Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana Aho vao Mahazo Mampiaraka?

Rahoviana Aho vao Mahazo Mampiaraka?

Manontany ny Tanora Hoe...

Rahoviana Aho vao Mahazo Mampiaraka?

“Hoatran’ny hoe olona hafahafa ianao any am-pianarana, raha tsy mampiaraka!”—Brittany.

“Izay rehetra alehanao dia ahitanao ankizy mampiaraka foana. Lasa te hampiaraka koa ianao. Ny ankizilahy koa amin’izany bôgôsy be daholo!”—Whitney.

Mahita ankizilahy sy ankizivavy mifampitantana ianao any am-pianarana, ary midoladola eran’ny tokotany izy ireo. Inona no tsapanao?

□ Tsy mampaninona anao ilay izy

□ Mialona kely ianao

□ Lasa te hampiaraka koa ianao

Mijery fety miaraka amin’ny namanao ianao. Hitanao fa miaraka amin’ny ankizilahy na ankizivavy daholo ry zareo, afa-tsy ianao! Inona no tsapanao?

□ Tsy mampaninona anao ilay izy

□ Mialona kely ianao

□ Lasa te hampiaraka koa ianao

Nilaza taminao ny namanao akaiky indrindra fa manana olon-tiana izy, ary miaraka ry zareo izao. Inona no tsapanao?

□ Tsy mampaninona anao ilay izy

□ Mialona kely ianao

□ Lasa te hampiaraka koa ianao

AHOANA no havalinao an’ireo fanontaniana ireo? “Mialona kely”, sa “lasa te hampiaraka koa”? Tsy ianao irery no hamaly toy izany. Tanora maro no hitovy hevitra aminao, raha fanaon’ny ankizy ao amin’ny taniny ny mampiaraka. Hoy i Yvette, 14 taona: “Mahatsiaro ho voa mafy ianao indraindray, satria manao sipa daholo ny ankizy mitovy taona aminao, nefa ianao tsy mba manao.”

Tena irintsika tokoa ny hiaraka amin’ny olona tiantsika. Indrindra moa raha fantatsika fa tia antsika koa izy. Hoy ny ankizilahy iray: “Tena te hampiaraka ianao, ary mitombo isan’andro izany faniriana izany, ka mila tsy ho tantinao mihitsy!” Mbola kely àry ny ankizy sasany dia efa mampiaraka. Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny gazety Fotoana (anglisy), ohatra, fa efa “mampiaraka” sahady ny ampahefatry ny ankizy 13 taona. Vonona ho amin’izany ve izy ireo, araka ny hevitrao? Vonona hampiaraka ve ianao? Mba hamaliana izany, dia ity aloha misy fanontaniana tena mila valiantsika.

Inona no atao hoe “mampiaraka”?

Miaraka foana ianao sy ny ankizilahy iray na ny ankizivavy iray.

Mampiaraka ve izany aminao? □ Eny □ Tsia

◼ Mifandefa hafatra na mifampiantso an-telefaonina imbetsaka isan’andro ianao sy ny ankizilahy na ankizivavy iray namanao.

Mampiaraka ve izany aminao? □ Eny □ Tsia

◼ Minamana amin’ny ankizilahy iray na ny ankizivavy iray ianao, nefa miafina ianareo, ka tsy fantatry ny ray aman-dreninao. Tsy sahy milaza amin’izy ireo ianao, satria fantatrao fa ho bedy.

Mampiaraka ve izany aminao? □ Eny □ Tsia

◼ Isaky ny tafaraka amin’ny namanao maromaro ianao, dia ankizilahy iray na ankizivavy iray foana no iresahanao.

