Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana Hoe?

Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana Hoe?

Tsy Hanao Firaisana Alohan’ny Fanambadiana Hoe?

TIAN’NY tanora maro, tato ho ato, ny mivoady fa hitoetra ho virjiny na tsy hanao firaisana mihitsy mandra-panambadiny. Tena tsara tokoa izany tanjona izany, sady mifanaraka amin’ny didy ao amin’ny Baiboly. (1 Korintianina 6:18; Efesianina 5:5) Tsy mahavita manatanteraka ilay voady anefa ny ankamaroany. Hita tamin’ny fanadihadiana natao, fa tsy ampy herintaona akory, dia efa nivadika tamin’ny voady nataony ny antsasany mahery tamin’ireny tanora ireny.

Tsy mazava amin’ny tanora sasany koa ny tena dikan’ny hoe “tsy manao firaisana” sy ny hoe “virjiny.” Hoy i Charlene Giannetti sy Margaret Sagarese, ao amin’ilay bokiny hoe Adalan-dehilahy! (anglisy): ‘Mihabetsaka ny tanora manao firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana mihitsy aza. Milaza ny mpikaroka fa manao izany izy ireo, satria mbola te ho virjiny foana, hono. Mihevitra izy ireo fa tsy firaisana no ataony raha mbola tsy mampiray ny filahiana amin’ny fivaviana izy.’

Toa maro be ny tanora mihevitra toy izany. Hoy ny mpanoratra iray, rehefa avy nanadihady tanora arivo mahery: “Iray na roa monja tao anatin’ny zato angamba no nihevitra fa efa firaisana ny firaisana amin’ny vava.” Hoy koa izy: “Tokony ho fantatrao fa mety hiray hevitra amin’izany koa ny zanakao tanora, eny fa na dia ny zanakao mbola latsaka ny 13 taona aza.”

Mazava amin’ny olona manaraka ny fitsipiky ny Baiboly kosa fa efa firaisana ny firaisana amin’ny vava na firaisana amin’ny lava-pitombenana. Efa manaporofo izany na dia ireo anarana ilazana azy ireo aza. Mandidy antsika ny Baiboly mba ‘hifady ny fijangajangana’, ka tafiditra amin’izany ny karazana firaisana rehetra raran’Andriamanitra.—1 Tesalonianina 4:3.