Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lova Iraisam-pirenena ny Haran-dranomasin’i Belize

Lova Iraisam-pirenena ny Haran-dranomasin’i Belize

Lova Iraisam-pirenena ny Haran-dranomasin’i Belize

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY MEKSIKA

“Efa mampihena be ny lovan’ireo firenena eo amin’izao tontolo izao, raha simba na manjavona ny iray monja amin’ireo lova ara-tantara na lova voajanahary. ... Ny firenena eran-tany mihitsy no mila mandray anjara amin’ny fiarovana ireo lova ara-tantara na lova voajanahary tena miavaka.” —Fifanarahana Momba ny Lova Iraisam-pirenena, nataon’ny UNESCO.

MIFANARAKA amin’ireo teny ireo, dia nampidirina ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena ny Valan-javaboarin’i Belize, tamin’ny 1996. Natao mitovy lenta amin’ny Machu Picchu any Peroa, sy ny Grand Canyon any Etazonia, ary ny zava-mahatalanjona hafa eran’izao tontolo izao ny fiarovana azy io. Nahoana io toerana io no “tena miavaka”?

Lova mendrika ny harovana

Ny Haran-dranomasin’i Belize no haran-dranomasina velona lehibe indrindra eran-tany, aorian’ny Haran-dranomasina Lehibe any Aostralia. Izy io koa no lava indrindra any amin’ny Ila Bolantany Andrefana. Mahatratra 300 kilaometatra ny halavany manaraka ny Saikinosin’i Yucatán, anisan’izany ny ankamaroan’ireo morontsirak’i Belize any Amerika Afovoany. Ankoatra ireo haran-dranomasina mitomandavana, dia ahitana nosikely 450 ao amin’ilay valan-javaboary. Misy nosinakorandriaka telo koa ao, izany hoe ireo haran-dranomasina miendrika faribolana misy farihy tsara tarehy. Arovan’ny Fifanarahana Momba ny Lova Iraisam-pirenena ny velaran-drano na faritra fito ao amin’izy io, izay mirefy 960 kilaometatra toradroa.

Zava-dehibe ny hiarovana ny haran-dranomasina. Mipetraka ao amin’izy ireny mantsy ny ampahefatry ny zavamaniry sy biby mivelona an-dranomasina. Manarakaraka ny alan’ny tany mafana ny haran-dranomasina, raha jerena ny habetsahan’ny biby sy zavamaniry ao aminy. Mampitandrina anefa ny mpahay siansa, fa ho potika ao anatin’ny 20 na 40 taona ny 70 isan-jaton’ny vato harana eran-tany, raha tsy atsahatry ny olona ny fandotoana ny ranomasina amin’ny endriny maro, ny fanimbana ataon’ireo mpizaha tany, ary izay fanao manimba toy ny fanaovana sambo-belona ny trondro amin’ny fampiasana gaza misy poizina.

Mahatratra 70 ny karazana vato harana mafy hita tao amin’ny Valan-javaboarin’i Belize. Misy 36 kosa ny karazany malemilemy, ary 500 ny karazan-trondro. Fonenan’ireo biby an-dranomasina atahorana ho lany tamingana izy io. Anisan’izany ireo karazana soka-dranomasina toy ny fano mena, fanozaty, fonohara, karazana lambondriaka, ary ny voay amerikanina. Mahavariana mihitsy ny karazan-javaboary hita ao amin’izy io. Niresaka momba izany i Julianne Robinson, mpikaroka momba ny haran-dranomasina. Hoy izy: “Betsaka ny zavatra tsy manam-paharoa ho hitan’ny mpikaroka sy mpitsidika, ao amin’ny Valan-javaboarin’i Belize. ... Izy io no iray amin’ireo toerana vitsivitsy mbola ahafahanao mandinika ny natiora, amin’ny fotoana mbola mahatsara azy indrindra. Tandindomin-doza anefa izy io.”

