Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Atao Rehefa Mitohana ny Fifamoivoizana?

Inona no Atao Rehefa Mitohana ny Fifamoivoizana?

Inona no Atao Rehefa Mitohana ny Fifamoivoizana?

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA

MANAO fotoana amin’ny dokoteranao ianao, ka miala aloha be ao an-trano. Nisy zavatra tsy tao an-tsainao mihitsy anefa. Mitohana ny fifamoivoizana! Mandeha ihany ny minitra sy ny segondra, nefa zara raha mihetsika ny fiaranao. Toy ny mandady mihitsy ilay izy! Manomboka matahotra ianao sao ho tara. Ary dia izany tokoa no mitranga! Tara antsasak’adiny be izao ianao.

Anisan’ny zavatra tena manorisory ny olona any an-tanàn-dehibe ny fitohanan’ny fifamoivoizana, indrindra rehefa ilay zara raha mihetsika iny ny fiara. Ny rivotra iainana amin’izany maloton’ny setroka! Mampalahelo fa mponina an-tanàn-dehibe an-tapitrisany no miaritra izany isan’andro. Toa tsy misy farany mihitsy anefa ilay izy.

Hoy ny Fikambanana iray any Texas mpanadihady momba ny fitaterana, mahakasika an’i Etazonia: “Vao mainka mihamitohana ny fifamoivoizana any amin’ny tanàn-dehibe rehetra.” Nilaza koa io fikambanana io fa mihabetsaka hatrany ny olona mivezivezy any an-tanàn-dehibe, nefa tsy mety mahita hevitra mahomby hiatrehana izany ny manam-pahefana. Izany koa no zava-misy eran-tany. Vao tsy ela izay, dia nisy fitohanan’ny fifamoivoizana nahatratra 100 kilaometatra tany Chine. An’arivony ny fiara tsy afa-nihetsika. Andro maromaro ny polisy vao nahafaka an’ilay izy! Toy izany koa ny any Mexico. Mety ho adiny efatra mahery no hanaovanao lalana 20 kilaometatra mankany afovoan-tanàna, raha mandeha fiara ianao. Ny olona mandeha an-tongotra indray aza no ho tonga aloha.

Tsotra ny antony mampitohana ny fifamoivoizana any an-tanàn-dehibe. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny mponina any. Ny antsasany eo ho eo amin’ny olona eran-tany izao no mipetraka any. Rehefa mihabetsaka anefa ny mponina, dia mihabetsaka koa ny fiara. Hoy ny mpanoratra iray: “Be loatra ny olona, ary be loatra ny fiarany. Samy te hitondra ny fiarany any amin’ny toerana iray koa izy ireo, nefa tery be any.”

Nahoana izy io no mbola misy foana?

Tena mila fiara ny olona. Izany no mahatonga ny fiara hihabetsaka hatrany. Tsy maintsy mitady vahaolana àry ny manam-pahefana any an-tanàn-dehibe. Efatra tapitrisa eo ho eo izao ny mponina any Los Angeles, Etazonia. Efa maro noho izany anefa ny isan’ny fiara any! Mbola tsy be dia be toy izany angamba ny fiara any amin’ny tanàn-dehibe hafa. Efa mihabetsaka koa anefa izao ny fiara any, ka mihasarotra ny fifamoivoizana. Hoy i Carlos Guzmán, filohan’ny Vaomieran’ny Tanàn-dehiben’i Madrid: ‘Tsy nampoizina hisy fiara be dia be toy izao, tamin’ny fotoana nanorenana ny tanàn-dehibe.’ Any amin’ny tanàn-dehibe efa nisy hatry ny ela no tena mitohana ny fifamoivoizana. Tery be mantsy ny lalana any. Marina fa malalaka ny arabe any amin’ireo tanàn-dehibe vao haingana kokoa. Mitohana koa anefa ny fifamoivoizana any, indrindra amin’ny maraina sy hariva, satria amin’izay no tena be fiara mivezivezy. Hoy ny Pr. Jean-Paul Rodrigue, tao amin’ny tatitra iray nataony: “Saika mandritra ny andro manontolo no mitohana ny fifamoivoizana any an-tanàn-dehibe, ary vao mainka mihamitombo izany.”

