Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahotana ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

Fahotana ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

Manontany ny Tanora Hoe...

Fahotana ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

“Te hanao firaisana tamin’izay ankizivavy mpiara-mianatra taminay izay aho, tamin’izaho 12 taona. Nikorontan-tsaina aho, sady natahotra sao ho lasa vehivavy miray amin’ny vehivavy.”—Rondro. *

“Ankizilahy foana no nahasarika ahy, nandritra ny taona maromaro. Tena niady mafy tamin’izany filan’ny nofoko izany aho, satria fantatro fa tsy voajanahary ilay izy.”—Benja.

“Nifanoroka teo amin’ny molotra indray mandeha na indroa izaho sy ilay ankizivavy namako. Mbola tia ankizilahy koa anefa aho, ka nieritreritra hoe: ‘Angamba aho sady tia lehilahy no tia vehivavy.’ ”—Saholy.

MILEFITRA amin’ny fitondran-tenan’ny mpiara-belona aminy ny olona ankehitriny. Izany no mahatonga ny tanora sasany hanandranandrana hanao firaisana amin’ny ankizilahy na ankizivavy toa azy. Hoy i Becky, 15 taona: ‘Maro amin’ny ankizivavy mpiara-mianatra amiko no milaza fa vehivavy miray amin’ny vehivavy, na sady miray amin’ny vehivavy no miray amin’ny lehilahy, na koa te hahafantatra fotsiny hoe ahoana izany sady miray amin’ny vehivavy no miray amin’ny lehilahy.’ Toy izany koa no mitranga any am-pianaran’i Christelle, 18 taona. Hoy izy: “Efa [ankizivavy] roa izao no nanasa ahy hanao firaisana taminy. Nanoratra tamiko mihitsy ny iray, ary nanontany raha tiako ny hahafantatra hoe hoatran’ny ahoana izany manao firaisana amin’ny ankizivavy izany.”

Tsy menatra miseho vahoaka ny lehilahy miaraka amin’ny lehilahy na vehivavy miaraka amin’ny vehivavy, any amin’ny tany maro. Mety hanontany tena àry ianao hoe: ‘Manota tokoa ve ny olona toy ireny? Ahoana raha te hanao firaisana amin’ny ankizilahy na ankizivavy toa ahy aho? Midika ve izany fa efa lasa karazan’olona toy izany mihitsy aho?’

Ahoana ny hevitr’Andriamanitra?

Olona maro ankehitriny no milaza fa tsy tena ratsy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Miray hevitra amin’izany koa na dia ny mpitondra fivavahana sasany aza. Mazava tsara anefa ny lazain’ny Baiboly. Voalaza ao fa nataon’i Jehovah Andriamanitra ho lehilahy sy vehivavy ny olona, ary ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany no mahazo manao firaisana. (Genesisy 1:27, 28; 2:24) Tsy mahagaga àry raha melohin’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.—Romanina 1:26, 27.

Maro anefa no milaza fa efa lany andro ny Baiboly. Hoy, ohatra, i Megan, 14 taona: “Tsy azo ampiharina ankehitriny intsony ny zavatra sasany lazain’ny Baiboly.” Fa nahoana ny olona sasany no maika erỳ hiteny toy izany? Satria matetika no mifanohitra amin’ny heviny ny voalazan’ny Baiboly. Laviny ny Tenin’Andriamanitra satria mampianatra zavatra mifanohitra amin’izay tiany inoana. Tsy mandinika tsara anefa ny olona toy izany, ary tery saina! Mampirisika antsika hiala amin’izany toe-tsaina izany ny Baiboly. Milaza amintsika kosa i Jehovah Andriamanitra mba handinika ny didiny, sao mba mahasoa antsika ihany izy ireny. (Isaia 48:17, 18) Tsy izany ve no tokony hatao? Iza tokoa moa no mahalala tsara kokoa antsika olombelona noho ny Mpamorona antsika?

