Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mahomby ve ny Fivavahana Kristianina?

Tsy Mahomby ve ny Fivavahana Kristianina?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Tsy Mahomby ve ny Fivavahana Kristianina?

NY AMPAHATELON’NY olona eran-tany eo ho eo no milaza fa Kristianina. Toa vao mainka anefa feno herisetra noho ny taloha izao tontolo izao, sady voazarazaran’ny politika. Nisy tsy nety àry ve ny fampianaran’i Jesosy, tamin’izy nanorina ny Fivavahana Kristianina? Sa ny fomba ampiharan’ny olona azy io no tsy mety?

Hohazavain’ity lahatsoratra ity hoe inona marina no nampianarin’i Kristy, ary inona no modely nomeny ho an’ny mpanara-dia azy. Ho hita ato koa ny hevitra iray iombonan’ireo mitonona ho Kristianina, nefa mifanohitra amin’izay nampianarin’i Kristy.

Fivavahana Kristianina sandoka

Niforona ny Fivavahana Kristianina sandoka, 400 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Kristy, ary lasa fivavahan’ny Fanjakana Romanina. Tsy nailikilika intsony ireo olona mitonona ho Kristianina teo anivony, ary tsy ela dia lasa tiam-bahoaka sy nahazo toerana ambony teo amin’ny fitondrana romanina. Izany fiovana izany no nahatonga an’ireo mpitondra fivavahana, toa an’i Augustin, hampianatra fa efa tonga ilay Fanjakan’Andriamanitra nandrasana hatry ny ela. Nampianatra izy ireo fa ny fahefana vaovao nananany teo amin’ny politika sy ny fivavahana, no fomba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany. Nasongadina àry fa mahay mitondra ny tany ny olombelona.

Noho izany, dia maro no mino fa tokony hitana toerana eo amin’ny fitondrana ny Kristianina. Mampandefitra ny zavatra sasany inoany ny ankamaroan’izy ireo indraindray, mba hanaovana izany. An-tendro-molotra fotsiny, ohatra, no anarahan’ny maro ny fampianaran’i Kristy momba ny fitiavana sy ny fihavanana, satria manohana ady mahatsiravina izy ireo. Mety hampirisika ny mpiangona ao aminy hivavaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra koa ny mpitondra fivavahana, nefa sady manohana an’ireo mpitondra manao tsindry hazo lena.

Tsy toy izany ilay Fivavahana Kristianina naorin’i Jesosy. Nisy nanova kosa izy io ka nanjary Fivavahana Kristianina sandoka na Kristianisma Anarana, izany hoe ny fivavahana arahin’ny ankamaroan’ny olona mitonona ho Kristianina. Tsy mahomby izy io, ary manaporofo an’izany ny tsy firaharahan’ny mpiangona maro eo anivony ny fitsipiky ny Baiboly.

Inona marina no nampianarin’i Jesosy?

Mety ho gaga ny olona sasany raha mahalala, fa nampianatra ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao izy [ireo], tahaka [azy] tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:15, 16) Nahoana izy no nampirisika ny mpianany hanao toy izany? Namaly izany ny apostoly Jaona, ilay mpianatra tian’i Jesosy. Hoy izy: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’—1 Jaona 5:19.

Tsy mampifantoka ny sain’ny olona ho amin’ny fitondran’olombelona àry ny fampianaran’i Kristy, fa ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Hampanjaka ny fahamarinana sy rariny eto an-tany mantsy izy io. (Matio 6:10) Tsy nanandrana nanova ny rafitra naorin’ny olona tamin’ny androny mihitsy i Jesosy. Tsy nanaiky tsotra izao hataon’ny olona ho mpanjaka izy. (Jaona 6:15) Tsy nety nampiasa herisetra koa izy mba handaminana tsy fifanarahana. (Matio 26:50-53; Jaona 18:36) Tsy namela lalàm-panorenana na fitsipika momba ny zon’olombelona izy. Tsy nanao politika mihitsy izy. Tsy nanao fihetsiketsehana ho fitakiana ny zon’ny andevo, ohatra, izy, sady tsy niditra tamin’ny ady nataon’ny Jiosy hanoherana ny Romanina.

Tsy midika anefa izany hoe tsy niraharaha ny olona sy ny fahasahiranany i Jesosy. Nampianatra zavatra betsaka momba izay tokony hitondran’ny olona ny mpiara-belona aminy izy. Nampirisihiny hanao ny marina ny olona rehefa nandoa hetra. Nantitranteriny koa fa ilaina ny mankatò ny manam-pahefana. (Matio 22:17-21) Nampianatra ny amin’ny fomba hanajana ny hafa sy hanehoana fiahiana an’ireo mila fanampiana izy. Ankoatra izany, dia natorony ny fomba hiarahana miory na mifaly amin’ny hafa, hamelana heloka, ary hamindrana fo. (Matio toko 5-7) Fantatry ny olona tsara fa nihodinkodina tamin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona, ny fampianaran’i Kristy.—Marka 12:30, 31.

Ny tena Kristianina

Manahaka an’i Jesosy àry izay tena mpanara-dia azy. Mankatò tsara ny lalàna eo amin’ny taniny izy ireo, nefa tsy manao politika mihitsy. (Jaona 12:47, 48) Manaraka ny toro lalana kristianina foana izy ireo, na dia iharam-pitsapana mafy aza. (1 Petera 2:21-23) Tsy hoe tsy miraharaha izay manjo ny olona anefa ny tena Kristianina. Mitady izay hahasoa ny mpiara-belona aminy kosa izy, toy ny nataon’i Jesosy. (Marka 6:34) Mampiasa ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany koa izy, mba hahalalan’ny hafa ny fampianaran’i Kristy sy hankatoavany an’izany ka ho sambatra kokoa izy ireo.—Jaona 13:17.

Izany no antony iezahan’ny Vavolombelon’i Jehovah manahaka an’i Kristy, rehefa mifandray amin’ny mpiara-belona aminy izy ireo. Tsy anisan’ity tontolo ity izy ireo, na dia tia fihavanana sy mpankatò lalàna aza. Tsy mandray anjara amin’ny herisetra sy ny adilahy politika fahita ankehitriny izy ireo, toa an’i Jesosy. Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no antenain’izy ireo fa hamaha ny olana eto an-tany. Manjary sambatra kokoa sy miray saina ny olona, rehefa manaraka ny tena Fivavahana Kristianina. (Jaona 13:34, 35) Mahomby tokoa izy io!

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Tokony hanao politika ve ny Kristianina?—Jaona 6:15.

◼ Nampirisika ny olona hampiasa herisetra ve i Kristy, mba handaminana tsy fifanarahana?—Matio 26:50-53.

◼ Ahoana no amantarana ny tena Kristianina?—Jaona 13:34, 35.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

EL COMERCIO, Quito, Ecuador