Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Aho no Voafehifehy Loatra?

Nahoana Aho no Voafehifehy Loatra?

“Tsy tiako maizina fa tsy maintsy mody aloha aho, nefa ny namako mahazo mody tara!”—Allen.

“Sosotra mihitsy aho fa tsy mahazo mitelefaonina araka izay tiako. Hoatran’ny hoe zazakely aho!”—Elizabeth.

TOY ny hoe voafehifehy loatra ve ianao ao an-trano? Efa nieritreritra ny hangala-dia ve ianao, na handainga amin’ny ray aman-dreninao momba izay ataonao? Mety hitovy amin’ity tanora ity ny zavatra tsapanao, raha izany. Sarotiny aminy loatra, hono, ny ray aman-dreniny ka hoy izy: ‘Tokony mba homeny fahafahana kely aho, fa tsisy tany iainako mihitsy!’

Azo inoana fa misy fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao na ny mpitaiza anao momba ny entimodinao, ny raharaha ao an-trano, ny ora fodiana, ny fampiasana telefaonina, ny fijerena tele, ary ny fihainoana mozika. Anisan’izany koa ny namana fidinao sy ny zavatra hafa ataonao any ivelan’ny trano, toy ny any am-pianarana.

Matetika no mandika ny fitsipiky ny ray aman-dreniny ny tanora maro. Nadinadinina ny zatovo maromaro, ka efa ho ny roa ampahatelony no niaiky fa efa bedy satria nandika fitsipika tao an-trano, ary izany foana no mahavoasazy azy ireo.

Miaiky anefa ny ankamaroan’ny tanora fa ilaina ihany ny fitsipika. Hikorontana ambony ambany mantsy ny fiainana raha tsy izany. Raha tena ilaina anefa ny fitsipika, nahoana ny sasany aminy no manorisory? Inona no azonao atao mba hahazoanao fahafahana bebe kokoa, raha tsapanao fa voafehifehy loatra ianao?

“Tsy zazakely intsony aho!”

Hoy ny tovovavy atao hoe Emily: “Ahoana no hataoko mba ho takatry ny ray aman-dreniko fa tsy zazakely intsony aho, ka mila fahafahana bebe kokoa?” Efa nahatsapa toy izany ve ianao? Toa an’i Emily dia mety hahasorena anao koa ireo fitsipika, satria mahatsiaro tena hoentina toy ny zazakely tsy afaka manao na inona na inona ianao. Ny ray aman-dreninao kosa mety hihevitra fa tena ilaina ny fitsipika mba hiarovana anao, sy hahatonga anao hahay handray andraikitra rehefa lehibe.

Heverinao ve fa tsy mifanentana amin’ny taonanao ny fahafahana omen’ny ray aman-dreninao anao? Ary vao mainka aza angamba sorena ianao rehefa nahazo fahafahana bebe kokoa noho ianao ny iray tam-po aminao. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Marcy: “Efa 17 taona aho nefa tsy maintsy mody aloha foana. Tsy mahazo mivoaka ny trano aho raha vao misy ditra ataoko. Ny zokiko lahy anefa tsy mba natao an’izany tamin’izy 17 taona.” Hoy i Matthew momba ny zandriny vavy sy ny zanaky ny nenitoany: “Tsy mba bedy mihitsy ry zareo na dia manao fahadisoana be aza!”

Aleo kokoa ve tsy misy mifehy?

Tsy mahagaga raha tsy te hofehezin’ny ray aman-dreninao intsony ianao. Tena hahasoa anao ve anefa izany? Mety hisy tanora mitovy taona aminao mahazo mody amin’izay ora tiany, afaka manao izay akanjo tiany, ary afaka miaraka foana amin’izay namana tiany. Sahirana loatra angamba ny ray aman-dreniny, ka tsy mahafantatra izay ataon-janany. Tsy mahomby mihitsy anefa ny fitaizana toy izany. (Ohabolana 29:15) Olona maro tsy nisy mpifehy tamin’ny mbola kely no lasa tsy mieritreritra afa-tsy ny tenany. Izany no anisan’ny tena mahatonga ny olona eto amin’ity tontolo ity tsy hanam-pitiavana.—2 Timoty 3:1-5.

Mety hahatsapa anefa ianao indray andro any, fa tsy tsara mihitsy izany hoe tsy misy mpifehy izany. Nadinadinina ny vehivavy maromaro tsy tena nahazo fifehezana tamin’ny mbola kely. Zara raha nanara-maso azy na tsy nanara-maso azy mihitsy ny ray aman-dreniny. Tsy nisy tia ny fomba nitaizana azy izy ireo na iray aza. Heveriny kosa aza fa tsy niahy azy ny ray aman-dreniny na tsy mahay mitaiza.

