Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiany ny Zavatra Nianarany

Tiany ny Zavatra Nianarany

Tiany ny Zavatra Nianarany

NANORATRA taratasy ny vehivavy iray voan’ny kansera, talohan’ny nahafatesany tamin’ny Mey 2004. Vao haingana no nisy nahita io taratasiny io. Tsy vitan’ilay vehivavy hatramin’ny farany ilay izy, satria nihombo tampoka angamba ny aretiny. Tsy nahavita nandefa ilay taratasy koa izy. Na izany aza, dia latsa-dranomaso ny olona namaky an’io taratasy io tatỳ aoriana, ary nihanatanjaka ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra.

I Susan no anaran’ilay mpanoratra. Nolazainy tao fa 14 taona izy, tamin’izy niantso an-telefaonina voalohany ny anti-panahy kristianina iray teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Connecticut, Etazonia. Notantarainy, avy eo, ny zavatra niainany tamin’ny fotoana naha zatovo azy. Tamin’ny Novambra 2005 no nomena ny reniny io taratasy mampihetsi-po io, ary izy no nandefa dika mitovy tatỳ amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah eto New York.

Nilaza i Susan tao amin’ilay taratasy, fa tao amin’ny boky fitadiavana nomeraon-telefaonina no nahitany ny nomeraon-telefaonin’ilay anti-panahy, tamin’ny 1973. Hoy izy: “Efatra ambin’ny folo taona aho, tamin’io. Namaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! aho, ka resy lahatra fa nahita ny fahamarinana. Mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy anefa aho, ka nitady azy ireo tao amin’ny boky fitadiavana nomeraon-telefaonina. Izay nomerao [teo amin’ny faritra nisy anay] no nantsoiko. Ny Anadahy Genrich no tafaresaka tamiko, ary gaga izy rehefa nahafantatra fa mbola tsy nihaona tamin’ny Vavolombelona mihitsy aho.” *

Olana lehibe

Nohazavain’i Susan fa nasaina nipetraka tany amin’ny rahavavin-dreniny tany Connecticut izy, tamin’izy folo taona. Tokony ho vetivety ihany izy no tany, saingy tatỳ aoriana, dia nilazany ny reniny, izay nipetra-drery tany Floride, fa hijanona any amin’ny nenitoany izy. Milaza i Susan ao amin’ny taratasiny fa toy ny olona voan’ny “aretin’i Stockholm izy, izany hoe olona manjary tia ny mpampijaly azy.” * Tena nahatsiravina ny fampijaliana azy.

Hoy i Susan, tao amin’ny taratasiny: “Nampijaly mafy ahy ny nenitoako sy ilay sakaizany. Vitsy koa ny vahiny nahazo niditra tao an-trano. Tsy nomena sakafo antoandro aho, sady tsy nampanaovina akanjo tsara rehefa navela handeha hianatra, na dia nanome vola be aza i Neny mba hikarakarana ahy. Tsy nanana akanjo fanao anatiny afa-tsy ny teny an-koditro aho. Zandriko taona vitsivitsy izy mirahavavy, zanak’i Nenitoa, nefa nanana ny zava-drehetra.” Nitantara izany i Susan mba hanazavana fa nampoiziny ny hoe tsy maintsy hijaly izy, rehefa ho fantatr’io nenitoany io ny faniriany hianatra misimisy kokoa momba ny Baiboly.

Ny fomba nianaran’i Susan ny Baiboly

Hoy i Susan: “Nampifankahalalain’ny Anadahy Genrich tamiko i Laura, rahavavy kristianina matotra. Nandany fotoana be dia be izy mba hamaliana ireo fanontaniana maro napetrako momba ny Baiboly. Tany amin’ny toerana fanasan-damba izahay matetika no niresaka.” Nanazava i Susan fa mbola tsy nanapa-kevitra samirery mihitsy izy talohan’izay, na tamin’ny lafiny inona na tamin’ny lafiny inona. Nanao izany anefa izy, taorian’ireny dinidinika ireny sy taorian’ny namakiany an’ilay boky ara-baiboly hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.

