Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Foana Ihany ve ny Aretina?

Ho Foana Ihany ve ny Aretina?

Ho Foana Ihany ve ny Aretina?

MARO ny olona manantena fa ho any an-danitra izy rehefa maty, ary tsy hijaly na harary intsony. Tsy izany anefa no ampanantenain’ny Baiboly. Resahina ao fa hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny ankamaroan’ny olona. (Salamo 37:11; 115:16) Ho salama tsara sy ho sambatra ary ho velona mandrakizay izy ireo.

Nahoana anefa isika no marary sy maty? Tsy hisy intsony tokoa ve ny aretina indray andro any? Mamaly izany ny Baiboly.

Ny tena antony mahatonga ny aretina Lavorary sy salama tsara ny vatan’i Adama sy Eva razambentsika, tamin’izy ireo noforonina. (Genesisy 1:31; Deoteronomia 32:4) Nataon’Andriamanitra hiaina mandrakizay eto an-tany izy ireo. Lasa mora marary anefa izy ireo taorian’izay, satria ninia nikomy tamin’Andriamanitra. (Genesisy 3:17-19) Tsy nanaiky ny fahefan’ilay Mpamorona nanome azy aina lavorary izy ireo, ka tapaka ny fifandraisan’izy ireo taminy. Lasa tsy lavorary izy ireo noho izany, ka narary sy maty, araka ny efa nampitandreman’Andriamanitra azy.—Genesisy 2:16, 17; 5:5.

Namindra tsy fahalavorariana tamin’ny taranany i Adama sy Eva, rehefa avy nikomy. (Romanina 5:12) Araka ny efa voaresaka teo aloha, dia miaiky ny mpahay siansa fa mamindra fototarazo efa simba amin’ny taranany ny ray aman-dreny. Anisan’ny mahatonga ny aretina sy fahafatesana izany. Hoy ny mpahay siansa maromaro, vao haingana, rehefa avy nanao fikarohana lalina: “Vao manomboka miforona fotsiny ny zaza, dia efa mihasimba sahady ny vatany. Zava-misy tsy azo ialana izany.”

Tsy avy amin’ny ezaka ataon’ny olombelona Mahavita zavatra miavaka ny mpahay siansa, eo amin’ny ady amin’ny aretina. Mbola sarotra be amin’izy ireo anefa ny manafoana tanteraka ny antony mahatonga azy io. Tsy mahagaga ny mpianatra ny Baiboly izany. Fantatr’izy ireo tsara mantsy ity tenin’Andriamanitra ity: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.”—Salamo 146:3.

Milaza koa anefa ny Baiboly, fa “ny zavatra tsy hain’olombelona dia hain’Andriamanitra.” (Lioka 18:27) Afaka manafoana ny antony mahatonga ny aretina i Jehovah Andriamanitra. Hanasitrana ny aretintsika rehetra izy. (Salamo 103:3) Izao no ampanantenainy: “Indro, eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”—Apokalypsy 21:3, 4.

Inona no tokony hataonao? Nolazain’i Jesosy Kristy mazava tsara izay tsy maintsy ataontsika, mba hiainana ao amin’ilay Paradisa tsy hisy aretina intsony. Hoy izy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Hita ao amin’ny Baiboly ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny fampianaran’i Jesosy Zanany. Azo ampiharina ny sasany amin’izany, ka afaka manatsara ny fiainanao dieny izao. Mampanantena koa Andriamanitra fa hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy hisy fanaintainana ny mpanompony mankatò azy. Hoy izy: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”!—Isaia 33:24.

[Efajoro/​Sary, pejy 11]

Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mikarakara Fahasalamana

Mampirisika antsika hanaja ny aina ny Baiboly. Mankatò izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miezaka mikarakara ny fahasalamany. Tsy manao zavatra mankarary izy ireo. Anisan’izany ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny fifohana sigara na fihinanana paraky. Mandidy ny mpanompony Andriamanitra mba hahay handanjalanja rehefa mihinana sy misotro. (Ohabolana 23:20; Titosy 2:2, 3) Ilaina koa ny miala sasatra tsara sy manao fanatanjahan-tena. Raha mampihatra izany isika, dia mety ho elaela vao ho tratran’ny aretina maro, na mety tsy ho tratran’izany mihitsy. Mila manatona dokotera mahay sy mendri-pitokisana koa angamba ny marary.

Mampirisika antsika hahay handanjalanja sy “hisaina” ny Baiboly. (Titosy 2:12; Filipianina 4:5) Tsy mahay mandanjalanja anefa ny olona maro ankehitriny. Variana loatra mikarakara fahasalamana izy ireo, ka lasa manao tsirambina ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Manaraka fitsaboana tsy azo antoka ny sasany, ka vao mainka tsy sitrana. Ny hafa indray lany vola sy fotoana amin’ny fitsaboana tsy mandaitra na mampidi-doza mihitsy aza.

Mbola tsy misy anefa ny fahasalamana tonga lafatra. Mbola miandry ny fotoana tsy hisian’ny aretina intsony isika. Mandra-pahatongan’izany dia aoka ianao hampihatra ny torohevitry ny Baiboly, ka haneho fahendrena sy hahay handanjalanja rehefa mikarakara fahasalamana.