Etsy andanin’izany, dia fiara be dia be no lafo vao mahavita lalana vaovao ny fanjakana. Tsy maharaka ny habetsahan’ny fiara intsony àry ny isan’ny lalana, na dia tena tsara aza ny fomba nanaovana azy. Hoy ny boky iray manome torohevitra hiatrehana ny fitohanan’ny fifamoivoizana: “Mbola hitohana foana ny fifamoivoizana amin’ny fotoana mahabetsaka ny fiara mivezivezy, na dia hanamboatra lalana vaovao aza isika, na koa hanalalaka izay efa eo.”

Mitohana koa ny fifamoivoizana rehefa tsy ampy ny toerana azon’ny fiara ijanonana. Maro amin’ny fiara any an-tanàn-dehibe no tsy maintsy mivezivezy etsy sy eroa, mba hitady toerana ijanonana fotsiny. Olona 400 000 eo ho eo isan-taona no maty vokatry ny setroka avoakan’ny fiara, indrindra ny any an-tanàn-dehibe. Voalaza, ohatra, fa tena maloto ny rivotra any Milan, tanàn-dehibe any Italia, ka toy ny hoe mifoka sigara 15 ianao raha mijanona any iray andro.

Lany fotoana sy sorena koa ny mpamily rehefa mitohana ny fifamoivoizana. Sarotra ny mamantatra hoe inona no vokatry ny fahasorenana eo amin’ny vatana. Hita tamin’ny fandinihana natao anefa fa mahatratra 70 000 tapitrisa dolara eo ho eo, isan-taona, ny fatiantoka ateraky ny fitohanan’ny fifamoivoizana, any amin’ny 75 amin’ireo tanàna lehibe indrindra any Etazonia. Inona no azo atao mba hanamaivanana izany?

Vahaolana vitsivitsy

Efa mandray fepetra hentitra ny tanàn-dehibe maro. Voafetra, ohatra, ny isan’ny fiara azon’ny olona vidina, any Singapour. Anisan’ny tany be fiara indrindra mantsy any. Any amin’ny toerana manan-tantara indray, anisan’izany ny tanàn-dehibe sasany any Italia, dia tsy azon’ny fiara idirana any afovoan-tanàna, saika mandritra ny andro.

Nanome soso-kevitra kosa ny manam-pahefana any amin’ny tanàn-dehibe hafa, hoe tsy maintsy mandoa vola izay fiara te ho any afovoan-tanàna. Nahomby izany tany Londres, satria mihena izao ny fitohanan’ny fifamoivoizana any. Toa te hanandrana azy io koa ny tanàn-dehibe hafa. Any an-toeran-kafa indray, dia amin’ny andro sasany ao anatin’ny herinandro ihany ny fiara vao mahazo mankany afovoan-tanàna, arakaraka ny nomeraony. Anisan’ny mampihatra izany i Mexico, any Meksika.

Mandany vola be koa ny manam-pahefana mba hanatsarana ny fitaterana sy ny lalana, ary hanamboarana lalana mihodidina ny tanàn-dehibe. Mampiasa ordinatera izy ireo mba handefasana ny jiron’ny fifamoivoizana, ary asainy mitady vahaolana haingana ny polisy rehefa misy lozam-piarakodia miteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Atokan’ny manam-pahefana ho an’ny fiara fitaterana ny lalana sasany indraindray. Rehefa mitady hitohana koa ny fifamoivoizana eo amin’ny lalana iray, dia ovana ho lalana tsy azo ifanenan’ny fiara ilay izy. Tsy hahomby anefa ny hevitra hitan’ny manam-pahefana raha tsy mankatò izany ny vahoaka.

Inona àry no azonao atao?

Hoy i Jesosy Kristy: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Raha mampihatra izany torohevitra tena tsara izany isika, dia mety hihena na dia ny olana sarotra indrindra ateraky ny fitohanan’ny fifamoivoizana aza. Tsy hahomby kosa, na dia ny vahaolana faran’izay tsara aza, raha samy manao izay saim-pantany ny rehetra. Ireto misy torohevitra vitsivitsy mahasoa anao, rehefa mitohana ny fifamoivoizana.