Mampiaraka ve izany aminao? □ Eny □ Tsia

Azo inoana fa tsy sarotra taminao ny namaly an’ilay fanontaniana voalohany. Mety ho nisalasala kely anefa ianao talohan’ny hamaliana ny ambiny. Fa inona tokoa moa no atao hoe mampiaraka? Ny tiantsika horesahina amin’ny hoe mampiaraka dia izao: Fiarahana manao zavatra amin’ny ankizilahy iray na ankizivavy iray tsapanao fa tianao, ary izy koa mahatsapa fa tia anao. Efa mampiaraka ianareo raha tianao kokoa noho ny namanao hafa izy, ary izy koa torak’izany. Marina foana izany na mitokana ianareo na miaraka amin’olona maromaro, na miresaka an-telefaonina fotsiny na mihaona mihitsy, ary na miafina na tsia.

Vonona hampiaraka ve anefa ianao? Hanampy anao hahita ny valin’izany ny fandinihana ireto fanontaniana telo ireto.

Nahoana ianao no te hampiaraka?

Fomba iray ahafahan’ny olon-droa mifankahalala bebe kokoa ny mampiaraka, ary tsy mampaninona ny olona any amin’ny tany maro izy io. Inona anefa no tena tokony ho tanjona rehefa mampiaraka? Manampy ny olon-droa izany mba hahitany raha mifanentana izy ireo, ka afaka ny hivady. Nahoana?

Misy teny hoe “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” ao amin’ny Baiboly. Maniry mafy hitia sy hanao firaisana ny tanora amin’io fotoana io. (1 Korintianina 7:36) Raha miaraka foana amin’ny ankizilahy iray na ankizivavy iray ianao amin’izay, dia vao mainka hihamafy ny fanirianao, ka mety hanao zavatra hanenenanao ianao. Ho tsapanao fa marina ny voalazan’ny Galatianina 6:7 manao hoe: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”

Tsy mieritreritra ny hanambady anefa ny ankizy sasany mitovy taona aminao, na dia mampiaraka aza. Te hampideradera amin’ny olona fotsiny izy ireo hoe azony ny ankizilahy na ny ankizivavy niriny. Misy koa te hiseho fotsiny hoe manana ny maha izy azy. Ratsy fanahy ny olona manao an’izany, satria manao tsinontsinona ny fitiavan’ny hafa. Tsy mahagaga raha tsy maharitra ny fifandraisana toy izany matetika. Hoy ny tanora iray atao hoe Heather: “Herinandro na tapa-bolana dia misaraka ny ankamaroan’ny tanora mampiaraka. Mieritreritra izy ireo fa tsy natao haharitra ny fiarahan’olon-droa. Toy ny hoe miomana ho amin’ny fisaraham-panambadiana izy ireo fa tsy ho amin’ny fanambadiana.”

Handratra fon’olona ianao, raha mampiaraka mba hanalana andro fotsiny, na mba hampisehoana fotsiny hoe manana “sipa.” Jereo, ohatra, i Eric, 18 taona. Ninamana be tamin’ny ankizivavy iray izy, ary nahafinaritra azy izany. Nieritreritra izy fa nety ny nataony. Fantany anefa avy eo fa tsy nihevitra azy ho namana fotsiny ilay ankizivavy. Hoy izy: “Tsy nampoiziko ilay izy! Hay izy tonga dia tia ahy! Tena noheveriko hoe mpinamana fotsiny izahay!”

Marina aloha fa tsy ratsy mihitsy ny miara-manao zavatra amin’ny ankizilahy na ankizivavy maromaro, raha voara-maso tsara izany. Aleo anefa tsy mampiaraka raha tsy efa tapitra ny “fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, ary efa vonona hanambady. Hitan’ny tanora iray atao Chelsea fa marina izany. Hoy izy: “Mieritreritra aho indraindray hoe tokony ho fanalana andro fotsiny izany mampiaraka izany. Ho hitanao anefa fa tsy fanalana andro araka ny noeritreretinao ilay izy, rehefa tena tia anao ilay olona.”

Firy taona ianao?

Firy taona ny tanora vao mahazo mampiaraka, araka ny hevitrao? ______

◼ Apetraho amin’ny ray aman-dreninao io fanontaniana io, ary soraty eto ny valin-teniny. ______

Azo inoana fa kely noho ilay isa faharoa ilay isa voalohany nosoratanao. Raha tsy izany no izy, dia angamba ianao anisan’ireo tanora maro tsy maimaika ny hampiaraka, fa miandry ho lehibe kokoa ka efa mahafantatra tsara ny tenany. Izany no nataon’ny tanora kristianina iray atao hoe Sondra, na dia efa afaka manambady aza izy eo anatrehan’ny lalàna. Hoy izy: “Matoa ianao miaraka amin’olona iray, dia tianao hahafantatra anao izy. Ahoana anefa no hahafantarany anao, raha ianao aza tsy mahafantatra akory ny tenanao?”

Mitovy hevitra amin’izany koa ny ankizivavy iray 17 taona, atao hoe Danielle. Hoy izy: “Raha nitady vady aho tamin’ny roa taona lasa, dia tsy ho nitovy mihitsy tamin’ny lehilahy tiako tamin’izany ny tiako amin’izao fotoana izao. Ary na hatramin’izao aza, dia mbola tsy azoko antoka izay karazana vady tiako. Hiandry taona vitsivitsy aho, ka rehefa tsapako hoe tsy miovaova intsony aho vao hieritreritra ny hampiaraka.”

Vonona hanambady ve ianao?

Ny olona vonona hanambady no tokony hampiaraka. Tokony hanontany tena àry ianao raha vonona hiantsoroka ny andraikitry ny lehilahy na vehivavy manambady, na koa ny andraikitry ny ray na reny. Ahoana no hahalalanao raha vonona ho amin’izany ianao? Diniho izao manaraka izao:

Fifandraisana amin’ny olona Ahoana no fomba itondranao ny ray aman-dreninao sy ny iray tam-po aminao? Tsy mahafehy tena ve ianao matetika rehefa milaza ny hevitrao amin’izy ireo, ka mampiasa teny mahery na maneso? Inona no mety holazainy, raha hanontaniana momba izany izy? Izay fomba itondranao ny fianakavianao ihany mantsy no hitondranao ny vadinao.—Efesianina 4:31, 32.

Vola Mahay mitsitsy vola ve ianao? Sa mitrosa foana? Mateza amin’ny asanao ve ianao? Raha tsia, nahoana? Ilay asa ve no mahatonga izany, sa ilay mpampiasa? Sa kosa misy toetranao tsy dia tsara? Raha mbola tsy hainao tsara ny mitsitsy ny volanao, ho hainao ve izany rehefa manan-tokantrano ianao?—1 Timoty 5:8.

Fivavahana Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, efa anananao ve ireo toetra tsara resahin’ny Baiboly? Moa ve ianao mamaky ny Tenin’Andriamanitra, mitory sy mampianatra, ary mandray anjara amin’ireo fivoriana kristianina? Tsy afaka hampirisika ny vadinao hifandray tsara amin’Andriamanitra ianao, raha ianao aza mbola tsy tena manao izany.—2 Korintianina 13:5.

Santionany fotsiny amin’ireo zavatra mila dinihinao ireo, raha mieritreritra ny hampiaraka sy hanambady ianao. Azonao atao koa ny miara-manao zavatra amin’ny ankizilahy na ankizivavy maromaro, rehefa mety izany. Ho fantatrao tsara amin’izay ny tenanao sy ny karazana vady tadiavinao, ka ho vonona tsara ianao rehefa tapa-kevitra ny hampiaraka.

Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana

Misy fanazavana bebe kokoa ao amin’ny pejy 13-26 amin’ity boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ity.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

ERITRERETO IZAO:

◼ Tsy afaka miara-manao zavatra amin’ny ankizilahy na ankizivavy mihitsy ve ianao?

◼ Inona no toetra tena ilainao hananana mba hahatonga anao ho vady tsara?

