Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hiafaran’ny Fivavahana?

Inona no Hiafaran’ny Fivavahana?

Inona no Hiafaran’ny Fivavahana?

FA INONA no mitranga amin’ny fivavahana? Ahoana ny ao amin’ny taninao? Mihavitsy sa mihamaro ny olona miangona? Misy miteny hoe lasa tia fivavahana indray ny olona. Voalaza mihitsy aza indraindray fa mihabetsaka ny mpiangona, any amin’ny tany sasany toa an’i Afrika sy Eoropa Atsinanana ary Etazonia. Tsy izany anefa ny zava-misy any an-tany hafa, indrindra any Eoropa Andrefana. Voalazan’ny fampitam-baovao fa mikatona ny fiangonana sasany any, mihavitsy ny mpiangona, ary mihamaro ny olona tsy tia fivavahana.

Tapa-kevitra àry ny fivavahana maro fa hanova ny fampianarany sy ny zavatra ataony. Milaza, ohatra, ny sasany fa tsy mitsara olona izy ireo, satria Andriamanitra aza, hono, tsy manao izany. Mihamaro ny fivavahana tsy mampianatra ny Tenin’Andriamanitra intsony, fa mampiala voly sy mampifalifaly ny mpiangona fotsiny. Mihevitra ny mpiangona sasany fa ilaina ny fanovana toy izany, satria izany no tian’ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. Maro anefa ny olona tso-po manontany tena hoe sao dia efa tsy manao ny asa nasain’i Jesosy hataony intsony ny fivavahana. Andeha hojerentsika ny fiovana nitranga teo anivon’ny fivavahana, tato ho ato.