Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Raha Misy Manasa Ahy Hanao Firaisana?

Ahoana Raha Misy Manasa Ahy Hanao Firaisana?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana Raha Misy Manasa Ahy Hanao Firaisana?

“Miarakaraka eny ny ankizy mba hahitany fotsiny raha afaka manao firaisana izy. Ny hanao firaisana amin’ny olona betsaka araka izay azo atao no tanjony.”—Zoely. *

“Tsy manafinafina an’izany resaka izany ny ankizilahy. Mizesta izy ireo hoe efa manana sipa, nefa mbola manao firaisana amin’ny ankizivavy maro hafa.”—Doda.

“Tonga dia sahy nanasa ahy nivantana hanao firaisana ny ankizilahy. Misisika ihany izy ireo na dia efa mandà aza ianao!”—Ialy.

MISY miantso azy io hoe “mirevy” na “mihodina.” Hafa kosa no ilazana azy any amin’ny tany hafa. Nilaza toy izao, ohatra, i Akiko, ankizivavy iray any Japon: “Fampiasan’ny tanora ny hoe sefre na ‘namana fanaovana firaisana.’ Ary izay ihany no maha mpinamana an-dry zareo.”

Na inona na inona iantsoana an’ilay izy, ny hevitra iombonany dia hoe manao firaisana amin’ny olona tsy mifankatia aminy akory. * Mirehareha mihitsy ny tanora sasany hoe manana an’izany atao hoe “namana mahasoa” izany. Olom-pantany tsy mifankatia aminy izany, nefa fanaovany firaisana ary “tsy misy arakaraka.” Hoy ny tovovavy iray: “Fahafinaretana vetivety no tadiaviny. Azony izay nilainy dia iny izy no lasa.”

Tokony ‘handositra ny fijangajangana’ ianao raha Kristianina. * (1 Korintianina 6:18) Azo inoana àry fa mitandrina mafy ianao ka manalavitra toe-javatra hitarika anao ho amin’ny fakam-panahy. Tratra ihany anefa ianao indraindray. Hoy i Sandy: “Be dia be ny ankizilahy any am-pianarana no manasa ahy hanao firaisana.” Mety hitranga any am-piasana koa izany. Hoy i Margaret: “Nanasa ahy hanao firaisana ny talenay. Nisisika be izy, ka voatery niala tamin’ilay asako aho!”

Aza gaga anefa raha toa ka alaim-panahy ihany ianao indraindray. Hoy ny Baiboly: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina.” (Jeremia 17:9) Hitan’ny ankizivavy atao hoe Lova fa marina izany. Niaiky izy hoe: “Nahafinaritra ahy ilay ankizilahy nanasa ahy hanao firaisana.” Hoy koa i Zoly: “Anisan’ny zavatra sarotra indrindra ny nanda tsy hiaraka taminy. Tena tiako be mantsy izy.” Niaiky koa i Doda, ilay niteny tetsy ambony, fa sarotra ny miezaka ny hadio fitondran-tena foana. Hoy izy: “Be dia be ny ankizivavy manasa ahy hanao firaisana. Tena sarotra ny mandà! Anisan’ny ady mafy indrindra ataoko izany, satria Kristianina aho.”

Mendri-koderaina ianao, raha nanaraka ny fitsipik’i Jehovah Andriamanitra foana, na dia nalaim-panahy toa an’i Lova sy Zoly ary Doda aza. Hampahery anao ny mahafantatra fa niady tamin’ny fironan-dratsy foana koa ny apostoly Paoly.—Romanina 7:21-24.

Inona no toro lalan’ny Baiboly tokony hotadidinao, raha misy manasa anao hanao firaisana? 

Fantaro aloha ny antony maha ratsy azy io

Mandrara ny firaisan’ny olona tsy mpivady ny Baiboly. Fahotana lehibe tokoa ny fijangajangana, ka “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” izay manao izany. (1 Korintianina 6:9, 10) Tsy maintsy mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fomba fihevitrao azy io, raha te hahatohitra fakam-panahy ianao. Ianao no tsy maintsy mifidy ny hadio fitondran-tena.

