Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Inona no Mitranga Amin’ny Fivavahana?

Fa Inona no Mitranga Amin’ny Fivavahana?

Fa Inona no Mitranga Amin’ny Fivavahana?

MISY lafiny maro itovian’ny fomba amam-panao sy ny zavatra inoan’ny olona any Amerika Latinina, hatrany avaratra ka hatrany atsimo, izany hoe any Meksika ka hatrany Silia. Mbola tsaroan’ny zokiolona any Amerika Latinina, fa fivavahana tokana ihany no nisy tany taloha, dia ny Fivavahana Katolika. Ny Espaniola no nampiditra azy io an-keriny, tamin’ny taonjato faha-16. Katolika koa ilay tany nanjanaka an’i Brezila, izay tsy iza fa i Portogaly. Nanohana ny fanjakana tany Amerika Latinina ny Fivavahana Katolika, nandritra ny 400 taona. Nomena vola be izy ireo ho takalon’izany, sady nekena ho fivavaham-panjakana.

Hitan’ny pretra sasany anefa, teo anelanelan’ny taona 1960 sy 1970, fa lasa tsy tiam-bahoaka intsony izy ireo satria nanohana ny mpitondra. Nanomboka nampirisika ny olona hanampy ny mahantra àry izy ireo, ka nanohana an’ilay antsoina hoe tolona ataon’ny Eglizy ho fanafoanana ny tsindry hazo lena. Natao hiadiana tamin’ny fahantrana io tolona io, satria be loatra ny Katolika nahantra tany Amerika Latinina.

Na teo aza anefa izany hetsika politika nataon’ny mpitondra fivavahana izany, dia olona an-tapitrisany no niala tamin’ny finoana katolika, ka nifindra tany amin’ny fivavahana hafa. Vetivety dia nihamaro ny fivavahana ahitana mpiangona mihetsi-po be, ka mihira mafy sy mitehatehaka. Ny fotoam-pivavahana sasany aza toy ny rindran-kira rock mihitsy. “Mizarazara be dia be” ny fivavahana toy ireny “eto Amerika Latinina”, hoy i Duncan Green ao amin’ilay bokiny hoe Zavatra Mampiavaka An’i Amerika Latinina (anglisy). “Pasitera iray monja mazàna no mitantana azy rehetra. Matetika no mizara maromaro ny Fivavahana iray, rehefa mihabetsaka ny mpiangona ao.”

Tsy tia fivavahana intsony ny Eoropeanina

Fanjakana mitonona ho Kristianina no nitondra saika nanerana an’i Eoropa manontolo, nandritra ny 1 600 taona mahery. Mbola maro ve ny Eoropeanina tia fivavahana, amin’izao taonjato faha-21 izao? Tamin’ny 2002, dia hoy ilay manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina, atao hoe Steve Bruce, momba an’i Grande-Bretagne: “Saika ny fampakaram-bady rehetra no nentina tany am-piangonana, tamin’ny taonjato faha-19.” Ny 60 isan-jato anefa sisa no niditra am-piangonana tamin’ny 1971, ary ny 31 isan-jato tamin’ny 2000.

Niresaka momba an’io fiovana io ny mpanao gazety ara-pivavahana, avy ao amin’ny gazety Telegrafy Isan’andro (anglisy), any Londres. Hoy izy: “Efa hatramin’ny ela no nihavitsy ny mpiangona any amin’ireo fivavahana lehibe, anisan’izany ny Eglizy Anglikanina, Katolika, Metodista, ary ny Fiangonana Mitambatra Nohavaozina.” Hoy koa izy: “Efa tsy hisy intsony ny ankamaroan’ny Fivavahana eto Grande-Bretagne, amin’ny taona 2040. Roa isan-jato amin’ny mponina eto mantsy sisa amin’izay no hiangona isaky ny alahady.” Misy milaza zavatra mitovy amin’izany koa momba ny fivavahana any Holandy.