Ny loza mandrahona indrindra ny haran-dranomasin’i Belize angamba, dia ny fiofoan’ny vato harana. Atahorana ho lasa fotsy mangarangarana na tantera-pahazavana mantsy, ireo vato harana samihafa loko. (Jereo ny efajoro, pejy 26.) Manao tatitra ny Vaovaom-pirenena Momba ny Tany (anglisy), fa tamin’ny 1997 sy 1998 no tena betsaka ny vato harana lasa mangarangarana, ary nifanindry tamin’ny fandalovan’ilay Rivo-doza Mitch izany. Nihena efa ho antsasany àry ny faritra rakotra vato harana mbola velona. Inona no nahatonga izany? Mbola mitohy ankehitriny ny fikarohana. Hoy anefa i Melanie McField, mpikaroka momba ny haran-dranomasina: “Tena misy ifandraisany amin’ny fiakaran’ny mari-panan’ny ranomasina, io fiofoan’ireo vato harana io. ... Miteraka fiofoana koa ny taratra manimba. Vao mainka ratsy ny vokany rehefa miara-mitranga izy roa ireo.” Soa ihany anefa fa toa miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny lokon’ny haran-dranomasin’i Belize. *

Paradisa any anaty ranomasina

Manodidina ny 26 degre ny hafanan’ireo rano madio mangalahala ao amin’ny haran-dranomasin’i Belize, ka tena mahafaly an’ireo mpilomano sy mpanao antsitrika. Ny 90 isan-jaton’ilay haran-dranomasina no mbola tsy voadinika tsara. Mora ny miditra ao amin’izy io, avy ao San Pedro, any amin’ny Nosy Ambergris, satria an-jatony metatra vitsivitsy miala avy eo ilay izy. Any amin’ny enina kilaometatra any atsimoatsinanan’i San Pedro kosa no misy ny Tahirin-javaboarin’i Hol Chan, ranomasina tsy dia lalina mirefy valo kilaometatra toradroa. Misy karazana tionelina kely ao anatin’io haran-dranomasina io, ka izay no tena mampiavaka azy.

Iray amin’ireo toerana fanaovana antsitrika mahavariana indrindra eto an-tany ny Lavaka Manga, izay toerana arovana satria anisan’ny Lova Iraisam-pirenena. Any amin’ny 100 kilaometatra avy eo an-tanànan’i Belize no misy azy io, ary eo afovoan’ny Haran-dranomasin’i Lighthouse. Ilay Frantsay manam-pahaizana momba ny ranomasina atao hoe Jacques-Yves Cousteau no nampahalaza an’io toerana io, tamin’ny 1970. Nampiasa an’ilay sambo fanaovany fikarohana antsoina hoe Calypso izy tamin’izay. Eo amin’ny ranomasina maitso manopy manga no misy ilay Lavaka Manga. Tsy inona izy io fa vatosokay poakaty izay nihotsaka, ka lasa nilempona. Maina ny tao anatin’io lempona io, talohan’ny niakaran’ny haabon’ny ranomasina. Voahodidina haran-dranomasina velona izy io. Manopy manga antitra ny rano ao anatiny. Mahatratra 300 metatra eo ho eo ny savaivony, ary 120 metatra any ho any ny halaliny. Mitsatoka be hatrany amin’ny 35 metatra any ho any ireo rindriny. Manomboka eo kosa no misy ranovato lehibe midina avy amin’ny sisin’ireo vatosokay. Mahatalanjona izay jerena ao anatin’ilay rano. Tazana daholo ny hatrany amin’ny 60 metatra any ho any. Vitsy ihany ny zavaboary hita ao ankoatra ny antsantsa. Tokony hotadidin’ireo mpanao antsitrika mitondra tavoahangin-drivotra, fa tsy natao ho an’ny zaza vao ny fisitrihana ao amin’ny Lavaka Manga. Miova mantsy ny tsindrin-drivotra rehefa any ambany be. Misy toerana tsara azo anaovana antsitrika mitondra fantsona kely kosa, eo amin’ireo rano madio mangalahala manodidina an’ireo vato harana.