Aza mitsiriritra an’ireo ankizy afaka manao izay tiany àry. Hevero ho porofom-pitiavana sy fiahiana anao kosa ny fifehezan’ny ray aman-dreninao. Manahaka an’i Jehovah izy ireo rehefa manome fitsipika araka ny antonony. Hoy mantsy Andriamanitra tamin’ny vahoakany: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.”—Salamo 32:8.

Mety ho tsapanao anefa fa voafehy loatra ianao. Ireto àry misy soso-kevitra hanampy anao mba hahafinaritra anao kokoa ny fiainana ao an-trano.

Miresaha tsara amin’ny ray aman-dreninao

Tena ilaina ny miresaka, raha te hahazo fahafahana bebe kokoa ianao na, fara faharatsiny, tsy te ho sosotra amin’izay fahafahana efa anananao. Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Efa mba nanandrana niresaka tamin’ny ray aman-dreniko ihany aho, fa tsy nisy vokany!’ Raha izany no izy dia eritrereto sao misy azonao atao mba hanatsarana ny fahaizanao miresaka. Tena ilaina izany 1) mba hahazoanao izay tadiavinao, na 2) mba hahatakaranao tsara ny antony tsy nanekena ny fangatahanao. Mila mahay mampita hevitra toy ny olon-dehibe ianao raha te hoentina toy ny olon-dehibe.

Mianara mifehy ny fihetseham-ponao. Hoy ny Baiboly: “Ny fahatezeran’ny adala dia avoakany avokoa; fa ny hendry kosa manindry fo.” (Ohabolana 29:11) Tsy mahay miresaka tsara ny olona iray raha mimenomenona fotsiny rehefa misy zavatra tsy tiany. Vao mainka ho bedy ianao raha manao izany! Aza be taraina àry, na midongy, na mikiakiaka toy ny ankizikely. Mety ho te hanakaratoka varavarana na hingodongodona eran’ny trano ianao, rehefa tsy avelan’ny ray aman-dreninao manao izay tianao. Tsy hahatonga anao hahazo fahafahana bebe kokoa anefa izany. Vao mainka aza hiampy ny fitsipika hotakina aminao.

Miezaha hahatakatra izay mampanahy ny ray aman-dreninao

Ezaho fantarina ny hevitry ny ray aman-dreninao. Nanampy an’i Tracy ny fanaovana izany. Tanora kristianina izy, ary ny reniny irery no mitaiza azy. Hoy izy: “Eritreretiko foana hoe: ‘Nahoana tokoa moa i Neny no manome fitsipika ahy?’ Satria te hanampy ahy ho tsara toetra izy.” (Ohabolana 3:1, 2) Ho afaka hanazava ny hevitrao amin’ny ray aman-dreninao ianao, raha mahatakatra ny fomba fiheviny. Aoka, ohatra, hatao hoe tsy tiany ho any amin’ny fiaraha-mikorana iray ianao. Aza mifamaly aminy fa manontania kosa hoe: “Ary ahoana raha misy namana matotra sy azo itokisana miaraka amiko?” Mety tsy hanaiky izay angatahinao foana ny ray aman-dreninao. Hahita soso-kevitra mety hekeny kokoa anefa ianao, raha mahatakatra izay mampanahy azy.

Ataovy izay hatokisan’ny ray aman-dreninao anao. Azo oharina amin’ny mametraka vola any amin’ny banky izany. Izay napetrakao tany ihany no azonao alaina. Ho voasazy ianao raha maka vola mihoatra noho izany. Mety hofoanana mihitsy aza ny kaontinao, raha manao izany matetika ianao. Toy ny hoe maka vola any amin’ny banky ianao, rehefa mangataka zavatra amin’ny ray aman-dreninao. Tsy hanome anao izany izy ireo, raha tsy efa noporofoinao fa azo itokisana ianao.

Aza manantena be loatra. Adidin’ny ray aman-dreninao ny mifehy anao araka ny antonony. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe tandremo “ny didin-drainao” sy “ny lalàn-dreninao.” (Ohabolana 6:20) Tsy tokony hieritreritra anefa ianao hoe hanimba ny fiainanao ny fitsipika apetrak’izy ireo. Mampanantena kosa aza i Jehovah fa “hahita soa ianao” amin’ny farany, raha manaiky ny fahefan’ny ray aman-dreninao!—Efesianina 6:1-3.

 

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no fitsipika sarotra ankatoavina indrindra, aminao?

  • Inona amin’ireo hevitra ato no hanampy anao hanaraka ny fitsipiky ny ray aman-dreninao?

  • Inona no azonao atao mba hatoky anao kokoa ny ray aman-dreninao?