Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitady Fahendrena ny Mpanjaka Iray

Nitady Fahendrena ny Mpanjaka Iray

Nitady Fahendrena ny Mpanjaka Iray

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

NANJAKA tany Eoropa ny herisetra tamin’ny taonjato faha-13, ary tsy nisy ny fahalalahana haneho hevitra. Nalaza ratsy noho ny zavatra nataony tamin’ireo mpanohitra azy ny Fitsarana Katolika. Betsaka koa no maty nandritra ireo ady nolazaina fa masina, izay nifanaovan’ny Silamo sy ireo nitonona ho Kristianina. Nanandrana nampirisika ny mpiara-belona taminy mba hisaina sy hanao zavatra tsara indray anefa ny mpanjaka espaniola iray, nandritra izany fotoana nisian’ny ra nandriaka izany. Alphonse Faha-10 no anarany, izay nantsoina koa hoe Alphonse Hendry.

Misy mihevitra fa ny zavatra nataon’io mpanjaka io, no nahatonga ny olona ho liana indray tamin’ny zavakanto sy ny haisoratra, tamin’ny taonjato faha-13. Nentiny ho eto Espaina ireo zava-baovao avy tany an-tany lavitra. Tena nahaliana azy ny zavakanto, tantara, lalàna, ary siansa. Tena nampivoatra ny kolontsaina tany Espaina sy ny faritra hafa tany Eoropa izany. Mbola zava-dehibe kokoa aza, fa nahatonga azy hampiely ny Baiboly Masina ny ezaka nataony.

Anisan’ny nanorina ny sekoly ambony iray natokana ho an’ny manam-pahaizana i Alphonse. Afaka niara-niasa tao ny Jiosy sy ny Silamo ary ireo olona nitonona ho Kristianina. Mba hanamorana ny asan’izy ireo, dia nanangana sy namatsy vola ny iray tamin’ireo tranombokim-pirenena voalohany teto an-tany ilay mpanjaka.

Nazoto nandray anjara tamin’ny fanoratana sy fanakambanana an’ireo asa soratra maro i Alphonse. Namelabelatra foto-kevitra maro izy ireny, toy ny lalàna sy ny siansa ary ny tantara. Nataony izay hampiroborobo ny asa soratra sy ny poezia, ary hita fa hainy tokoa ireo rehefa jerena ny hira nosoratany. * Tamin’ny teny gallego (niavian’ny teny portogey) izy ireny, satria io no fiteny nanoratana ny tonon-kira tamin’izany fotoana izany.

Ireo manam-pahaizana mpandika teny

I Alphonse no nanohana ara-bola an’ireo manam-pahaizana mpandika teny tao Tolède. Hoy ny boky Ireo Manam-pahaizana Mpandika Teny tao Tolède (espaniola): “Ny mpanjaka no nifidy izay ho mpandika teny sy izay boky hadika. Nanitsy ny fandikan-teny izy, nampirisika an’ireo manam-pahaizana hifanakalo hevitra, ary nanohana ara-bola ny fanomanana ireo boky vaovao.”

Nandika asa soratra arabo be dia be aloha ireo manam-pahaizana tao Tolède. Efa voadikan’ireo manam-pahaizana miozolimanina ho amin’ny teny arabo, ny asa soratra miavaka indrindra tamin’ny kolontsaina grika, karàna, persanina, ary syrianina. Tena nanampy azy ireo ny fahalalana voangona avy tamin’izany, mba handrosoana hatrany teo amin’ny sehatry ny matematika, astronomia, tantara, ary jeografia. Niezaka nitrandraka an’ireny tahirim-pahalalana ireny kosa, ireo manam-pahaizana tao Tolède. Inona no nataon’izy ireo? Nadikany ho amin’ny teny latinina sy espaniola, ny asa soratra miavaka tamin’ny teny arabo.

