Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Zaza menavava 82 no nisy nanary teny amin’ny lalan’i Mexico, tao anatin’ny 15 volana. Efa maty ny 27 taminy.—EL UNIVERSAL, MEKSIKA.

Karazam-biby 27 indray no hita, noho ny fikarohana lava-bato tao amin’ny valan-javaboary roa tany Kalifornia, any Etazonia. “Porofoin’izany mazava tsara fa ampahany kely monja amin’ny tontolo manodidina antsika no fantatsika”, hoy i Joel Despain, manam-pahaizana momba ny lava-bato, ao amin’ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Valan-javaboary.—SMITHSONIAN, ETAZONIA.

Tsy manana rano fisotro madio ny 20 isan-jaton’ny olona eran-tany, ary tsy manana kabine sy toerana fidiovana ny 40 isan-jatony.—MILENIO, MEKSIKA.

Biby 20 000 ka hatramin’ny 30 000 isan-taona no vonoin’ny mpihaza tsy ara-dalàna, any amin’ny Valan-javaboarin’i Serengeti fotsiny.—THE DAILY NEWS, TANZANIA.

Nasehon’ny fikarohana natao tany Barcelone, any Espaina, fa ny ampahatelon’ny mpianatra 16 taona no zatra mifoka cannabis (karazan-drongony).—LA VANGUARDIA, ESPAINA.

Bakteria any Amin’ny Birao

Nijery ny habetsahan’ny bakteria any amin’ny birao, tany amin’ny tanàna maromaro any Etazonia, ny mpikaroka momba ny zavamananaina bitika, avy ao amin’ny Oniversiten’i Arizona. Hitan’izy ireo fa “ny telefaonina, ny latabatra, ny raobine, ny hidin’ny lafaoro famanana sakafo, ary ny klavie no toerana be bakteria indrindra, (raha alahatra araka ny habetsahany)”, hoy ny gazety Globe and Mail. Voalaza tao koa fa “amin’ny antsalany, ny bakteria eny amin’ny latabatra fiasana dia avo 100 heny noho ny bakteria eny amin’ny latabatra any an-dakozia, ary avo 400 heny noho ny eny amin’ny sezan’ny kabine.”

“Kristianina An-tendro-molotra Fotsiny”

Voalaza fa i Philippines ihany no firenena “kristianina” any Azia. Hoy anefa ny Eveka Efraim Tendero, avy ao amin’ny Filan-kevitry ny Fiangonana Ara-pilazantsara any Philippines: “Kristianina an-tendro-molotra fotsiny ny ankamaroantsika, fa tsy hita amin’ny ataontsika izany.” Misy fahadisoan’ny mpitondra fivavahana amin’izany, hoy ny Manila Bulletin, satria tsy “nanampy ny olona hahalala sy hankasitraka ny fampianaran’ny Baiboly” izy ireo. Voalaza fa ny politika no asongadina amin’ny toriteny sasany, fa tsy ny Soratra Masina.

Miady Sakafo ny Biby sy ny Olona

“Re matetika tato ho ato fa manafika olona ny babakoto sy ny karazana alikadia atao hoe hyène, any amin’ny faritra misy hain-tany any Somalia”, hoy ny gazety The East African any Nairobi. Niady rano ny babakoto sy ny olona indray mandeha, ka babakoto maromaro no maty ary nisy mpiompy naratra. Voalaza fa misy gidro maromaro miandry eny amin’ny “sampanan-dalana na tetezana”, mba hanafika kamiao mpitatitra sakafo mankany an-tsena. Efa hain’izy ireo tsara ny toerana mora hanafihana an’ireo kamiao. “Fahita ny biby mandositra mitondra lafitr’akondro na pasteky [ngezabe]”, hoy ihany ilay gazety.

Manova ny Toetrandro eny Amoron-tsiraka ny Fitaterana An-dranomasina

Mety hanova ny toetrandro eny amoron-tsiraka ny fivezivezen’ny sambo maro be eny an-dranomasina, hoy ny gazety alemà Kölner Stadt-Anzeiger. Nandinika ny fiforonan’ny rahona teo ambonin’ny La Manche, ny manam-pahaizana tao amin’ny Fikambanana Max Planck Mikaroka Momba ny Toetrandro, any Hambourg. Hitan’izy ireo fa lasa manify kokoa ny rahona eny amoron-tsiraka, ary matevina kokoa ny eny ambonin’ny rano falehan’ny sambo. Voalaza fa ny setroka avy amin’ny sambo no mahatonga izany. Heverina fa ny vovoka molaly ao anatin’ilay setroka no mahatonga ny fiforonan’ny vongan-drano sy mahabetsaka azy ireny. “Nitombo avo efatra heny mahery ny solika lany tamin’ny sambo, tao anatin’ny 50 taona farany”, hoy ilay gazety.