Nilaza toy izao, ohatra, ny Sampan-draharaha Holandey Misahana ny Fiaraha-monina sy ny Kolontsaina: “Hita miharihary tato ho ato fa mihatsy tia fivavahana ny olona eto amin’ny tanintsika. Azo inoana fa ny 72 isan-jaton’ny olona eto no hilaza fa tsy manana fivavahana, amin’ny taona 2020.” Hoy koa ny gazety iray momba an’i Alemaina: ‘Mihamaro ny Alemà mankany amin’ny mpanao ody, mba hahazoana fampiononana. Tsy miantehitra amin’ny fivavahana toy ny taloha intsony izy ireo. Maro ny fiangonana mikatona manerana an’i Alemaina, satria tsy misy mpiangona tonga.’

Marina fa mbola mandeha miangona ihany ny Eoropeanina sasany. Tsy hamantatra izay takin’Andriamanitra aminy anefa no tena anton-diany. Hoy ny tatitra iray avy any Italia: “Ampifanarahin’ny Italianina amin’ny fomba fiainany ny fivavahany.” Hoy koa ny manam-pahaizana iray momba ny fiaraha-monina, any an-toerana: “Rehefa miteny ny Papa, dia izay teniny mahafinaritra antsika ihany no ekentsika.” Toy izany koa no ataon’ny Katolika any Espaina. Tsy tia fivavahana intsony ny Espaniola, fa lasa matimatin-karena. Izay hahazoana vola be haingana no tanjony.

Tsy izany mihitsy anefa no fomba tokony hanompoana an’Andriamanitra, rehefa jerena ny fampianarana sy modely nomen’i Kristy sy ireo mpianany. Rehefa namorona ny Fivavahana Kristianina i Jesosy, dia tsy nilaza hoe izay fampianarana tianao ihany no horaisinao, ary azonao avela izay tsy tianao. Tsy toy ny olona mankany amin’ny hotely fisakafoana ny Kristianina, ka mahazo manafatra izay sakafo tiany, ary mamela izay tsy tiany. Hoy kosa i Jesosy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary hanaraka ahy mandrakariva.” Te hilaza izy fa tokony ho vonona hahafoy tena sy hiezaka mafy ny Kristianina.—Lioka 9:23.

Miezaka misarika olona ny pasitera any Amerika Avaratra

Voalaza fa tsy tia fivavahana koa ny olona any Kanada. Tsy toy izany anefa ny any Etazonia, satria tena zava-dehibe amin’ny olona any ny fivavahana. Ny 40 isan-jaton’ny olona nanontaniana, fara fahakeliny, no nilaza fa mandeha miangona isan-kerinandro, na dia ny 20 isan-jato eo ho eo ihany aza no tena manao izany, rehefa natao ny fanisana. Maherin’ny 60 isan-jato no mino fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly. Vetivety ihany anefa dia tsy mahaliana azy ireo intsony izay fivavahana alehany. Mora miova fivavahana ny olona maro any Etazonia. Raha vao tsy tian’ny olona fotsiny ny pasitera, na tsy mahay misarika olona, dia tsy misy mpiangona tonga intsony ao amin’ny fivavahana sahaniny. Vita hatreo ny fidiram-bolany, nefa vola be izany matetika!

Mitady fomba hisarihana olona bebe kokoa àry ny fivavahana sasany. Mianatra momba ny raharaham-barotra, ohatra, izy ireo. Misy koa maka mpanoro hevitra momba ny fivavahana, na dia andoavam-bola be aza izany. Afa-po ny pasitera iray nanao izany, ka niteny hoe: “Tsy lanilany foana ny vola naloanay.” Manjary mpanankarena be tokoa ny fivavahana lehibe sasany misy mpiangona an’arivony, ka lasa resahina ao amin’ny gazety momba ny toe-karena. Anisan’izany Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy) sy ny gazety Toe-karena (anglisy). Resahin’ireo gazety ireo fa sady afaka mikarakara vatana ianao any amin’ireny fivavahana ireny, no afaka mianatra momba an’Andriamanitra. Ireto avy no mety ho hita any: Hotely fisakafoana, toerana fivarotana sakafo maivana, trano fanaovam-bolo, fikarakarana tarehy, fandroana amin’ny etona, ary fanaovana fanatanjahan-tena. Misy fomba hafa koa isarihany olona. Manao fampisehoana an-tsehatra na mandefa mozika maoderina, ohatra, izy ireo, na koa manasa olo-malaza. Inona kosa no ampianarin’ny pasitera?

