Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Tanora Hiatrika Zava-tsarotra

Ampio ny Tanora Hiatrika Zava-tsarotra

Ampio ny Tanora Hiatrika Zava-tsarotra

MIOVAOVA foana ity tontolo ity sy ny fomba fiainany ary ny lamaodiny. Vao mainka misongadina izany fiovana izany ankehitriny, noho ireo fitaovana maoderina. Vetivety dia lany andro ny zavatra be mpitia teo aloha, ary izay malaza androany dia tsy mahaliana intsony rahampitso. Misy vokany lalina eo amin’ny tanora izany fiovana haingana izany.

Miova ny fiainan’ny olona

Nampiova ny fiainan’ny olona ny fitaovana maoderina, tato ho ato, ary nisy vokany lalina teo amin’ny tanora izany. Lasa fampiasan’ny tanora any amin’ny tany maro, ohatra, ny telefaonina sy ny ordinatera. * Lasa afaka mifandray amin’ny olona maro kokoa izy ireo, noho ny fisian’ny toerana natokana ho amin’izany ao amin’ny Internet. Hoy ny tovovavy iray 19 taona, any Aostralia: “Tsy mana-namana firy ianao raha ny marina, nefa tampotampoka eo dia mana-namana an-jatony ao amin’ny Internet.”

Ekena fa mahasoa ny telefaonina sy ny Internet. Lasa nandevozin’izy ireny anefa ny olona maro. Nilaza i Donald Roberts, profesora any amin’ny oniversite, fa ‘hoatran’ny tsy mahazo aina [ny mpianatra sasany], raha tsy mitelefaonina mandritra ireo minitra vitsivitsy eo anelanelan’ny taranja roa. Toa tsy tantin’izy ireo mihitsy ilay fahanginana.’

Miaiky mihitsy aza ny tanora sasany fa andevozin’ny telefaonina sy ny Internet izy ireo. Hoy i Stephanie, 16 taona: “Tsy azoko mihitsy ny aiko raha tsy mandefa e-mail sy mitelefaonina aho. Izany mantsy no ahafahako mifandray foana amin’ny namako. Mampiasa Internet avy hatrany aho raha vao tonga ao an-trano, ary tsy miala eo ... indraindray aza hatramin’ny telo maraina.” Mahatratra 100 ka hatramin’ny 500 dolara (2 hetsy ka hatramin’ny 1 tapitrisa ariary eo ho eo) ny vola lanin’i Stephanie amin’ny telefaonina, isam-bolana. Hoy izy: ‘Ananan’ny ray aman-dreniko 2 000 dolara mahery [4 tapitrisa ariary eo ho eo] aho izao, noho izaho nampiasa telefaonina be loatra. Efa tena zatra mitondra telefaonina anefa aho, ka hoatran’ny adaladala raha vao tsy any amiko izy io.’

Tsy olana ara-bola fotsiny anefa no aterak’izany. Nanadihady momba ny fiainam-pianakaviana i Elinor Ochs, mpandinika ny olombelona. Voamariny fa revo mampiasa telefaonina sy Internet ny mpianakavy, ka tena mahalana vao miarahaba ny raim-pianakaviana, rehefa avy miasa izy. Hoy i Ochs: “Hitanay koa fa sarotra amin’ny ray aman-dreny ny mandray anjara amin’ny zavatra ataon-janany.” Nilaza izy fa mihataka moramora ny ray aman-dreny, rehefa variana amin’izay ataony ny zanany.

Mampidi-doza ve ny mifandray amin’ny olona amin’ny alalan’ny Internet?

Tena mampanahy ny ray aman-dreny sy ny mpanabe maro ny habetsahan’ny fotoana lanin’ny tanora ifandraisana amin’ny olona, ao amin’ny Internet. Afaka manana toerana manokana ao amin’ny Internet ireo olona te hifandray amin’ny hafa. Azony asiana sary sy video, ary diary izay antsoina hoe blog, ao amin’izy io.

Mahaliana ny tanora io toerana ao amin’ny Internet io, satria ahafahany mifandray amin’ny namany. Azony lazaina ao koa ny mombamomba azy sy ny heviny manokana. Tsy mahagaga raha liana amin’izany izy ireo, satria mandritra ny fahatanorana no amantarany ny tena maha izy azy, sy amborahany ny fihetseham-pony mba hanohinana ny fon’ny hafa.

Ny olana anefa dia izao: Mandainga ny olona sasany rehefa milaza ny mombamomba azy, ao amin’ny Internet. Hoy ny ankizilahy iray 15 taona: “Nilaza [tao amin’ny Internet] ny ankizy iray miara-mianatra aminay fa 21 taona, hono, izy ary mipetraka any Las Vegas.” Any amin’ny 1 600 kilaometatra avy eo Las Vegas anefa izy ireo no mipetraka.

Fahita ny fitaka toy izany. Hoy ny tovovavy aostralianina iray, 18 taona: “Afaka manao izay tianao ianao ao amin’ny Internet. Afaka miseho ho olon-kafa tanteraka ianao satria tsy misy mahafantatra. Matoky tena erỳ ianao. Afaka mamorona ianao mba hanintona ny olona kokoa. Azonao atao ao ny sarinao manao akanjo tsy hanaovanao mihitsy na eo am-panaovan-javatra tsy hataonao na oviana na oviana. Azonao soratana ao na dia ny teny tsy haloaky ny vavanao mihitsy aza. Mihevitra ianao fa ho afa-maina satria tsy misy tena mahalala anao.”

