Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nanampo Hahita Tsipoy Izahay

Tsy Nanampo Hahita Tsipoy Izahay

Tsy Nanampo Hahita Tsipoy Izahay

TSY andrinay sy ireo namako ny fotoana hitsidihana ny nosin’i Maui, any Hawaii. Any no misy ny tendrombohitra Haleakala, izay mahatratra 3 055 metatra. Nirinay mafy ny ho eny an-tampon’io tendrombohitra volkano io, mba hijery ny fiposahan’ny masoandro. Nisy nilaza taminay mantsy fa tena faran’izay tsara izany. Ny tsininy kely fotsiny dia izahay tsy maintsy nifoha tamin’ny roa maraina, satria nila nandeha fiara avy tany Kapalua, toerana nilasianay. Tsy maintsy nianika an’ilay tendrombohitra mideza izahay. Noeritreretinay hoe ny fiaranay irery no hananika an’ilay tendrombohitra, satria mbola maraina be ny andro. Diso hevitra anefa izahay! Fiara maro be no nitanjozotra moramora nananika an’ilay lalana miolakolaka hatreny an-tampony. Namirifiry teny ambony teny, saingy efa nitondra bodofotsy hirakofana izahay.

Amin’ny enina maraina eo ho eo no miposaka ny masoandro, ary olona an-jatony no niandry izany. Samy tsindrian-daona ny rehetra. Efa vonona ny fitaovana hakana sary an’ilay zava-mahatalanjona. Indrisy anefa! Tamin’izay indrindra no nisy rahona matevina nanarona an’ilay vava volkano. Nalahelo mafy izahay fa tsy azonay sary indray ilay fiposahan’ny masoandro! Fahita eny amin’ireo tendrombohitra eny akaikin’ny Oseana Pasifika anefa ny rahona toy izany. Tsy nanary toky àry izahay, fa niandry ny hisavan’ilay rahona tsikelikely rehefa nihanafana ny andro. Nisy zavatra tsy nampoizina avy eo! Nanomboka hitanay tsara ilay vava volkano manontolo sy ireo lalan-kely misafelipelika eo aminy. Tsy diso fanantenana tanteraka àry izahay.

Tampoka teo dia injany nisy feo hafahafa. Hoatran’ny feon’akohovavy miantso ny zanany ilay izy. Hay feom-borona! Vorona tsara tarehy iray karazana amin’ny tsipoy izy io, ary fahita any amin’ny faritr’i Eoropa sy Azia. Eny amin’ny tany izy io no manao ny akaniny sy mitaiza, fa tsy eny ambony hazo. Tsy nanidina ilay vorona rehefa nahita anay fa nihazakazaka nandositra.

Ahoana no nahatongavan’io karazam-borona io tany amin’ny nosy tsara tarehin’i Maui? Toa nisy nitondra tany izy ireo. Ompian’ny olona kosa izy ireny any Amerika Avaratra, ary matetika no avotsotra mba hohazaina. Faly izahay fa mba afaka nahita akaiky an’io vorona saron-kenatra io.—Lahatsoratra nisy nanome.