Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Toa An’ilay Zanaka Adala Aho Taloha

Toa An’ilay Zanaka Adala Aho Taloha

Toa An’ilay Zanaka Adala Aho Taloha

Notantarain’i Meros William Sunday

Mbola kely aho dia efa nampianarina ho tia an’Andriamanitra. Nikomy anefa aho rehefa 18 taona, ary niala tao an-trano. Niaina toa an’ilay zanaka adala tao amin’ny fanoharan’i Jesosy aho, nandritra ny 13 taona. (Lioka 15:11-24) Lasa mpivarotra zava-mahadomelina aho, ary saika potika tanteraka ny fiainako. Aleo hotantaraiko izay nahatonga ahy hiova sy hiverina amin’i Jehovah indray.

TERAKA tamin’ny 1956 aho, ary Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko. Sivy mianadahy izahay, ka izaho no faharoa. Nipetraka tany Ilesha, any amin’ny faritra atsimoandrefan’i Nizeria izahay. Notezaina tamin’ny fivavahana katolika i Dada, nefa nomen’ny dadatoany an’ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra * izy, tamin’ny 1945. Nitady Vavolombelon’i Jehovah izy, rehefa avy namaky an’ilay izy. Natao batisa izy tamin’ny 1946, ary natao batisa koa i Neny taoriana kelin’izay.

Tadidiko fa nafana fo erỳ aho niara-nitory tamin’ny ray aman-dreniko, tamin’izaho mbola kely. Tena nino aho hoe nisy i Jehovah. Nampianatra Baiboly ahy i Dada. Nampianatra ahy koa indraindray i Alice Obarah, vadin’ny mpiandraikitra ny faritra nitsidika ny fiangonanay. Tian’ny ray aman-dreniko ho lasa mpitory manontolo andro aho. Nampirisika ahy hamita fianarana teny amin’ny lise anefa aloha i Neny.

Ninamana tamin’ny ankizy tsy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly aho, raha vao nianatra teny amin’ny lise, tamin’izaho 16 taona. Hadalana tokoa izany! Tsy ela aho dia nanomboka nifoka sigara sy naloto fitondran-tena. Tsapako fa nifanohitra tamin’izay nianarako tany am-pivoriana ny zavatra nataoko, ka tsy nivory sy tsy nitory isan-trano intsony aho. Nalahelo be ny ray aman-dreniko, nefa tsy nampihontsina ahy izany.

Niala tao an-trano

Niala tao an-trano aho, roa taona monja taorian’ny nianarako tany amin’ny lise, ka niara-nipetraka tamin’ny namako teny akaikinay. Niditra mangingina tao an-trano aho indraindray, ka naka izay sakafo hitako ary avy eo nitsoaka. Tezitra i Dada ka tsy naloany intsony ny saram-pianarako. Nieritreritra izy hoe hampiova ahy izany.

Nahazo vatsim-pianarana avy tany Ekosy anefa aho tamin’izay. Niantohana àry ny saram-pianarako, ary nahazo fanomezana sy vola aho indraindray. Tsy nanompo an’i Jehovah intsony koa ny rahalahiko roa. Tena nampahory ny ray aman-dreniko izany rehetra izany. Imbetsaka i Neny no nitomany sady niangavy mafy ahy mba hiova. Tsy nampiova ahy anefa izany, na dia nahatsiaro tena ho meloka ihany aza aho.

Tany an-tanàn-dehibe

Vita ny fianarako tamin’ny 1977, ka nankany Lagos aho ary nahita asa tany. Nanao afera maizina aho tsy ela taorian’izay, ka nahazo vola ary nividy taxi. Nitombo ny vola azoko ka nanomboka nampiasa zava-mahadomelina aho, ary nandeha matetika tany amin’ny boîte de nuit sy trano fivarotan-tena. Tsy ela aho dia leon’ny fiainana tao Lagos, ka nankany Londres tamin’ny 1981. Nankany Belzika aho avy eo. Nianatra teny frantsay aho, ary niasa tapa-potoana tany amin’ny hotely. Nanondrana fiara sy fitaovana elektronika nanketo Nizeria anefa no tena nataoko.

Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Belzika i Dada, ary niangavy azy ireo handefa olona tany amiko mba handresy lahatra ahy hianatra Baiboly. Tsy nety nihaino an’izay Vavolombelona tonga tany amiko anefa aho. Nivavaka tany amin’ny fiangonana iray aho, satria nanome sakafo sy zava-pisotro izy ireo rehefa vita ny fotoam-pivavahana, ary afaka nanao fanatanjahan-tena samihafa izahay.