Mandehana an-tongotra na bisikileta raha akaiky ny toerana halehanao. Izany no vahaolana tsara indrindra, satria haingana kokoa, tsotra kokoa, ary mahasalama kokoa. Raha lavidavitra kosa ilay toerana, dia mandehana fiara fitaterana. Efa miezaka manatsara ny fiara fitaterana sy ny lalamby ary ny fiarandalamby izao ny tanàn-dehibe maro, mba hahatonga ny olona tsy hitondra fiara. Tsy mandany vola firy koa ny mandeha fiara fitaterana sy fiarandalamby. Raha lavitra ny tranonao ny toerana fijanonan’izy ireny, dia azonao atao ny mitondra fiara mandra-pahatonga any.

Raha tsy maintsy mitondra fiara kosa ianao hatrany amin’izay halehanao, dia jereo sao misy olon-kafa koa hitondra fiara ho any. Nahoana raha miray fiara ianareo? Anisan’ny fomba tsara indrindra hampihenana ny fitohanan’ny fifamoivoizana izany, amin’ny fotoana mahabetsaka ny fiara mivezivezy. Mitondra fiara ny ankamaroan’ny Amerikanina rehefa hiasa. Mandeha irery anefa ny androatokon’ireo. Milaza ilay boky terỳ aloha, fa “mety hihena be ny fahatarana sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana, amin’ny fotoana mahabetsaka ny fiara mivezivezy”, raha ampirisihina hiray fiara ny olona handeha hiasa. Any amin’ny toerana maro, dia mahazo mandeha amin’ny lalana ahafahana mandeha mafy kokoa ny fiara misy olona roa na mihoatra. Tsy mahazo mandeha amin’izany kosa ny fiara, raha olona iray monja no ao anatiny.

Aza mandeha mandritra ny ora mahabetsaka ny fiara mivezivezy, raha mety. Hahasoa anao sy ny mpamily hafa izany. Ataovy tsara toerana koa ny fiaranao rehefa mijanona, mba tsy ho sahirana ny fiara mandeha eny amin’ny arabe. Marina fa mety mbola hitohana ihany ny fifamoivoizana any amin’izay alehanao, na dia efa manao izay vitanao aza ianao mba hialana amin’izany. Misy zavatra azonao atao amin’izay, mba hahatonga anao tsy ho sorena loatra.—Jereo ilay efajoro etsy ambony.

Tsy maintsy hisy foana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, any an-tanàn-dehibe. Tsy ho sorena loatra anefa ianao, raha mandray ny andraikitrao, ka mitady fomba hiatrehana izany. Miezaha koa hahalala fomba sy hanam-paharetana amin’ny mpamily hafa.

[Efajoro/​Sary, pejy 23]

Aoka Ianao ho Tony

Mpitondra taxi any Madrid, any Espaina i Jaime. Efa 30 taona mahery izy izao no niaritra ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Izao no ataony mba hahatonga azy ho tony hatrany, rehefa zara raha mandroso ny fiara eo alohany:

◼ Mitondra boky hovakina aho. Tsy sorena be aho amin’izay rehefa tsy mihetsika mihitsy ny fiara eo alohako.

◼ Raha mandeha miadana kely kosa izany, dia mihaino vaovao ao amin’ny radio aho, na andalan-teny ao amin’ny Baiboly noraisim-peo. Zavatra hafa amin’izay no ifantohan’ny saiko.

◼ Tsy mampaneno klakisaonina mihitsy aho, satria manelingelina ny hafa fotsiny izany sady tsy ilaina. Manaja ny mpamily hafa aho. Samy tsy sorena izahay amin’izay.

◼ Miezaka ny ho tony aho, ary mihataka rehefa misy mpamily mila ady amiko. Tsy misy tsara noho ny mifehy tena.

◼ Mitady lalana haingana kokoa aho. Ilazako anefa ilay olona entiko indraindray hoe mety mbola ho tara ihany izy, na dia any aza ny lalanay. Mety hahatonga anao tsy ho mari-potoana mantsy ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe.