Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sokatrakely Naman’ny Mpamboly

Sokatrakely Naman’ny Mpamboly

Sokatrakely Naman’ny Mpamboly

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

MARINA fa tsy ny voangory no bibikely tian’ny olona indrindra. Be mpitia anefa matetika ilay karazana voangory atao hoe sokatrakely na coccinelle. Mahavariana ny ankizy izy ireny, ary tena faly ny mpamboly sy ny tantsaha rehefa mahita azy ireny ao an-jaridainany na eny an-tsahany. Fa inona no itiavan’ny olona azy ireny?

Nahoana no be mpitia izy io?

Tena tia mihinana haon-kazo (eo ankavia) ny ankamaroan’io karazana voangory kely mahasoa io. Bibikely malemilemy ny haon-kazo, ary mety hahafaty ny zavamaniry, satria mitsentsitra ny rano ao aminy. Misy sokatrakely mahalany haon-kazo an’arivony, mandritra ny androm-piainany. Mazoto homana be koa ny sakivy, na sokatrakely vao foy. Mivelona amin’ny bibikely maro hafa mpanimba voly ny sokatrakely, ary ny sasany aza tia mihinana holatra mpanimba voly. Tsy mahagaga àry raha tian’ny mpamboly sy ny tantsaha izy ireny!

Nisy bibikely volomboloina fotsy avy any Aostralia tonga tsy nahy tany Kalifornia, any Etazonia, taloha kelin’ny 1900. Nitombo haingana be ireo bibikely mpanimba voly ireo, ka natahorana handripaka ny saham-boasary sy hampikatona ny orinasa mpamokatra voasary. Fantatry ny manam-pahaizana iray momba ny bibikely anefa fa tsy nanimba ny voly tany Aostralia izy io, ka nankany izy mba hamantarana ny antony. Hitany fa nisy karazana sokatrakely nihinana an’ireo bibikely mpanimba voly. Nandefasana 500 teo ho eo tamin’io sokatrakely io tany Kalifornia. Saika fongotra tanteraka ireo bibikely mpanimba voly, tao anatin’ny herintaona. Voavonjy ihany ny saham-boasary.

Ny fiainan’ny sokatrakely

Mitovy amin’ny sokatra io bibikely mahafatifaty io, satria boribory na boribory lavalava ny tampony, ary fisaka ny ao ambaniny. Latsaka ny 12 milimetatra ny halavan’ny sokatrakely amin’ny ankapobeny, na dia mahery mihinana be aza izy. Manana elatra mafy mamirapiratra izy ireo, ary miloko samihafa izy io. Voaro ao ambanin’izy io ny elatra marefo fanidinany. Sokafany ary ingainy ireo elany mafy, rehefa hanidina izy. Sokatrakely menamena misy pentina mainty no tena fahita amin’ny sary. Samihafa daholo anefa, raha ny marina, ny loko sy ny soratsoratra amin’ny elatry ny sokatrakely, izay misy karazany 5 000 eo ho eo. Ao ny mivolondaoranjy na mavo misy pentina mainty, sy ny mainty misy pentina mena. Misy karazany vitsivitsy tsy misy pentina, ary ao koa ny mitsipitsipika. Ny sasany aza misy sarisary miendrika efamira maromaro miloko roa samy hafa.

Miaina herintaona ny karazana sokatrakely maro. Matory amin’ny toerana maina sy voaro izy mandritra ny ririnina. Mifoha izy rehefa mihamafana ny andro, ary manidina mba hitady zavamaniry be haon-kazo. Rehefa avy manao firaisana izy, dia mamoaka atody bitika kely mavomavo maromaro (eo ankavanana). Atambany ao ambadiky ny ravinkazo iray tsy lavitra an’ilay toerana be haon-kazo izany. Rehefa foy ny atody tsirairay, dia mivoaka avy ao ny sakivy manana tongotra enina. Tsy sahala amin’ny sokatrakely ilay izy, fa mitovitovy amin’ny voay kely masiaka (eto ambany). Tsy manao afa-tsy ny mihinana haon-kazo ilay sakivy, ka vetivety dia tsy omby azy intsony ny hodiny ary miendaka. Mitranga imbetsaka izany ary mipetaka amin’ny zavamaniry iray izy avy eo, ka manamboatra hoditra mafy kokoa ifonosany. Mitombo hatrany izy ka lasa bibikely amin’ny farany, ary mivoaka avy ao anatin’ilay fonony. Mijanona eo amin’ilay zavamaniry izy mandra-pahamafin’ilay vatany malemilemy sy matromatroka. Mipoitra ilay loko mampiavaka azy rehefa afaka iray andro.

