Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Zanaky ny Ray Aman-dreny Madio Indrindra”

“Zanaky ny Ray Aman-dreny Madio Indrindra”

“Zanaky ny Ray Aman-dreny Madio Indrindra”

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BREZILA

VOALAZA fa “zanaky ny ray aman-dreny madio indrindra” ny sira, satria ny “masoandro sy ny ranomasina” no niteraka azy. Marina tokoa izany, satria matetika ny sira no azo avy amin’ny ranomasina avela ho lasa etona eo amin’ny masoandro.

Mampahalaza an’i Rio Grande do Norte, eo amin’ny morontsiraka avaratratsinanan’i Brezila, ny famokarana sira. Tena mety tsara ho amin’izany ny toetrandro eto satria mafana. Tsy misy firy koa ny orana, ary maina foana ny rivotra. Saika avy eto avokoa ny sira rehetra ampiasaina manerana an’i Brezila, na sira efa voadio izany na tsia. Anisan’ny toerana famokarana sira eto Rio Grande do Norte ilay ao Areia Branca, tanàna kely amoron-tsiraka.

Fitsidihana toerana famokarana sira

Midadasika be ny ankamaroan’ny toerana famokarana sira, anisan’izany ilay ao Areia Branca. Matetika no gaga ny mpitsidika rehefa mahita ny velaran’izy io, arakaraka ny anatonany azy. Toa feno dobo marivo elanelanin’ny valamparia maro izay faritra rehetra taza-maso. Manjelanjelatra erỳ izy ireo tarafin’ny masoandro vao maraina. Natao hasiana ny ranomasina avela ho lasa etona ny ankamaroan’ireo dobo. Ny ambiny kosa hasiana izay sira azo, mandra-pahatongany ho toy ny kristaly.

Manopy fotsy avokoa izay jerena satria feno sira. Mamirapiratra mankarary maso izany noho ny taratry ny masoandro. Tsy maintsy manao solomaso mainty àry izay hitsidika an’ilay toerana. Avela hikoriana mankao ao amin’ireo dobo aloha ny ranomasina, mba hahazoana ranon-tsira marihitra. Misy valamparia sy vavahady hazo manasaraka ireo dobo, izay miisa 67 amin’ny fitambarany. Rano 650 litatra eo ho eo no lasa etona isaky ny iray segondra, noho ny hafanana sy ny rivotra! Mila 90 na 100 andro eo ho eo anefa vao ho lasa etona daholo ny rano rehetra.

Mamela sodioma sy klôro ilay ranomasina, rehefa lasa etona. Ireo no ao amin’ny sira fihinana. Misy karazana sira hafa koa anefa ao amin’ny ranomasina, saingy kely ihany ny fatrany. Anisan’izany ny kalsioma sy karibonetra, kalsioma sy solfata, ary solfata sy manezioma. Tsy mitovy ny fotoana isarahan’ireo sira ireo amin’ny ranomasina, ka misy sosona sira samy hafa eo amin’ny fanambanin’ilay dobo.

Rehefa azo ilay ranon-tsira marihitra, dia alefa ao amin’ny dobo 20 hafa. Andrasana ho lasa kristaly ilay izy ao. Efa mivaingana ny sira ao anatin’ny dobo sasany, satria efa lasa etona daholo ny ankamaroan’ny rano niaraka taminy. Vakivakina àry ilay sira, ary raofina mankao anaty kamiao. Efa misy fitaovana goavam-be anaovana izany. Entin’ny kamiao ilay sira avy eo, mba hosasana ao anaty fitaovana hafa. Tsihifina ny rano aminy aorian’izay, ary kobanina ilay izy avy eo.

Taterina amin’ny sambo mankeny amin’ny seranana iray eny afovoan-dranomasina ilay sira amin’ny farany. Nosy nataon’olombelona io seranana io, ary 12 kilaometatra eo ho eo avy eo Areia Branca no misy azy. Mahitsizoro ilay nosy, ka 92 metatra ny sakany ary 166 metatra ny halavany. Mahazaka sira 100 000 taonina izy io. Alefa ao anaty sambo mpanao dia lavitra ilay sira rehefa tonga eo, ary aterina manerana an’i Brezila.

Ampiasaina amin-javatra maro sady tena ilaina

Sira kely fotsiny dia ampy ho an’ny vatantsika. Tena mila azy io anefa na isika na ny biby, raha te ho velona sy ho salama. Mety hihevitra isika hoe natao hampahatsiro sakafo fotsiny ny sira. Ilaina amin-javatra maro hafa anefa izy io. Mampiasa azy io, ohatra, ny orinasa mpanao zavatra simika, mpanao lamba, vy, savony, verinia, ary ranoka fanosotra amin’ny bakoly mba hampangirana azy. Voalaza fa efa 14 000 mahery izao ny zavatra fantatra fa ilana ny sira!

Tsy ho lany na oviana na oviana ny sira. Ranomasina iray kilaometatra toratelo monja dia ahazoana sira 120 tapitrisa taonina eo ho eo, izany hoe sira 3 kilao eo ho eo isaky ny ranomasina 100 kilao! Tsy mora anefa taloha ny nahazo sira. Ny volamena, ohatra, no zava-tsarobidy indrindra tany Chine fahiny, ary nanarakaraka azy avy hatrany ny sira. Miresaka imbetsaka momba ny sira koa ny Baiboly, ary milaza fomba isan-karazany nampiasana azy io.

Nohosorana sira indraindray ny zaza vao teraka. Toa noheverin’ny olona ho fanafody na famonoana mikraoba mantsy ny sira. (Ezekiela 16:4) Ampiasaina an’ohatra koa ny sira ao amin’ny Baiboly. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa “siran’ny tany” ny mpianany, satria niaro ny olona sy namonjy ny ainy ny hafatra nentin’izy ireo. (Matio 5:13) Nanjary nentina nilazana zavatra tsy miovaova sy maharitra koa ny sira. Fifanekena tsy miovaova àry no natao hoe ‘fanekena nasian-tsira.’—Nomery 18:19.

Vao mainka hitanay fa tena ilaina sy mahasoa ny sira, rehefa avy nitsidika an’ilay toerana famokarana azy io tany Areia Branca izahay. Nazava taminay koa hoe nahoana no tena sarobidy izy io, na taloha na ankehitriny. Tsy lany lanina mihitsy ny sira eran-tany. Tokony ho velom-pankasitrahana àry isika noho ny sira, ilay “zanaky ny ray aman-dreny madio indrindra, dia ny masoandro sy ny ranomasina.”

[Sary, pejy 16]

Fitaovana fandraofana sira eo amin’ny dobo iray feno sira efa lasa kristaly

[Sary, pejy 16]

Sira mbola tsy voadio

[Sary, pejy 16, 17]

Toerana fanasana sy fanakobanana ary fanatobiana sira