Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nisaraka Indray Izy Mivady!

Tsy Nisaraka Indray Izy Mivady!

Tsy Nisaraka Indray Izy Mivady!

Tsikaritry ny mpampiasa iray tatsy Afrika Atsimo fa nanana olana ara-panambadiana ny iray tamin’ny mpiasany, izay atao hoe Bella. Nasainy niresaka tamin’i Bella àry i Thandi, Vavolombelon’i Jehovah. Fantatr’i Thandi taorian’izay, fa tapa-kevitra ny hisaraka tamin’ny vadiny i Bella.

Nomen’i Thandi roa tamin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana i Bella, ary nasainy nomena iray ny vadiny. Nanaiky i Bella. Fantatr’i Thandi, herinandro taorian’izay, fa namaky an’ilay boky ny vadin’i Bella, ary nihanilamina ny tokantranon’izy ireo. Telo volana tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’i Thandi i Bella fa novonjen’Andriamanitra ny tokantranony, noho ny vavaka sy ilay boky Fahasambaram-pianakaviana. Tsy izay ihany anefa.

Ren’ny mpampiasa an’i Bella izay nitranga, ka nanolo-kevitra izy mba homena iray amin’io boky 192 pejy io ny mpiasa rehetra. Boky Fahasambaram-pianakaviana zato mahery no nozaraina tamin’ireo mpiasan’ilay orinasa. Ireto no santionan’ny toko mirakitra fanazavana mahasoa ao amin’io boky io: “Raha Madiva ho Rava ny Fanambadiana”, “Arovy Amin’ny Fitaomana Mandrava ny Fianakavianao”, ary “Tandrovy ny Fihavanana ao Amin’ny Ankohonanao.”

Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana aho.

Amin’ny fiteny:

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.