Niely tany amin’ny firenen-kafa ny vaovao momba ny zava-bitan’ireo manam-pahaizana tao Tolède. Tsy ela dia nirohotra nankany ny olona nahita fianarana avy tany amin’ireo oniversite tany Eoropa avaratra. Anisan’ny tena nampandroso ny siansa sy ny haisoratra tany Eoropa ireo rehetra ireo. Izany asa goavana teo amin’ny fandikan-teny izany koa aza, no nahatonga ny olona tany Eoropa ho liana indray tamin’ny zavakanto sy ny haisoratra.

Ny ezaka nataon’ireo mpandika teny tao Tolède no nahafahan’ny dokotera namaky ny boky momba ny fitsaboana nosoratan’i Galien sy Hippocrate. Teo koa ilay asa soratr’i Avicenne hoe Fitsipika Mifehy ny Fitsaboana, izay lasa boky fianarana fitsaboana tany amin’ireo oniversite eoropeanina, hatramin’ny taonjato faha-17. Azon’ireo astronoma natao, vokatr’izany, ny namaky ny bokin’i Ptolémée sy nandray soa tamin’ny matematika arabo momba ny telozoro, ary ny tabilao noforonin’i al-Khārezmī mba hikajiana ny fihetsehan’ny planeta eny amin’ny lanitra. *

Nirin’i Alphonse ho azon’ny ankamaroan’ny olona ireny fandikan-teny ireny. Ny teny espaniola àry no lasa fiteny nampitana hevitra teo amin’ny sehatry ny siansa sy ny haisoratra. Nanova ny fiheveran’ny olona ny teny latinina, ny tetikasa natombok’i Alphonse. Lasa tsy io intsony no teny nampiasaina teo amin’ny sehatry ny kolontsaina.

Ny Baibolin’i Alphonse

Nahazo traikefa ireo manam-pahaizana tao Tolède, rehefa nandika asa soratra be dia be. Tsy maintsy ho nanampy azy ireo izany, rehefa nasain’i Alphonse nadikan’izy ireo tamin’ny teny espaniola ny ampahan’ny Baiboly. Nilaza ilay Espaniola mpahay tantara atao hoe Juan de Mariana, fa nanohana ara-bola an’izany asa fandikana Baiboly izany ilay mpanjaka. Nanantena izy fa hanatsara ny teny espaniola sy hampitombo ny voambolana ao aminy ilay izy. Azo antoka tokoa fa nanatsara ny teny espaniola io fandikana aloha be ny Baiboly io.

Nino ilay mpanjaka fa ilaina mba hampianarana ny olona ny Baiboly. Nanoratra toy izao izy, tao amin’ny sasin-tenin’ilay boky hoe Crónica de España: “Rehefa dinihina ny soa raisina avy amin’ny Soratra Masina, dia hitantsika fa avy amin’ny fampianarana hita ao amin’ny Soratra Masina izy ireny. Ireto avy izany: ny namoronana an’izao tontolo izao, ny amin’ireo loham-pianakaviana fahiny, ... ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika izay efa nampanantenaina, ny fahoriany sy ny nitsanganany tamin’ny maty ary ny niakarany tany an-danitra.”

Ilay mpanjaka koa no nanara-maso ny fanomanana ilay boky nantsoiny hoe General Estoria. Tena niavaka izy io, ka nitaky asa be ny fanomanana azy. Nisy ampahan’ny Soratra Hebreo amin’ny teny espaniola tao amin’izy io. (Nampidirina tao koa ny ampahan’ny Soratra Grika, tatỳ aoriana.) Io boky maromaro antsoina hoe Baibolin’i Alphonse (Biblia Alfonsina) io, no lehibe indrindra amin’ireo boky mitovy aminy novokarina tamin’ny taonjato faha-13. Natao dika mitovy imbetsaka ilay boky, ary nisy ampahany aminy nadika ho amin’ny teny portogey sy catalan.

