Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
▪ “Efa ho ny antsasaky ny mpivady no miaiky fa nandainga tamin’ny vadiny momba ny fandaniam-bola nataony.”—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.
▪ “Atahorana ho lasa karakaina ny 84 isan-jaton’ny tany any Gresy, ary efa maina ny 8 isan-jatony.”—KATHIMERINI (ENGLISH EDITION), GRESY.
▪ Ny tanànan’i Lateu, any amin’ny Nosy Tegua, any Vanuatu, any Oseania, angamba no tanàna voalohany nilaozan’ny mponina, noho ny fiovan’ny toetrandro. Nafindra any an-toeran-kafa ilay tanàna manontolo. Matetika mantsy ireo trano no “saron’ny rano noho ny rivo-doza sy ny onja mahery.”—VANUATU NEWS, VANUATU.
Mihamaro ny Olona Mihoatra ny 100 Taona
Milaza ny gazety New Scientist fa tsy mahalana no ahitana olona mihoatra ny 100 taona. Misy 200 000 eo ho eo izy ireo eran-tany. Miavaka aza ny 66 aminy satria mahatratra 110 taona, araka ny voalazan’ilay gazety ihany. Milaza ny New Scientist fa sarotra indraindray ny manamarina ny taonan’ny olona toy ireny. ‘Mety ho azo tombanana ho 450 àry ankehitriny ny isan’ireo olona mahatratra 110 taona, fa ny taratasy manamarina izany fotsiny no tsy misy.’
Fantatra Ihany Ilay Aretina
Milaza ny gazety Maclean’s any Kanada, fa nanjary fantatra ny aretina iray fahiny, noho ny “fanangonana ADN avy tamin’ny nify, hita tao amin’ny lavaka fandevenana iray tany Atena.” Nilaza i Thucydide mpanoratra grika, tao amin’ny boky History of the Peloponnesian War, fa nisy areti-mifindra niely tany Atena, tamin’ny 430 T.K. tany ho any, ka resin’ny tanànan’i Sparte i Atena, tamin’ny ady nifanaovan’izy ireo. Tsy ampy ny fanazavan’i Thucydide, ka tsy fantatra ilay aretina tamin’izany. Afaka mitahiry mikraoba mandritra ny taonjato maro anefa ny nify, ka rehefa nodinihina ny tao anatiny, dia hitan’ny mpikaroka fa tefoedra ilay aretina tsy fantatra taloha.
Robot Mpitaingina Rameva
Malaza ny hazakazaka rameva any amin’ny Hoala Persika. Saika tsy nisy intsony anefa izy io rehefa nokianin’ny mpitaky ny zon’olombelona ny fampiasana ankizy hitondra rameva. Tokony ho latsaka ny 27 kilao anefa, hoy ny manam-pahaizana, ny mpitaingina rameva, raha tiana hatanjaka tsara ireo rameva. Na ny zatovo aza anefa tsy hilanja latsaka an’izany. Inona àry no vahaolana? Robot no ampiasaina hitaingina rameva. Namorona robot azo baikoina lavitra, milanja 27 kilao latsaka kely, ny manam-pahaizana soisa. Nanaovana lasely manokana ilay izy mba hipetrahany. Manana endrika sy feon’olombelona ilay robot, mba tsy hampahatahotra an’ilay rameva. Afaka mitongilangilana izy io nefa tsy mianjera, ary afaka mampiasa karavasy sy misintona lamboridy. Tian’ireo tompona rameva ny mampiasa azy io.
Naniry Ilay Voa efa ho 2 000 Taona
Nopotehin’ireo mpiady tamin’ny kroazada fahiny ny antrendry (palmie) tany Joda, izay nalaza ho tsara tarehy sy fialokalofana ary nampiasaina tamin’ny fitsaboana. “Vitan’ny manam-pahaizana israelianina anefa ny nampaniry voan’antrendry iray efa ho 2 000 taona”, hoy ny The New York Times. “Nomena anarana hoe Metosela ilay voa, izay nalaina avy tao amin’ny lavaka iray tany Masada”, tanàna mimanda resin’ny Romanina tamin’ny taona 73. Ny Pr. Elaine Solowey, manam-pahaizana momba ny fambolena amin’ny tany maina, no nanao izay hampitsimoka an’ilay voa. Nilaza izy fa raha antrendry vavy ilay izy dia hamoa ihany, saingy mbola afaka taona maro. ‘Tsy hamoa kosa ilay izy raha antrendry lahy, fa mba zava-mahaliana fotsiny.’