Tsy lavitra eo koa no misy ny Nosin’i Half Moon. Iray amin’ireo faritra fito anisan’ny Lova Iraisam-pirenena io nosy mahafinaritra io, ary toy ny hoe faritra voatokana ho an’ny karazana voron-dranomasina iray mena tongotra, izay tsy fahita firy. Voalaza fa mbola misy karazam-borona hafa 98 ao. Ho variana be koa ianao raha manao antsitrika manaraka ny sisin’ny Haran-dranomasin’i Half Moon, satria rakotra vato harana malemilemy sy mahafinaritra izy io, hatrany amin’ny 1 000 metatra any ambany any.

Hita taratra avy amin’iny fitsidihana fohy ny Haran-dranomasin’i Belize iny, fa misy antony marim-pototra tokony hiarovana an’io harena sarobidy io, mba hahatalanjona ny taranaka fara mandimby. Marina tokoa fa ‘hampihena be ny lovan’ireo firenena’ ny fahasimban’izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany no mampiakatra ny mari-panan’ny ranomasina. Tsy afa-manoatra angamba ny mponina any Belize amin’io lafiny io. Nandrisika ny olona any hiaro kokoa an’ilay toerana anefa ny nampidirana azy io ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena.

[Efajoro/​Sary, pejy 26]

Nahoana no Miofo Ireo Vato Harana?

Ny haran-dranomasina dia fitambarana bibikely mpihinana nofom-biby, izay mitambatambatra ka lasa toy ny rindrina velona. Manana hoditra mafy feno karibonetra misy kalsioma, na vatosokay izy ireny. Manorim-ponenana eo ambonin’ireo vato harana efa maty, ireo vato harana mbola velona. Misy zavaboary bitika kosa, tsy velona raha tsy mipetaka amin’ireo vato harana. Tsy inona izany fa ireo ahidrano mamoaka ny oksizenina sy zavatra mahavelona ampiasain’ireo bibikely, ary mifoka ny gaza karbonika avoakan’ireo bibikely ireo. Tsy tantin’ireo bibikely ireo ny fiakaran’ny mari-panan’ny rano, ka ahifiny ireo ahidrano. Miofo ny lokony vokatr’izany, satria mihena ny famaitso eo aminy. Manjary malemy ireo vato harana avy eo, ka mora marary sy maty. Mafy toto anefa ny haran-dranomasina, ka afaka miverina amin’ny laoniny rehefa voaro.

[Sary nahazoan-dalana]

Eo andamosina: Copyright © 2006 Tony Rath Photography - www.trphoto.com

[Sarintany, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Meksika

BELIZE

Ranomasina Karaiba

Oseana Pasifika

[Sary, pejy 23]

Belize nalaina sary tamin’ny satelita: hita eo ilay haran-dranomasina mirefy 300 kilaometatra

[Sary, pejy 24]

Nosy Rendez-vous

[Sary nahazoan-dalana]

©kevinschafer.com

[Sary, pejy 24]

Fonohara

[Sary, pejy 24, 25]

Vatosokay lasa nilempona no nampisy ny Lavaka Manga eo afovoan’ ny Haran-dranomasin’i Lighthouse

[Sary nahazoan-dalana]

©kevinschafer.com

[Sary, pejy 25]

Misy karazan-trondro 500 ao amin’ny Haran-dranomasin’i Belize

[Sary nahazoan-dalana]

Sary kely: © Paul Gallaher/Index Stock Imagery

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Sary nalaina satelita: NASA/The Visible Earth (http://visibleearth.nasa.gov/); mpanao antsitrika: © Paul Duda/Photo Researchers, Inc.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Copyright © Brandon Cole