“Miaiky tanteraka aho fa ny fitsipik’i Jehovah no tsara indrindra.”—Karen, Kanada.

“Voa mafy izay mandika ny lalàn’i Jehovah momba ny fitondran-tena, mba hahazoana fahafinaretana vetivety fotsiny.”—Vivian, Meksika.

“Tadidio fa manana ray aman-dreny ianao, manana namana maro, ary anisan’ny fiangonana. Handiso fanantenana an’ireo olona rehetra ireo ianao raha resin’ny fakam-panahy!”—Peter, Grande-Bretagne.

Hoy ny apostoly Paoly: “Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.” (Efesianina 5:10) Raha mitovy amin’ny an’i Jehovah ny fomba fihevitrao ny fijangajangana, dia ‘hankahala ny ratsy’ ianao, na dia mety hanintona ny nofo mpanota aza ilay izy.—Salamo 97:10.

Andinin-teny hovakina: Genesisy 39:7-9. Mariho fa be herim-po i Josefa rehefa nanohitra fakam-panahy hanao firaisana. Diniho koa hoe inona no nanampy azy tsy ho lavo.

Aza atao mahamenatra ny zavatra inoanao

Matetika ny tanora no tsy menatra mihitsy miaro ny heviny. Voninahitra ho an’ny Kristianina koa ny miaro ny anaran’Andriamanitra, ary afaka manao izany ianao raha manana fitondran-tena fakan-tahaka. Aza menatra àry mampahafantatra fa tsy hanao firaisana alohan’ny fanambadiana mihitsy ianao.

“Ampahafantaro dieny eo am-boalohany ny fitsipi-pitondran-tena arahinao.”—Allen, Alemaina.

“Aza atao mahamenatra ny zavatra inoanao.”—Esther, Nizeria.

“Tsy hanaja ny hevitrao momba ny fanaovana firaisana ny ankizy, raha milaza hoatra izao ianao: ‘Tsy avelan’i Dada sy Neny mampiaraka aho.’ Tsy maintsy ataonao fantatry ny ankizy fa ianao mihitsy no tsy te hampiaraka aminy.”—Janet, Afrika Atsimo.

“Nahafantatra ahy tsara ny ankizilahy mpiara-mianatra tamiko teny amin’ny lise. Fantany fa ho lany rora fotsiny izy, raha hanasa ahy hiaraka aminy.”—Vicky, Etazonia.

Efa Kristianina matotra tokoa ianao, rehefa sahy mijoro amin’ny zavatra inoanao.—1 Korintianina 14:20.

Andinin-teny hovakina: Ohabolana 27:11. Hitanao eo fa afaka miaro ny fahamasinan’ny anaran’i Jehovah ianao, arakaraka izay ataonao. Io no zava-dehibe indrindra mila arovana!

Aoka ianao ho hentitra!

Tena ilaina ny mandà. Mety hadikan’ny sasany ho familafilana anefa izany.

“Mety hieritreritra ny sasany fa toy ny manao fanenjika ilay izy. Heveriny hoe mody mandà ianao mba hahatonga azy hanao izay rehetra azo atao hahazoana anao.”—Lauren, Kanada.

“Tokony ho hita amin’izay mombamomba anao rehetra fa tena mandà ianao. Anisan’izany ny fitafianao, ny fomba fiteninao, ny olona iresahanao, ary ny fomba ifandraisanao amin’ny olona.”—Joy, Nizeria.

“Tsy maintsy mandà mafy sy hentitra tsara ianao.”—Daniel, Aostralia.

“Aza milefitra mihitsy! Nisy ankizilahy nanao fihetsika hafahafa tamiko, dia nataoko hoe: ‘Esory any ity tanana!’ Sady lasa nandeha aho, ary nasehoko taminy fa tsy nivazivazy mihitsy aho.”—Ellen, Grande-Bretagne.

