra fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny “mpimamo.”—1 Korintianina 6:9, 10.

Tsara homarihina fa ampifandraisin’ny Baiboly ny hatendan-kanina sy ny fimamoana. Samy melohiny ny olona “mpandany sy fileony”, izany hoe tendan-kanina sy mamo lava. (Deoteronomia 21:20) Raha midika izany fa tsy azo atao mihitsy ny misotro toaka, dia tokony hidika koa izany hoe tsy azo atao mihitsy ny mihinan-kanina na kely aza. Tsy ratsy anefa ny mihinana sy misotro raha mahalala onony isika. Raran’ny Baiboly kosa izany raha tafahoatra ka lasa mamo sy tendan-kanina isika.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

Nilaza ny apostoly Petera fa nanome “modely ho [antsika]” i Kristy ‘mba hanarahantsika tsara ny diany’, ary “tsy nanota izy.” (1 Petera 2:21, 22) Ahoana àry no niheveran’i Jesosy ny zava-pisotro misy alkaola? Mariho fa nanova ny rano ho divay i Jesosy, tamin’ny fahagagana voalohany nataony. Nanao ahoana ny hatsaran’io divay io? Nidera an’ilay mpampakatra ny ‘mpiandraikitra ny fanasana’, rehefa niresaka momba an’ilay divay azo tamin’ny fomba mahagaga. Hoy izy: “Ny an’ny olona rehetra, ny divay tsara aloha no avoaka, ary rehefa mamo ny olona vao avoaka ny ratsiratsy. Ny anao kosa, ny divay tsara no notahirizinao hatramin’izao.”—Jaona 2:9, 10.

Nisotro divay ny Jiosy rehefa nankalaza ny Paska. Nampiasa divay koa i Jesosy tamin’ny fankalazana voalohany ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Nanolotra kaopy nisy divay tamin’ny mpianany izy sady nilaza hoe: “Misotroa amin’ity ianareo rehetra.” Fantany fa akaiky ny fotoana hahafatesany, ka hoy izy: “Tsy hisotro intsony amin’itony vokatry ny voaloboka itony aho, mandra-pahatongan’ny andro hisotroako divay vaovao miaraka aminareo, ao amin’ny fanjakan’ny Raiko.” (Matio 26:27, 29) Fantatry ny olona àry fa nisotro divay i Jesosy.—Lioka 7:34.

Inona no tokony hataontsika?

Hitantsika àry fa tsy mandrara ny fisotroana toaka na zava-pisotro misy alkaola ny Baiboly. Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy misotro isika. Misy antony maro mahatonga ny olona hifady toaka. Fantatry ny olona mpisotro be taloha, ohatra, fa hisy vokany ratsy eo aminy ny fisotroana na kely fotsiny aza. Hifady toaka koa angamba ny vehivavy bevohoka sao hitondra takaitra ny zanany. Mety tsy hisotro koa ny olona hitondra fiara mba tsy hampidi-doza ny ainy sy ny ain’olon-kafa. Mahatonga ny olona tsy hisaina tsara sy hiadam-pihetsika kokoa mantsy ny toaka.

Tsy irin’ny Kristianina ny hanafintohina an’ireo mihevitra fa tena ratsy ny misotro toaka. (Romanina 14:21) Tsy hikasika zava-pisotro misy alkaola mihitsy ny Kristianina rehefa hitory sy hampianatra Baiboly. Tsara homarihina fa teo ambanin’ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita, dia tsy nahazo ‘nisotro divay na toaka’ ny mpisorona rehefa nanao ny fanompoany. (Levitikosy 10:9) Voarara koa ny zava-pisotro misy alkaola any amin’ny tany sasany, ka tokony hankatò izany lalàna izany ny Kristianina mipetraka any.—Romanina 13:1.

Marina fa ny tsirairay no hanapa-kevitra na hisotro izy na tsia, ary anjarany ny mametra ny habetsahan’izay sotroiny. Mampirisika antsika hahalala onony foana anefa ny Baiboly. Izao no lazainy: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 10:31.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

Inona no ampitandreman’ny Soratra Masina antsika momba ny zava-pisotro misy alkaola?—1 Korintianina 6:9, 10.

Nisotro zava-pisotro misy alkaola ve i Jesosy Kristy?—Lioka 7:34.

Inona no toro lalana arahin’ny Kristianina rehefa mihinana sy misotro?—1 Korintianina 10:31.