Tsy mitory ny Filazantsara izy ireo, fa mampianatra ny fomba ahazoana vola be. Ilazan’izy ireo ny mpiangona fa ho lasa mpanankarena sy ho salama, raha manome vola be ho an’ny fiangonany. Matetika izy ireo no mampianatra fa tsy sarotiny amin’ny fitondran-tenan’ny olona Andriamanitra. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny fiaraha-monina: “Natao hampandriana eritreritra ny fivavahana amerikanina, fa tsy natao hananarana.” Matetika ny fivavahana amerikanina be mpitia no lasa mpanoro hevitra mahakasika ny fomba hanatsarana ny fiainana. Mihamaro koa ny olona tia mankany amin’ny fivavahana tsy miankina. Tsy dia miresaka foto-pinoana mantsy izy ireny, satria mampiady, hono, izany. Ny politika kosa no tena resahina, ary matetika izany no atao mivantana. Vao haingana, ohatra, no nisy pasitera nahita olana noho ny resaka politika toy izany.

Lasa tia fivavahana indray àry ve ny olona any Amerika Avaratra? Tamin’ny 2005, dia nilaza ny gazety Herinandrom-baovao (anglisy), fa lasa be mpitia ny “fivavahana misy olona mihorakoraka, safotsafotra, mingondongondona be”, na ahitana fombafomba hafa. Hoy ihany anefa io gazety io: “Tsy midika akory izany fa lasa be dia be ny olona mandeha miangona.” Mihabetsaka ny olona milaza fa tsy manana fivavahana, araka ny fanadihadiana natao. Mitombo isa fotsiny ny mpiangona any amin’ny fivavahana sasany, satria mihavitsy ny any an-kafa. Voalaza fa “tena be dia be” ny olona miala any amin’ireo fivavahana efa nisy hatramin’ny ela, izay andrenesana ôrga, sy ahitana mpitondra fivavahana miakanjo lava.

Hitantsika teo fa lasa mizarazara be dia be ny fivavahana any Amerika Latinina. Mihavitsy kosa ny mpiangona any Eoropa. Ny any Etazonia indray miezaka mampifalifaly sy mampiala voly ny mpiangona, mba hitazonana azy ireo. Marina fa tsy toy izany daholo ny zava-misy maneran-tany. Miezaka mafy mihazona ny mpiangona ao aminy anefa ny fivavahana, amin’ny ankapobeny. Midika ve izany fa efa manomboka ho foana tsikelikely ny fivavahana kristianina?

[Efajoro/​Sary, pejy 6]

MITETY FIVAVAHANA NY OLONA

Voalaza fa nampitaha ny fivavahana tamin’ny fivarotana lehibe ny lehilahy iray filohan’ny fikambanana katolika iray any Frantsa. Mahazo mitety ny talantalana rehetra ny olona, any amin’ireny fivarotana ireny. Mifidy izay entana tiany izy, ary mametraka izany ao anaty harona na fitaovana hafa. Hoy ilay lehilahy: “Mijery izay zavatra tiany ao amin’ny fivavahana iray ny olona, ka rehefa tsy mahita izay tadiaviny izy, dia mandeha any an-kafa indray.” Nanadihady momba ny fivavahana any Eoropa koa ny Profesora Grace Davie, avy any amin’ny Oniversiten’i Exeter, any Grande-Bretagne. Hoy izy: ‘Mitety fivavahana ny olona, ary mampifangaro izay zavatra hitany. Lasa anisan’ny zavatra azo isafidianana ny fivavahana, ka izay mifanaraka amin’ny fomba fiainan’ny olona sy ny zavatra tiany ihany no arahiny.’

[Sary, pejy 4, 5]

Soratsoratra eo amin’ny vavahadin’ny fiangonana iray any Naples, Italia

[Sary nahazoan-dalana]

©Doug Scott/age fotostock

[Sary, pejy 4, 5]

Maro no niala tamin’ny fivavahana katolika any Meksika