Miezaka mandositra an’ilay sokatrakely mareva-doko ny fahavalony. Mamoaka ranoka mavomavo maimbo sy ratsy tsiro mantsy izy io, rehefa misy mampahatahotra azy. Voa mafy izay biby mpiremby sendra azy, na vorona io na hala, ka mahatsiaro foana ny fahavoazany raha vao mahita ny loko marevak’ilay bibikely.

Sokatrakely mampidi-doza

Nisy karazana sokatrakely nampiasaina mba hiadiana tamin’ny bibikely mpanimba voly, nefa hita tatỳ aoriana fa mampidi-doza. Misy miantso azy io hoe sokatrakely maro lokon’i Azia. Avy any avaratratsinanan’i Azia mantsy izy io, ary miriaria any miaraka amin’ny karazana sokatrakely hafa. Tena mahery mihinana haon-kazo sy zavamaniry hafa mpanimba voly izy ireo, ka nalefa tany Amerika Avaratra sy Eoropa vao tsy ela izay. Mampalahelo anefa fa mampidi-doza an’ireo sokatrakely any izy ireo, satria lanin’izy ireo daholo ny sakafony. Tsy izay ihany fa ataony majifa ny sokatrakely eo an-toerana sy ny bibikely mahasoa hafa, rehefa lany ilay sakafo tiany sady tsy eo ny fahavalony hihinana azy. Manahy ny manam-pahaizana momba ny bibikely, satria hitany fa mety ho lany tamingana ny karazana sokatrakely sasany amin’ny hoavy. Tsy tian’ny olona koa ilay sokatrakely maro lokon’i Azia, satria mahery mihinana ny voankazo masaka efa hotazana. Tsy vitan’izany fa mirohotra any an-tranon’olona izy ireo amin’ny fararano, mba handositra ny ririnina.

Misy karazana sokatrakely vitsivitsy koa tsy mihinana bibikely mpanimba voly, fa ny voly tena ilain’ny olona indray no haniny. Soa ihany anefa fa mitondra soa ho an’ny mpamboly ny ankamaroan’ny sokatrakely.

Fomba hisarihana ny sokatrakely

Ahoana no hisarihanao ny sokatrakely ho ao an-jaridainanao? Tian’izy ireo ny vovobony sy mamimbony avy amin’ny felam-boninkazo. Manintona azy koa ny toerana kely misy ahidratsy sy ny rano kely ao anaty vilia. Aza mampiasa fanafody famonoana bibikely, raha azo atao. Mampahazo aina tsara azy koa rehefa ririnina ny matory eny amin’ny ravina maina, na efa nihintsana tamin’ny tahony izany na tsia. Raha mahita sokatrakely na atodiny eny an-jaridainanao ianao, dia tandremo mba tsy ho voapotsitrao izy ireny. Mety hamono ny taranaka sokatrakely manaraka mantsy ianao amin’izany.

Tadidio fa vitsy monja amin’ireny bibikely tsara tarehy ireny dia efa hanampy anao hiaro ny zaridainanao amin’ny bibikely mpanimba. Tsy hilainao akory amin’izay ny hampiasa fanafody famonoana bibikely, izay mampidi-doza. Hamaly soa anao ny sokatrakely raha karakarainao. Zavaboary iray hafa mampiseho ny fahendren’ny Mpamorona izy io. Niaiky toy izao mantsy ny mpanao salamo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.”—Salamo 104:24.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Ambony: © Waldhäusl/Schauhuber/Naturfoto-Online; sary roa eo ankavia: Scott Bauer/Agricultural Research Service, USDA; afovoany: Clemson University - USDA Cooperative Extension Slide Series, www.insectimages.org; atody: Bradley Higbee, Paramount Farming, www.insectimages.org

[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]

Avy any ankavia, voalohany: Jerry A. Payne, USDA Agricultural Research Service, www.insectimages.org; faharoa: Whitney Cranshaw, Colorado State University, www.insectimages.org; fahatelo: Louis Tedders, USDA Agricultural Research Service, www.insectimages.org; fahefatra: Russ Ottens, The University of Georgia, www.insectimages.org; eo ambony ravinkazo: Scott Bauer/Agricultural Research Service, USDA