“Aza miolakolaka fa lazao mivantana hoe tsy mahaliana anao ilay izy sady tsy hahaliana anao mihitsy. Tsy amin’izay mihitsy ianao no tokony hiseho ho malefaka!”—Jeanne, Ekosy.

“Nanasa ahy hanao firaisana foana ny ankizilahy iray, sady naneso ahy. Tena hentitra be aho nanda azy vao nijanona tsy nanadala ahy izy.”—Juanita, Meksika.

“Tokony hataonao mazava tsara fa tsy hanao firaisana aminy mihitsy ianao. Aza raisina mihitsy izay fanomezana avy amin’ny ankizilahy mitady fomba hahazoana anao. Iny indray no mety hohararaotiny hahazoana tambiny any aoriana any.”—Lara, Grande-Bretagne.

Hanampy anao i Jehovah raha asehonao fa hentitra ianao. Hitan’i Davida mpanao salamo teo amin’ny fiainany, fa “ny olona tsara no isehoan[’i Jehovah] fa tsara.”—Salamo 18:25.

Andinin-teny hovakina: 2 Tantara 16:9. Mariho fa vonona hanampy an’ireo manana fo mahitsy aminy i Jehovah.

Aoka ianao ho mailo

Hoy ny Baiboly: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery.” (Ohabolana 22:3) Ahoana no hanarahanao an’izany torohevitra izany? Aoka ianao ho mailo!

“Aza miaraka amin’ny olona miresaka zavatra toy izany mihitsy, raha mbola azo atao.”—Naomi, Japon.

“Halaviro izay olona na toe-javatra mety hitarika anao ho amin’ny fakam-panahy. Efa nahita ankizy resin’ny fakam-panahy mantsy aho, satria nisotrosotro ry zareo.”—Isha, Brezila.

“Aza omemena olona mihitsy ny adiresy, na ny nomeraon-telefaonina, na ny zavatra hafa mahakasika anao.”—Diana, Grande-Bretagne.

“Aza zatra mifamihina amin’ny mpiara-mianatra.”—Esther, Nizeria.

“Tandremo ny fomba fiakanjonao. Tsy tokony hanao akanjo manaitaitra filana ianao.”—Heidi, Alemaina.

“Mifandraisa tsara amin’ny ray aman-dreninao, ary resaho aminy ilay olana. Tena hiaro anao izany.”—Akiko, Japon.

Diniho tsara ny fomba fiteninao, ny fitondran-tenanao, ny olona ifaneraseranao, ary ny toerana falehanao. Mieritrereta avy eo hoe: ‘Sao dia izaho ihany no manao fihetsika na zavatra hafa izay hoatran’ny hoe mampirisika ny olona hanasa ahy hanao firaisana?’

Andinin-teny hovakina: Genesisy 34:1, 2. Mariho fa nahita loza ilay zazavavy atao hoe Dina, rehefa nandeha tany amin’ny toerana tsy tokony ho nalehany.

Tadidio fa na dia heverin’ny olona ho tsy mampaninona aza ny firaisan’ny olona tsy mpivady, dia tsy toy izany mihitsy no iheveran’i Jehovah Andriamanitra azy io. Tsy tokony hihevitra azy io ho tsy mampaninona koa àry ianao. Hoy ny Baiboly: “Tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra, na ny mpijangajanga na ny olona mpanaraka fanao maloto.” (Efesianina 5:5) Hadio foana ny feon’ny fieritreretanao, ary hahatsiaro ho manana ny hajanao foana ianao, rehefa tapa-kevitra ny hanao izay tsara. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Carly: “Nahoana ianao no hanaiky ‘hohararaotin’ny’ sasany hahazoany fahafinaretana vetivety fotsiny? Arovy tsara foana ny fahadiovanao, satria efa nanaovanao ezaka mafy izany!”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe...”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana.

