Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa i Satana? Tena Misy ve Izy?

Iza moa i Satana? Tena Misy ve Izy?

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Iza moa i Satana? Tena Misy ve Izy?

MISY manam-pahaizana milaza fa tsy tena misy i Satana. Lazain’izy ireo fa noforomporonin’ny sain’ny olona fotsiny izy io. Tsy vao izao no nisy an’izany adihevitra izany. Hoy i Charles Baudelaire, poety tamin’ny taonjato faha-19: “Ataon’ny Devoly izay hinoantsika fa tsy misy izy. Izany no fitaka lehibe indrindra ampiasainy.”

Tena misy ve i Satana? Raha izany no izy, ahoana no nampisy azy? Izy ve ilay hery tsy hita maso mahatonga ny faharatsiana eran-tany? Inona no azonao atao mba tsy ho voafitany?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Milaza ny Baiboly fa tena misy i Satana, ary monina any amin’ny faritra tsy hita maso izy. (Joba 1:6) Voalaza ao koa fa lozabe sy mahery setra ary mpanao ratsy izy. (Joba 1:13-19; 2:7, 8; 2 Timoty 2:26) Hita ao mihitsy aza ny resaka nifanaovany tamin’Andriamanitra sy tamin’i Jesosy.—Joba 1:7-12; Matio 4:1-11.

Ahoana àry no nampisy an’i Satana? Namorona ny Zanany “lahimatoa” Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny olombelona. (Kolosianina 1:15) Nantsoina hoe Jesosy izy io tatỳ aoriana. Namorona ‘zanaka’ hafa koa Andriamanitra, ary nantsoina hoe anjely izy ireo. (Joba 38:4-7) Lavorary sy nanao ny marina izy rehetra. Lasa Satana anefa ny iray tamin’ireo anjely ireo.

Tsy i Satana no anarana nomena azy tamin’izy vao noforonina. Milazalaza ny momba azy kosa io anarana io, izay midika hoe “Fahavalo, Mpanohitra, Mpiampanga.” Lasa nantsoina hoe Satana izy, satria nifidy ny hanohitra an’Andriamanitra.

Nitombo tsikelikely tao amin’i Satana ny avonavona sy ny fialonana an’Andriamanitra. Niriny hivavaka aminy ny zavaboary hafa. Fony tetỳ an-tany, ohatra, i Jesosy, ilay Zanak’Andriamanitra lahimatoa, dia sahin’i Satana mihitsy ny nangataka azy ‘hiankohoka teo anatrehany.’—Matio 4:9.

“Tsy nifikitra tamin’ny marina” i Satana. (Jaona 8:44) Nilaza izy fa mpandainga Andriamanitra, nefa izy no tena mpandainga. Nilaza koa izy fa afaka ny hitovy amin’Andriamanitra i Eva, nefa izy no tena te hitovy amin’Andriamanitra. Voafitaka i Eva, ka i Satana indray no noheveriny ho ambony noho Andriamanitra. Tratran’i Satana ny tanjony tamin’izay. Nanaiky azy ho andriamaniny i Eva rehefa nankatò azy.—Genesisy 3:1-7.

Nitaona ny hafa hikomy io anjely nahatoky fahiny io, ka lasa Satana. Izy ihany no nanao ny tenany ho fahavalo sy mpanohitra an’Andriamanitra sy ny olona. Nantsoina koa hoe “Devoly”, izay midika hoe “Mpanendrikendrika” izy, noho ny toetra ratsiny. Notaomin’io mpanota raindahiny io tsy hankatò an’Andriamanitra sy hiara-mikomy aminy, ny anjely hafa. (Genesisy 6:1, 2; 1 Petera 3:19, 20) Nanampy trotraka ny fijalian’ny olona ireo anjely ireo. Tia tena toa an’i Satana mantsy izy ireo, ka nanjary ‘heni-doza ny tany.’—Genesisy 6:11; Matio 12:24.

Mandaitra ve ny famitahan’i Satana?

Mety hanaisotra ny dian-tanany rehetra eo amin’ny toerana nanaovany heloka bevava ny mpanao ratsy, mba tsy hamantarana azy. Fantatry ny polisy anefa hoe tsy nitranga ho azy ny heloka bevava iray, fa tsy maintsy ho nisy nanao. Niezaka nanafina ny mombamomba azy koa i Satana, ilay “mpamono olona” voalohany. (Jaona 8:44; Hebreo 2:14) Nampiasa bibilava, ohatra, izy rehefa niresaka tamin’i Eva, mba tsy hahalalana azy. Mbola miezaka manao izay tsy hamantarana azy koa izy ankehitriny. “Manajamba ny sain’ny tsy mino” izy, mba tsy hahitan’izy ireo fa mandaitra tokoa ny famitahany.—2 Korintianina 4:4.

Nahariharin’i Jesosy anefa, fa i Satana no tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana eto amin’ity tontolo misy antsika ity. Nantsoiny hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” izy. (Jaona 12:31; 16:11) Hoy ny apostoly Jaona: ‘Izao tontolo izao manontolo dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) Mampiasa “ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana” i Satana mba ‘hamitahana ny tany rehetra misy mponina’, ary tena mahomby izy amin’izany. (1 Jaona 2:16; Apokalypsy 12:9) Izy mantsy no ankatoavin’ny ankamaroan’ny olona.

Manaiky an’i Satana ho andriamaniny, raha ny marina, ireo olona mankatò azy, toy ny nataon’i Eva ihany. I Satana àry no “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2 Korintianina 4:4) Anisan’ny vokatry ny fitondrany ny fihatsarambelatsihy, lainga, ady, fampahoriana, fandravana, heloka bevava, fitiavan-karena ary ny kolikoly.

Inona no azonao atao mba tsy ho voafitany?

Mampitandrina ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo ho mailo hatrany sy hiambina.” Nahoana? “Satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.” (1 Petera 5:8) Marina aloha fa mampieritreritra io andinin-teny io. Manome toky antsika anefa izy io fa ireo tsy mailo ihany, izany hoe ireo tsy miambina, no “ho voafitak’i Satana.”—2 Korintianina 2:11.

Tokony hekentsika àry fa tena misy i Satana, ary tokony havelantsika ‘hampiorina’ sy ‘hanatanjaka’ antsika Andriamanitra. Zava-dehibe ny hanaovantsika izany, satria hanampy antsika ‘hanohitra’ an’i Satana sy hiandany amin’Andriamanitra.—1 Petera 5:9, 10.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Ahoana no nampisy an’i Satana?—Joba 38:4-7; Jaona 8:44.

◼ Mandaitra ve ny famitahan’i Satana?—Jaona 12:31; 1 Jaona 5:19; Apokalypsy 12:9.

◼ Inona no azontsika atao mba tsy ho voafitany?—1 Petera 5:8-10.

[Sary, pejy 12]

I Satana ve ilay hery tsy hita maso mahatonga ny faharatsiana eran-tany?