Lasa mpivarotra rongony

Nanondrana fiara iray tsara tarehy sy lafo vidy aho, tamin’ny 1982. Tonga teto Nizeria mihitsy aho mba hamoaka an’ilay izy teny amin’ny seranana. Tratran’ny mpiasan’ny doanina nizerianina anefa hoe hosoka ny taratasin’ilay fiara. Nigadra 40 andro aho noho izany. Nandoa onitra i Dada mba hanafahana ahy. Niverina tany Belzika indray aho, satria nila vola nikarakarana an’ilay raharaha tany amin’ny fitsarana. Nitondra entana hamidy aho, anisan’izany ny rongony be dia be. Nanjary za-draharaha tamin’ny fivarotana rongony aho, rehefa afaka madiodio tamin’ilay raharaha momba ny taratasy hosoka.

Tratra aho indray mandeha, tamin’izaho tany Holandy. Noroahin’ny tompon’andraikitry ny fifindra-monina aho, ary nalefany fiaramanidina nanketo Nizeria. Nifankahita tamin’ny mpivarotra rongony hafa aho teny ambony fiaramanidina, ka nifampiraharaha izahay fa hiombom-barotra. Nifindra tany amin’ny firenena hafa iray teto Afrika aho, tamin’ny Janoary 1984. Ny teny frantsay no ampiasaina any. Nahay an’io fiteny io aho, ka tsy ela dia nahazo namana polisy sy miaramila ary tompon’andraikitra momba ny fifindra-monina. Niara-niasa tamin-dry zareo izahay, ka afaka nanondrana rongony aman-taonina tany amin’io firenena io.

Voasambotra ary nigadra

Nahita olana indray aho tany. Tara mantsy vao tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina ilay kapiteny efa nifanaraka tamiko fa hanampy ahy hamoaka entana. Voasambotra àry aho. Novonovonoin’ny zandary sy nampijaliny aho, ka tsy nahatsiaro tena. Nentin’izy ireo tany amin’ny hopitaly aho, ary navelany irery tany. Nihevitra izy ireo fa ho faty aho. Velona anefa aho ka notsaraina. Voaheloka aho ary nigadra.

Nisy namako nasaiko niandry ny tranoko tamin’izaho nigadra. Namidiny daholo anefa ny entako ary tsy hita izay nalehany. Nivarotra rongony avy hatrany aho mba hivelomana, raha vao nivoaka ny fonja. Voasambotra indray anefa aho folo andro tatỳ aoriana, ary nigadra telo volana. Narary mafy aho rehefa vita ny saziko, ka saika maty indray. Afaka niverina tany Lagos ihany anefa aho.

“Nivarotra” indray

Nihaona tamin’ny mpiara-mivarotra tamiko sasany aho tany Lagos. Nankany Inde izahay, ary nividy herôinina nitentina enina hetsy dolara (maherin’ny 1 200 tapitrisa ariary). Nankany Soisa izahay rehefa niala tao Bombay (Mumbai ankehitriny), avy eo tany Portogaly, ary tany Espaina tamin’ny farany. Nahazo tombony be daholo izahay, ary samy nanao izay hodiana tany Lagos. Nanondrana rongony indray aho tamin’ny faramparan’ny 1984. Ny hahazo iray tapitrisa dolara ka hipetraka any Etazonia no mba nofinofiko.

Tamin’ny 1986, dia nangoniko avokoa ny vola azoko, ka nividy herôinina tsisy fangarony tany Lagos aho. Nentiko tany amin’ny firenena hafa iray ilay izy, kanjo lasan’ny mpivarotra rongony tia vola loatra, ary tsy nomeny vola aho na kely aza. Natahotra aho sao hisy hamono, ka niverina tany Lagos ary tsy nilazalaza izay nanjo ahy. Fongana ny fananako ary kivy tanteraka aho. Izay aho vao nipetraka ary nieritreritra ny antony isian’ny fiainana. Hoy aho anakampo: ‘Nahoana àry ny fiainako no mivadibadika be toy izao?’

Niverina tamin’Andriamanitra

Indray alina, taoriana kelin’izay, dia nangataka fanampiana tamin’i Jehovah aho. Gaga aho fa nisy mpivady be taona nandondona tao amiko, ny ampitso maraina. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Nihaino tsara azy ireo aho, ary nomeny gazety. Hoy aho: “Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreniko, ary efa nampianatra Baiboly ahy i Alice Obarah.”