Hoy koa izy tao amin’ilay taratasy: “Nilazako i Nenitoa, indray zoma alina, fa miara-midinika amin’ny Vavolombelon[’i Jehovah] aho. Notereny hijoro teo afovoan’ny lakozia mandra-paharainan’ny andro aho. Tapa-kevitra tanteraka aho, taorian’izay, fa ho tonga Vavolombelona.”

Nanomboka tamin’io dia nanome boky an’i Susan foana ny Rahalahy Genrich mba hanampiana azy hahafantatra tsara ny Baiboly. Hoy i Susan: “Tsy afaka tao an-tsaiko ny fitantarana tao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1974. Tantaraina ao mantsy ny fomba niaretan’ireo Vavolombelona tany Alemaina ny fanenjehana, teo ambany fitondrana nazia talohan’ny Ady Lehibe II sy nandritra izany. ... Tamin’izay aho no niresaka tamin’ilay anti-panahy mba handray feo ny hiran’ilay Fanjakana hahafahako hianatra azy. Tao anatin’ny herintaona dia haiko daholo ny hira rehetra miisa 119, tao amin’ilay fihirana nivoaka tamin’ny taona 1966, mitondra ny lohateny hoe ‘Mihira sy Mikalo ao Am-ponareo.’ ”

“Nomen-dRanadahy Genrich kasety mirakitra lahateny ara-baiboly sy fampisehoana tantara ary lahateny tamin’ny fivoriambe koa aho. Napetrany teo akaikin’ny andrin-telefaonina teo amin’ny Lalana Faha-10 izy ireny, ary teo aho no naka azy. ... Nanomboka kivy aho tamin’izay, satria nanao fandrosoana be dia be araka izay vitako, nefa mbola tsy nanatrika na dia fivoriana iray aza. Tsy nanan-kery hanohizana ilay ezaka mafy nataoko intsony àry aho.”

Nilaza i Susan fa tena mafy taminy ireo roa taona nanaraka. Tsy nifandray intsony tamin’ireo Vavolombelona roa, hany mba fantany, izy. Nilaza anefa izy fa ‘nanjary nanelingelina ny eritreriny ireo hira rehetra nianarany.’ Nahoana? Hoy izy: “Nitamberina tao an-tsaiko ny tonon’ireo hira, anisan’izany ny hoe ‘Ny miaramila tsy mba mikatsaka na ny harena na ny voninahitra.’ Fantatro fa Vavolombelona tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina no nanoratra io hira io, nandritra ny Ady Lehibe II. Koa vao mainka nanenjika ahy ny eritreritro. Toy ny kanosa no fahatsapako ny tenako, ary nihevitra aho fa nandao ahy i Jehovah.” *

Afaka ihany nony farany

“Tamin’ny andro nahafeno 18 taona ahy, no nitrangan’ny fiovana lehibe teo amin’ny fiainako. Tsy nisy Vavolombelona nitsidika ny tranonay nandritra ny taona maro, satria anisan’ireo nangataka mba tsy hotsidihina ny tao aminay. Nisy Vavolombelon’i Jehovah avy tamin’ny fiangonana hafa anefa tonga tao aminay tamin’io andro io, ary afaka niresaka taminy aho satria izaho irery no tao an-trano. Sambany aho vao mba irery tao an-trano tamin’ny andro asabotsy. Nanaporofo tamiko izany fa tsy nandao ahy i Jehovah. Nitelefaonina an-dRanadahy Genrich, ilay nantsoiko tamin’ny voalohany, àry aho, ary nilaza taminy fa vonona hiala tao an-trano. Nangataka soso-kevitra taminy koa aho. Afaka niala tao an-trano aho nony farany, satria nahazo fanampiana.”

Nifindra tany an-toeran-kafa i Susan tamin’ny Aprily 1977. Toy izao no tohin’ny taratasiny: “Ela ny ela ka afaka nanatrika ny fivoriana sy ny fivoriambe rehetra aho, ny taona nanaraka, ary lasa mpitory. Nifandray tamin’ny reniko indray aho. Taitra be izy rehefa fantany fa nampijalina mafy aho nandritra ireo taona maro lasa. Nanao zavatra avy hatrany izy ka nanao izay hahazoako izay rehetra nilaiko. Nifindra tany Alaska i Neny, taona vitsivitsy talohan’izay. Tena liana tamin’ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly izy, ka nifindra tany aminy, tany Alaska aho, tamin’ny 1978. Lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, tatỳ aoriana, ary mbola mahatoky hatramin’izao.”