Ny vokatry ny ezaka nataon’i Alphonse

Ireo sora-tanana tamin’ny andron’i Alphonse, tamin’ny taonjato faha-13, no nanampy ny olona hahafantatra ny Soratra Masina, nandritra ilay fotoana antsoin’ny mpahay tantara hoe vanim-potoan’ny haizina. Nanjary te hanana Baiboly amin’ny fiteny fampiasa andavanandro ny olona, noho ireny fandikan-teny ireny. Nisy fandikan-tenin’ny Baiboly hafa àry navoaka tamin’ny teny espaniola, nandritra ireo taonjato roa nanaraka.

Nanomboka nisy avy eo ny milina fanontam-pirinty. Tsy nitsitsy aina koa ireo mpandika Baiboly tany Espaina sy tany amin’ny tany eoropeanina hafa tamin’ny taonjato faha-16, ka nanohy ilay asa efa natombok’i Alphonse sy ny mpiara-belona taminy. Afaka nahazo Baiboly tamin’ny fiteniny ny olona eran’i Eoropa, tamin’ny farany. Marina aloha fa nisy ady sy fikomiana tamin’ny fotoana nanjakan’i Alphonse Faha-10. Noho izy naniry hahazo fahalalana anefa, dia nanjary mora tamin’ny olona eran-tany ny nahazo ny fahendrena avy amin’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Nantsoina hoe cantigas ireny hira malaza ireny, izay poezia nohirain’ireo mpihira nandehandeha talohan’ny taona 1500.

^ feh. 11 Mpahay matematika malaza i al-Khārezmī. Persanina izy ary niaina tamin’ny taonjato fahasivy. Izy no nahita ny fomba fanaovana alzebra sy nampiely ny matematika noforonin’ny Karàna. Anisan’izany ny fampiasana tarehimarika arabo toy ny zero, ary ny fampianarana fototra momba ny kajy. Avy tamin’ny hoe al-Khārezmī, raha ny marina, ny teny hoe “algoritma.”

[Efajoro/​Sary, pejy 14]

BAIBOLY ESPANIOLA VOALOHANY

Tsy ny asa soratr’i Alphonse Faha-10 no voalohany nahitana ampahan’ny Soratra Masina amin’ny teny espaniola. Efa nanao toy izany i Hermannus Alemannus, taona vitsivitsy talohan’izay. Iray tamin’ireo manam-pahaizana mpandika teny tao Tolède izy. Avy tamin’ny teny hebreo no nandikany ny Salamo ho amin’ny teny espaniola. Nadika tany am-piandohan’ny taonjato faha-13 koa, ilay Baiboly antsoina hoe Baiboly Espaniola Tamin’ny Taonjato Faha-13, Talohan’ny Andron’i Alphonse. (Jereo ny sary eo ankavia.) Izy io no heverin’ny olona fa tranainy indrindra amin’ny Baiboly manontolo amin’ny teny espaniola. Azo antoka fa nampiasaina io Baiboly io, rehefa nadika ilay Baibolin’i Alphonse, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.

Nilaza toy izao ny manam-pahaizana atao hoe Thomas Montgomery, momba io Baiboly talohan’ny andron’i Alphonse io: “Tena tsara ny asan’ireo nandika an’ilay Baiboly, satria marina sy kanto ny teny nampiasainy. Manaraka tsara ny hevitry ny teny ao amin’ny Baiboly Vulgate ilay izy, nefa tsy mampiasa be loatra ny voambolana na fomba fiteny latinina. Tsotra sy mazava ilay fiteny. Mety tsara izany, satria natao ho an’ny olona tsy nahay teny latinina izy io.”

[Sary nahazoan-dalana]

Baiboly: Patrimonio Nacional. Real Biblioteca de El Escorial

[Sary, pejy 12, 13]

Tsangambaton’i Alphonse Faha-10, eo am-baravaran’ny Tranombokim-pirenena Espaniola any Madrid

[Sary, pejy 13]

Ny mpanjaka miaraka amin’ireo mpandika teny tao Tolède (eo ambony) sy ireo mpanao soratra voakaly (eo ambany); ny Filazantsaran’i Lioka ao amin’ny “Biblia Alfonsina” (farany ambany)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Sary rehetra afa-tsy ilay tsangambaton’i Alphonse Faha-10: Oronoz