[Efajoro/​Sary, pejy 28]]

Ny Hevitry ny Tanora toa Anao

Mialona aho indraindray rehefa mahita olona mampiaraka, na rehefa mahita mpivady. Tsy fanalana andro fotsiny anefa izany mampiaraka izany. Manao tsinontsinona ny fitiavan’ilay olona iarahanao ianao, raha manao izany. Tsy tokony hampiaraka ianao, araka ny hevitro, raha tsy rehefa hamantatra hoe tena mifanentana ve ianareo ka afaka ny hivady.” —Blaine, 17 taona.

Tsy mety ny hoe ‘manandrana’ mampiaraka, sitrany ahay mahay tsara rehefa tena sendra ny ankizilahy tiana. Mandratra fon’olona fotsiny ianao raha manao izany.”—Chelsea, 17 taona.

Tokony ho efa vonona hanambady ianao vao manomboka mampiaraka, araka ny hevitro. Raha tsy izany, dia toy ny ankizy mitady asa manontolo andro ianao, nefa tsy mieritreritra ny hanao an’ilay izy akory, satria mbola mianatra.”—Sondra, 21 taona.

[Efajoro, pejy 30]

RY RAY AMAN-DRENY

HAMPIARAKA SA TSIA? Tsy maintsy hiatrika an’izany ny zanakareo, na ho ela na ho haingana. Hoy i Phillip: “Tsy mila mitady ankizivavy hiarahana akory aho, fa tonga dia misy mitory fitiavana amiko! Lasa saina eo aloha aho sady mieritreritra hoe: ‘Dia ahoana re e?’ Sarotra ny mandà satria tsara tarehy be ny ankizivavy sasany!”

Resaho amin’ny zanakareo àry ny momba ny fiarahana amin’ny ankizilahy na ankizivavy. Izany no zavatra tsara indrindra azonareo atao. Nahoana raha iarahanareo midinika ity lahatsoratra ity? Anontanio izay zava-tsarotra atrehiny any am-pianarana na eo anivon’ny fiangonana kristianina mihitsy aza, ary ampirisiho izy hilaza ny heviny momba izany. Azonareo atao foana ny mifampiresaka, na ‘mipetraka ao an-trano ianareo, na mandeha any an-dalana.’ (Deoteronomia 6:6, 7) Miezaha hatrany anefa ho “mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

Aza misendaotra raha milaza ny zanakao fa misy ankizy tiany. Hoy ny ankizivavy iray: “Tezitra be i Dada rehefa nahalala hoe nanao sipa aho! Nampitahoriny aho, ka nanontaniany zavatra be dia be, toy ny hoe efa vonona hanambady ve aho sa tsia. Rehefa atao an’izany anefa ianao, dia vao mainka te hiaraka amin’ilay olona mba hanaporofoana fa diso hevitra ny ray aman-dreninao!”

Mety hanao zava-doza ny zanakao, raha fantany fa hentitra be ianao amin’io resaka io. Mety hiaraka amin’ilay ankizy ihany, ohatra, izy, saingy hiafina ry zareo. Hoy ny ankizivavy iray: “Raha tonga dia tezitra ny ray aman-dreny, dia tsy ajanon’ny ankizy ilay izy, fa vao mainka afeniny.”

Hahita vokatra tsara kokoa ianareo raha mifampiresaka tsy an-kifonofono amin’ny zanakareo. Hoy ny ankizivavy iray, 20 taona: “Tsy nihafahafa mihitsy ny ray aman-dreniko, isaky ny niresaka tamiko momba ny fiarahana amin’ny ankizilahy. Tian’izy ireo ho fantatra hoe iza no ankizilahy tiako. Hitako hoe tena tsara izany! Miresaka amin’ilay ankizilahy i Dada avy eo. Raha misy zavatra mampanahy azy mivady, dia lazainy amiko. Matetika aho no manapa-kevitra avy hatrany ny tsy hieritreritra an’ilay ankizilahy intsony, ka tsy voatery hiaraka aminy akory.”

[Sary, pejy 29]

Afaka miara-manao zavatra amin’ny ankizilahy sy ankizivavy maromaro ianao. Mety tsy ho voatarika hanao ratsy ianao, ary handray soa