Hoy ilay rangahy lehibe antsoina hoe Ogbanefe: “Fantatray tsara ry Obarah mivady. Manompo ao amin’ny biraon’ny sampana eto Lagos ry zareo izao.” Nampirisihiny hihaona tamin-dry Obarah mivady aho. Tena nampahery ahy ny nifankahita tamin-dry Obarah. Nampianatra Baiboly ahy ny Rahalahy Ogbanefe, taorian’izay. Tsy ela aho dia nanomboka nanova ny fiainako. Tsy mora ny nanao izany, satria efa ela be aho no nampiasa zava-mahadomelina. Tapa-kevitra anefa aho fa hiova, ary hadio fitondran-tena amin’izay.

Na izany aza dia maro be ny fakam-panahy, sady tena nahery ny fitaoman’ny namana! Imbetsaka ireo namako taloha no tonga tao an-tranoko nitaona ahy hivarotra rongony, ka saika nalaim-panahy hanaiky aho. Nisy fotoana aza niverenako nifoka sy naloto fitondran-tena mihitsy. Namboraka ny tao am-poko tamin’Andriamanitra aho. Tsy ela dia takatro fa tsy afaka manampy ahy ireo namako teto amin’ity tontolo ity, satria izy ireo ihany no nitarika ahy hanao ratsy. Hitako fa tsy maintsy niala tao Lagos aho raha te handroso tamin’ny fanompoako an’i Jehovah. Menatra ny hody tany Ilesha anefa aho. Na izany aza dia nanoratra tany amin’i Dada sy ny zokiko lahy ihany aho tamin’ny farany, ary nanontany azy ireo raha mahazo mody.

Nanome toky ahy i Dada fa horaisiny an-tanan-droa aho raha mody. Nilaza koa ilay zokiko lahy fa hanampy ahy ara-bola. Nody àry aho, folo taona taorian’ny nialako tao an-trano. Nandray ahy tsara ny fianakaviako. Faly i Neny sady nilaza hoe: “Misaotra Jehovah!” Tonga i Dada ny hariva, ka niteny hoe: “Hanampy anao i Jehovah.” Teo daholo izahay mianakavy tamin’izay. Nivavaka tamin’i Jehovah i Dada ary nangataka azy mba hanampy ahy, satria niverina hanao ny sitrapony indray aho.

Manonitra ny fotoana very

Nianatra Baiboly indray aho ary nandroso haingana, ka natao batisa tamin’ny 24 Aprily 1988. Avy hatrany aho dia nafana fo tamin’ny fitoriana. Nirotsaka ho mpisava lalana aho, na mpitory manontolo andro, tamin’ny 1 Novambra 1989. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-10 tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana natao teto Nizeria aho, tamin’ny 1995. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany aho tamin’ny Jolay 1998, ka mitsidika fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanambady an’i Ruth aho, herintaona taorian’izay, ary miara-mitsidika fiangonana izahay. Tena fitahiana ho ahy izy.

Nandroso tsara teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa ny fianakaviako sasany. Nanompo an’i Jehovah indray ny zokiko lahy iray, ary natao batisa. Faly aho fa nahita ny niverenanay tamin’ny fahamarinana i Dada. Mpanampy amin’ny fanompoana izy, ary faly nanao izany asa izany mandra-pahafatiny tamin’ny 1993, tamin’izy 75 taona. Mbola mazoto manompo an’i Jehovah any Ilesha i Neny hatramin’izao.

Nitety firenena 16 tany Eoropa sy Azia ary Afrika aho mba hitadiavana harena. Nanindrona ny tenako tamin-javatra maro mampanaintaina anefa aho tamin’izany. (1 Timoty 6:9, 10) Manenina mafy aho rehefa mitodika ny lasa, satria zava-mahadomelina sy fitondran-tena maloto no nandaniako ny fahatanorako. Manenina aho satria nampalahelo an’i Jehovah sy ny fianakaviako. Faly anefa aho fa mbola velona ela kokoa, ka afaka niova. Tapa-kevitra ny tsy hivadika amin’i Jehovah intsony aho ary hanompo azy mandrakizay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 13]

Tamin’izaho naditra

[Sary, pejy 15]

Tamin’ny batisako

[Sary, pejy 15]

Miaraka amin’i Ruth vadiko