“Nikarakara dia ho any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, New York, ny Anadahy Genrich taorian’ny nanombohako nanatrika ireo fivoriana, ary anisan’ireo nasainy aho. Iray amin’ireo fanomezana nateza indrindra nomen’olona ahy izany, satria nahatonga ahy hankasitraka ny fandaminan’i Jehovah hatramin’izao. Izay no tantarako. Nofintiniko ilay izy satria te hamita ara-potoana an’ity [taratasy ity] aho.”

Pejy enina sy tapany ny taratasin’i Susan, fa ampahany ihany ireo eo ambony ireo. Izao no nosoratany tany amin’ny faramparan’ilay izy: “Tany amin’ny hopitaly aho tamin’ny volana lasa ary nihombo be ny aretiko. Azoko antoka fa tsy maintsy ho faty aho. ... Mivavaka amin’i Jehovah aho mba homeny fahasalamana mandritra ny roa herinandro monja, hahafahako hikarakara zavatra sasany. ... Mihevitra aho fa tsy haharitra ela intsony. Tsy maintsy lazaiko anefa fa tena nahafinaritra ahy ireo taona naha tao amin’ny fahamarinana ahy. Izany no fiainana tsara indrindra.”

Tsy misy teny firarian-tsoa na sonia eo amin’ny faran’ilay taratasy, sady tsy nalefa rahateo ilay izy. Tsy fantatr’ireo nahita an’ilay taratasy koa hoe iza no tokony handefasana azy io. Araka ny voaresaka tetsy aloha anefa dia nalefa tany amin’ny renin’i Susan ilay izy, tatỳ aoriana.

Iza moa i Susan?

Taorian’ny batisan’i Susan tamin’ny 14 Aprily 1979, dia niverina tany Floride ny reniny. Nijanona tany Alaska kosa i Susan, satria nanjary niraiki-po tamin’ireo anisan’ny Fiangonana Tendrontany Avaratra. Nanomboka nanao fanompoana manontolo andro na mpisava lalana izy, fotoana fohy taorian’izay. Nifindra tany Floride izy tatỳ aoriana, ary nanambady anti-panahy iray, tamin’ny 1991. Mpisava lalana koa izy io, ary maty taoriana kelin’ny nahafatesan’i Susan.

Tena tian’ny olona i Susan sy ny vadiny. Niara-nanao fanompoana manontolo andro foana izy mivady mandra-pahatongan’ny fotoana nahararian’i Susan, ka tsy nahafahan’izy ireo nanohy intsony. Nanao fanompoana manontolo andro nandritra ny 20 taona mahery i Susan. Nampitaina mivantana tamin’ny alalan’ny telefaonina tany amin’ny Fiangonana Tendrontany Avaratra ny lahatenim-pandevenana an’i Susan tany Floride.

Noho iny taratasin’i Susan iny, dia vao mainka isika miaiky fa tena sarobidy ny fitahiana raisin’ireo manompo an’i Jehovah sy manantena ny fitsanganana amin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 24:15) Hita avy amin’iny tantaram-piainan’i Susan iny koa fa akaiky an’izay rehetra manatona azy Andriamanitra!—Jakoba 4:7, 8.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Maty tamin’ny loza nahatsiravina iray ny Rahalahy Genrich sy ny vadiny, tamin’ny 1993.

^ feh. 6 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) 22 Desambra 1999, pejy 7.

^ feh. 13 Mihirà Fiderana ho an’i Jehovah, Hira 29, “Mandrosoa, ry Vavolombelona!”

[Teny notsongaina, pejy 23]

“Tena nahafinaritra ahy ireo taona naha tao amin’ny fahamarinana ahy. Izany no fiainana tsara indrindra.”

[Sary, pejy 21]

Susan, tamin’izy folo taona

[Sary, pejy 23]

Susan sy James Seymour, vadiny