Tanora ianao, ka mety hisy karazana fihetseham-po maro tsapanao. Ahoana àry raha tia ankizilahy na ankizivavy toa anao ianao? Midika avy hatrany ve izany fa ho lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ianao? Tsia. Fantaro fa ao anatin’ny “fotoana fivelaran’ny fahatanorana” ianao izao. Tena te hanao firaisana ny tanora amin’io fotoana io, na dia tsy fanahy iniany aza. (1 Korintianina 7:36) Mety ho lehilahy na vehivavy toa anao no hanintona anao, mandritra ny fotoana kelikely. Tsy midika anefa izany fa ho lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ianao. Hita tamin’ny fandinihana natao, fa mihena tsikelikely izany fihetseham-po izany, rehefa mandeha ny fotoana. Mbola mety hanontany tena ihany anefa ianao hoe: ‘Ahoana no mahatonga izany filan’ny nofo izany?’

Misy milaza fa ny fototarazo mihitsy no mahatonga ny olona iray ho lehilahy miray amin’ny lehilahy. Ny hafa indray milaza fa ny zavatra niainana no mahatonga izany. Tsy ny hamakafaka momba izany no antony nanoratana ity lahatsoratra ity. Manatsotra resaka loatra koa anefa isika, raha milaza fa antony iray monja no mahatonga ny olona iray ho toy izany. Antony maro be kosa no tafiditra, toy ny amin’ny fitondran-tena hafa ihany.

Na ahoana na ahoana anefa, dia izao no zava-dehibe tokony hotadidina: Melohin’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Raha misy olona manana faniriana toy izany àry, dia azony atao ny miady mba tsy hanatanteraka ilay izy. Tanjona azo tratrarina tsara izany. Indro misy ohatra: Aoka hatao hoe “mora tezitra” ny olona iray. (Ohabolana 29:22) Nanampatra ny hatezerany angamba izy taloha. Rehefa nianatra Baiboly anefa izy, dia nahafantatra fa mila mifehy tena. Midika ve izany fa tsy ho tezitra intsony mihitsy izy ao anatiny ao? Tsia. Feheziny kosa ny hatezerany, satria fantany izay lazain’ny Baiboly momba izany. Toy izany koa ny tokony hataon’ny olona iray tia lehilahy na vehivavy toa azy, nefa nianatra izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Mety mbola hanana an’io faniriana io izy indraindray. Ho vitany anefa ny hifehy tena tsy hanatanteraka izany, raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly izy.

Marina aloha fa mety ho efa tena lalim-paka ao anatin’ny olona iray io faniriana io. Matokia anefa fa azo resena na dia ny fanirian-dratsy faran’izay mafy aza. (1 Korintianina 9:27; Efesianina 4:22-24) Afaka mifidy izay fomba hitondranao ny fiainanao mantsy ianao. (Matio 7:13, 14; Romanina 12:1, 2) Ho vitanao ny hifehy ny fanirianao, na fara faharatsiny, tsy hanatanteraka ilay izy, na dia misy milaza aza fa tsy marina izany.

Aza manaiky ho resy

Inona no azonao atao mba tsy ho lasa lehilahy miray amin’ny lehilahy na vehivavy miray amin’ny vehivavy ianao?

Voalohany Mivavaha amin’i Jehovah ary resaho aminy izay rehetra mampanahy anao. Matokia fa ‘mikarakara anao izy.’ (1 Petera 5:7; Salamo 55:22) Hanatanjaka anao i Jehovah, ka hanome anao fiadanana izay “lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.” ‘Hiambina ny fonao sy ny sainao’ izany, ary hanome anao “hery fanampiny” mba tsy hanatanterahanao fanirian-dratsy. (Filipianina 4:7; 2 Korintianina 4:7) Hoy i Saholy, ilay ankizivavy natahotra sao ho lasa toy ireny olona sady tia lehilahy no tia vehivavy ireny: “Mivavaka amin’i Jehovah aho, isaky ny tonga ao an-tsaiko ilay fanirian-dratsy, ary mampahery ahy izy. Tsy ho nahavita niatrika an’io olana io aho, raha tsy teo ny fanampiany. Ny vavaka no manampy ahy handresy!”—Salamo 94:18, 19; Efesianina 3:20.

Faharoa Fenoy hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly ny sainao. (Filipianina 4:8) Mamakia Baiboly isan’andro. Aza atao tsinontsinona ny herin’izy io satria afaka mamolavola ny sainao sy ny fonao mba hanao ny tsara. (Hebreo 4:12) Hoy ny tovolahy iray atao hoe Jao: “Tena nisy vokany tamiko ny andinin-teny toy ny 1 Korintianina 6:9, 10 sy ny Efesianina 5:33. Vakiko foana ireo isaky ny misy fanirian-dratsy mipoitra ao anatiko.”

