Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maro Karazana sy Mahasoa ny Hazomalahelo

Maro Karazana sy Mahasoa ny Hazomalahelo

Maro Karazana sy Mahasoa ny Hazomalahelo

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY AMIN’NY REPOBLIKA TSEKY

INONA àry izany? Ny iray matsoraka sy mijoro tsara ary avo be. Ny iray kosa mitanondrika satria mitsontsorika ny rantsany. Iray karazana ihany anefa izy ireo na dia samy hafa aza ny endriny. Tsy inona izany fa ny hazo aravaha sy ny hazomalahelo.

Famboly amin’ny tahony ny hazomalahelo ary fahita eny amoron-drano. Vetivety dia maniry sy miroborobo izy io eny amin’ny faritra be honahona, atỳ amin’ny Repoblika Tseky. Mety hahatratra 30 metatra ny haavony. Lava matsoraka ny ravin’ny hazomalahelo sasany ary mitsontsorika miaraka amin’ireo rantsany. Ny ravin’ny hafa kosa mivelatra kokoa sady malamalama na volomboloina.

Misy karazany 350 mahery ny hazomalahelo sy ny hazo aravaha, kanefa ilay karazana hazomalahelo mitanondrika no tena manintona ny olona. Miavaka kosa ny karazana hazomalahelo iray, satria volomboloina ny sampaho misy ny voniny, ary mipoitra alohan’ny raviny. Misy milaza fa rehefa mipoitra ireny sampahony kely ireny, dia efa akaiky izay ny lohataona.

Karazana hazo aravaha

Fahita ny hazo aravaha eto Bohême, izany hoe atỳ amin’ny faritra misy an’i Prague, renivohitry ny Repoblika Tseky. Misy karazany 35 io hazo io, fara fahakeliny. Ny hazo aravaha mainty angamba no be mpahalala indrindra, ary matetika izy io no hita eny amoron-drano na eny amin’ny faritra mandomando sy be hazo eto Bohême. Misy indray karazany atao hoe hazo aravahan’i Lombardie. Lava matsoraka ny vatany ary maniry miakatra ny rantsany, ka tsy misandrahaka fa mitsangana manaraka ny vatabeny. Mahatratra 35 metatra ny haavon’io hazo tsara tarehy io! Fahita eny amin’ny sisin-dalana maro izy io ary mandravaka ny eny ambanivohitra, indrindra rehefa lasa mavomavo ny raviny amin’ny fararano.

Eo koa ilay karazany atao hoe hazo aravaha mangovitra. Tsy avo be izy io ary somary marotsaka ny tendrony. Mbola misy lafiny hafa mampiavaka azy io anefa: Na ny tsio-drivotra faran’izay malefaka aza, dia efa mampihetsiketsika ny raviny.

Miresaka azy ireo ny Baiboly

Tsy noeritreretinao angamba hoe maniry hatrany Moyen-Orient ny hazomalahelo. Resahin’ny Baiboly anefa fa nanantona ny lokangany, na ny harpany, teo amin’ny hazomalahelo ny Israelita, tamin’izy ireo babo tany Babylona. (Salamo 137:2) Nahoana? Tsy te hitendry harpa izy ireo nandritra ilay fotoam-pahoriana, na dia zavamaneno entina midera an’Andriamanitra aza izy io. (Isaia 24:8, 9) Resahin’ny Tenin’Andriamanitra koa fa azo nampiasaina hanamboarana trano rantsankazo ny hazomalahelo, nandritra ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra. (Levitikosy 23:40) Milaza koa ny bokin’ny Joba fa misy “hazomalahelo [na hazo aravaha, araka ny fandikan-teny sasany] eny amoron’ny ony” ipetrahan’ny behemota na hipopotama.—Joba 40:22.

Anaovana entam-barotra maro samihafa ny hazomalahelo sy ny hazo aravaha ankehitriny. Matetika no anamboarana fanaka, kaontenera, baoritra, ary taratasy isan-karazany ny hazo aravaha. Mahasoa koa ny hazomalahelo. Ampiasain’ny mpanao asa tanana hanaovana harona sy fanaka ny rantsany malefaka. Hitantsika avy amin’izany àry, fa maro karazana sy mahasoa tokoa ny hazomalahelo sy ny hazo aravaha!

[Sary, pejy 10]

Ravina hazo aravaha mangovitra

[Sary, pejy 10]

Hazomalahelo mitanondrika

[Sary, pejy 10]

Hazo aravahan’i Lombardie

[Sary, pejy 10]

Hazomalahelo volomboloina

[Sary, pejy 10]

Hazo aravaha mainty