^ feh. 7 Tafiditra amin’izany koa ny fifanorohana sy fifanafosafoana mba hahitana fahafinaretana sy hanaitairana ny filana.

^ feh. 8 Anisan’ny fijangajangana ny firaisan’ny olona tsy mpivady, ny firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana, ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny fikasikasihana ny filahiana na ny fivavian’olon-kafa. Anisany koa ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny filahiana sy ny fivaviana, eo amin’ny olona tsy mpivady.

ERITRERETO IZAO:

◼ Nahoana no ratsy ny fanaovana firaisana tsy ara-dalàna na dia mety hanintona ny nofo mpanota aza izany?

◼ Ahoana no hataonao raha misy manasa anao hanao firaisana?

[Efajoro, pejy 27]

◼ “Manota amin’ny vatany ihany” ny olona mijangajanga, hoy ny Baiboly. (1 Korintianina 6:18) Nahoana no marina izany? Mitadiava porofo ary soraty eto ambany izany.

․․․․․

Soso-kevitra: Hanampy anao hahita ny valiny ireto boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireto: Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, pejy faha-411, sy Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, pejy faha-181-189.

[Efajoro, pejy 29]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

“Nanasa ahy hanao firaisana ny mpiara-mianatra tamiko. Nieritreritra elaela aho vao azoko hoe inona no notadiaviny. Vao 11 taona mantsy aho.”—Leah.

Mahagaga fa tena mbola kely ny ankizy dia efa misy manasa hanao firaisana. Efa ela be ny Baiboly no nilaza fa “hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina” amin’ny “andro farany.” “Tsy hahafehy tena” ny olona, ary “ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:1, 3, 4) Maro ny porofo fa tanteraka tokoa io faminaniana io. Anisan’izany ilay fanao be mpanaraka resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.

Tena samy hafa be ny zava-misy tamin’ny andronareo sy ny ankehitriny. Mitovy ihany anefa amin’ny ankapobeny ny olana atrehin’ny olona. Aza atao mampahatahotra anao àry ireo fitaoman-dratsy manodidina ny zanakao, ary aza mieritreritra hoe tsy misy azo atao hanoherana izany. Aoka kosa ianao ho tapa-kevitra hanampy azy ireo hanaraka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ny Kristianina, 2 000 taona lasa teo ho eo izay. Hoy izy: “Tafio avokoa ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11) Tanora maro no mendri-koderaina satria miady mafy mba hanao ny tsara, na dia eo aza ny fitaoman-dratsy manodidina azy. Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanao toy izany koa?

Azonao iarahana midinika aminy, ohatra, ilay lahatsoratra ato. Mampisaintsaina ilay hoe “andinin-teny hovakina.” Manasongadina tantara tena nisy ny sasany amin’ireo. Resahina ao ny tanora nandray fitahiana, satria tapa-kevitra ny hanao ny tsara. Nisy kosa tanora tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra, ka nijinja voka-dratsy. Manome toro lalana kosa ny andinin-teny sasany. Afaka manampy ny zanakao izy ireny mba hahita fa tombontsoa lehibe ho azy sy ho anao ny miaina mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra. Nahoana raha mandamina fotoana mba handinihana an’ilay lahatsoratra miaraka amin’ny zanakao dieny izao?

Mahasoa antsika foana ny manaraka ny fitsipik’Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18) Tsy maintsy hiteraka vokany tena mampalahelo kosa ny tsy firaharahana azy ireny. Miezaha àry mandentika ny lalàna sy toro lalan’Andriamanitra ao am-pon’ny zanakao. Irarianay mpampanonta ny gazety Mifohaza! ny hanampian’i Jehovah anao.—Deoteronomia 6:6, 7.

[Sary, pejy 28]

Tokony hataonao mazava tsara fa tsy hanao firaisana aminy mihitsy ianao