Fahatelo Aza mijery boky sy sary vetaveta mihitsy, na zavatra hafa mampirisika anao hanao firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Mampirongatra ny fanirian-dratsy mantsy izy ireny. * (Salamo 119:37; Kolosianina 3:5, 6) Eo koa ireo filma sy fandaharana sasany ao amin’ny tele, izay mampiseho fa fomba fiaina hafa noho ny mahazatra fotsiny ny an’ny olona toy ireny. Hoy i Rondro: “Nisy vokany teo amin’ny saiko ny fomba fisaina ratsy manjaka eto amin’ity tontolo ity, ka vao mainka tsy haiko hoe lehilahy no tokony hiarahako sa vehivavy. Halaviriko izao izay zavatra na olona mitady hampirisika ahy hanao firaisana amin’ny vehivavy toa ahy.”—Ohabolana 13:20.

Fahefatra Mitadiava olona amborahana izay manjo anao. (Ohabolana 23:26; 31:26; 2 Timoty 1:1, 2; 3:10) Nangataka torohevitra tany amin’ny anti-panahy i Benja. Hoy izy: “Tena nandaitra ny toroheviny. Tahaka izay aho taloha be dia efa niresaka taminy.”

Aza milavo lefona!

Mety hisy hilaza fa tsy ilaina ny manaraka ireo torohevitra rehetra ireo. Tokony hotanterahinao fotsiny, hono, izay fanirianao ary hamboarinao ny sainao. Rehefa jerena anefa ny Baiboly, dia tsy voatery hanao toy izany ianao! Tantaraina ao mantsy fa lehilahy niray tamin’ny lehilahy ny Kristianina sasany fahiny, nefa niova. (1 Korintianina 6:9-11) Ho vitanao koa ny handresy ilay fanirian-dratsy ao anatinao, na dia mbola ao am-po fotsiny aza ilay izy fa tsy notanterahina.

Raha mbola tsy afaka ao aminao ihany ilay faniriana, dia aza milavo lefona, na mihevitra fa tsy ho vitanao mihitsy ny hiova. (Hebreo 12:12, 13) Manana fanirian-dratsy daholo isika rehetra indraindray, ary tsy maintsy miady amin’izany. (Romanina 3:23; 7:21-23) Hihena anefa ny fanirian-dratsy rehefa mandeha ny fotoana, raha toa ianao ka miezaka mafy tsy hanatanteraka azy ireny. (Kolosianina 3:5-8) Ambonin’ny zava-drehetra, dia miantehera amin’i Jehovah, fa hanampy anao izy. Tia anao izy, ary fantany izay hahasambatra anao. (Isaia 41:10) “Matokia an’i Jehovah hianao, ka manaova soa, ... dia homeny anao izay irin’ny fonao.”—Salamo 37:3, 4.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana rehetra ato.

^ feh. 19 Lasa sarotra izao ny manavaka ny lehilahy tsotra sy ny lehilahy miray amin’ny lehilahy any amin’ny tany sasany. Misy karazana lehilahy mikarakara tena tafahoatra mantsy any. Voalaza fa io karazan’olona io dia mety ho ‘lehilahy miray amin’ny lehilahy, na lehilahy miray amin’ny vehivavy, na sady miray amin’ny lehilahy no miray amin’ny vehivavy. Tsy ny olona anaovany firaisana anefa no zava-dehibe aminy, satria ny tenany ihany no tiany, ka izay karazana firaisana ahazoany fahafinaretana no ataony.’ Milaza ny rakipahalalana iray fa nihanalaza io fomba fiaina io, ‘rehefa nanjary nekena teo anivon’ny fiaraha-monina ny firaisan’ny samy lehilahy, ary niova ny fiheveran’ny olona ny atao hoe lehilahy.’

ERITRERETO IZAO:

◼ Nahoana Andriamanitra no tsy mankasitraka ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?

◼ Inona no azonao atao raha te hanao firaisana amin’ny lehilahy na vehivavy toa anao ianao?

◼ Iza no azonao amborahana izay tsapanao?

[Sary, pejy 30]

Mangataha torohevitra amin’ny Kristianina matotra efa olon-dehibe