Sady mahasoa no manimba ny fifandraisana amin’ny olona amin’ny alalan’ny Internet, toy ny fampiasana fitaovam-pifandraisana hafa ihany. Raha manan-janaka ianao, fantatrao ve izay ataony ao amin’ny Internet? Azonao antoka ve fa mampiasa ny fotoanany amim-pahendrena izy? * (Efesianina 5:15, 16) Maro koa ny loza mety hihatra amin’ny tanora mampiasa Internet amin’ny fomba ratsy. Inona ny sasany amin’izany loza izany?

Inona no maharatsy ny Internet?

Tena tian’ny mpametaveta ankizy ny Internet, satria tsy voatery hitonona anarana izy rehefa mampiasa azy io. Mety ho voafandrika ny ankizy, raha milaza ny mombamomba azy ao amin’ny Internet, na manaiky hihaona amin’ilay olona ifandraisany ao. Misy milaza fa “atahorana kokoa hiharan’ny herisetra na fampijaliana ny ankizy, any amin’ny toerana ilalaovany, ary na dia ao an-tranony aza. Misy loza misoko mangina tsy fantatry ny ankamaroan’ny ray aman-dreny anefa. Mety ho tonga ao an-tranony amin’ny alalan’ny Internet mantsy ny mpametaveta ankizy, ary hanimba ny zanany”, araka ny boky Fitaizana 911 (anglisy).

Misy koa tanora mampiasa Internet mba hampijaliana ny hafa. Tsy mitsahatra mananihany olona, na manorisory, na mampitahotra, na maneho ny fankahalany izy ireo amin’izany. Misy toerana natokana hanambaniana olona, ao amin’ny Internet. Nampiasaina hanendrikendrehana olona koa ny fandaharana ahafahana mifampiresaka ao amin’izy io, sy ny e-mail ary ny toy izany. Milaza ny talen’ny fikambanana miaro ny olona mampiasa Internet, fa efa ho ny 80 isan-jaton’ny ankizy eo anelanelan’ny 10 sy 14 taona no niharan’ny fampijaliana tamin’ny alalan’ny Internet, na mivantana izany na tsia.

Marina fa tsy zava-baovao ny fampijaliana olona. Azo aely haingana kokoa sy lavitra kokoa anefa izao ny tsaho sy ny fanaratsiana ary ny fanendrikendrehana. Vao mainka mahatsiravina aza izany matetika. Nisy nampiasa telefaonina misy fakan-tsary mba hakana sary na horonan-tsary mahamenatra sy mamoafady, angamba tany amin’ny efitra fisoloana akanjo na efitra fandroana, tany am-pianarana. Nampidirina tao amin’ny Internet ireny sary ireny avy eo, ary nalefa tany amin’izay olona te hahazo izany.

Mitombo ny fanahian’ny olona

Noho ireo toe-javatra ireo, dia nandefa taratasy ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpitaiza ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna sy ny Fiarovana any New Jersey, Etazonia. Nanentana azy ireo izy io mba “hiara-mifarimbona aminy, satria tena tsy mety ny fomba ampiasan’ny ankizy ny Internet, na any am-pianarana izany na any an-toeran-kafa.” Voalazan’ilay taratasy fa milaza ny mombamomba azy ao amin’ny Internet ny ankizy sady mampiditra sary ao, ka tena mampanahy. Manintona ny tanora sy ny olon-dehibe maty eritreritra ny toerana ahitana ireny tsipirian-javatra ireny, matetika. Hoy ihany ilay taratasy: “Na ray ianao na reny, dia tokony ho fantatrao fa tena misy izany toe-javatra mampanahy izany. Manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ny zanakao ianao. Tokony ho fantatrao kokoa ny zavatra ataony ao amin’ny Internet, ary tokony hanara-maso izany ianao.”

Mahagaga anefa fa zara raha mahafantatra izay ataon-janany ao amin’ny Internet, ny ray aman-dreny sasany. Nanara-maso akaiky ny zavatra nataon’ny zanany vavy 16 taona, tao amin’ny Internet, ny reniny. Hoy izy: “Hihoron-koditra sy tena ho menatra ny ray aman-dreny, raha mahafantatra ny zavatra alefan-janany sy resahiny ao amin’ny Internet.” Milaza ny manam-pahaizana iray, fa misy tanora mandefa sary tena mamoafady ao amin’ny Internet.

Ny voka-dratsiny

Tafahoatra loatra ve ny fanahian’ireo olon-dehibe ireo, satria hoe efa tsy maharaka ny toetrandro intsony izy ireo? Tsy izany velively. Diniho, ohatra, ity antontan’isa ity: Efa nanao firaisana ny ampahatelon’ny ankizilahy sy ny ankizivavy eo anelanelan’ny 15 sy 17 taona, any amin’ny toerana sasany. Maherin’ny antsasaky ny zatovo eo anelanelan’ny 13 sy 19 taona koa no nilaza fa efa nanao firaisana tamin’ny vava.

Azo antoka fa anisan’ny nahatonga izany antontan’isa mampieritreritra izany ny fitaovana maoderina. Hoy ny Gazetin’i New York (anglisy): “Mora kokoa amin’ny zatovo ny mifanasa hanao firaisana, satria tsy misy mahafantatra mihitsy ny zavatra resahiny ao amin’ny telefaonina sy izay ataony ao amin’ny Internet.” Teny vitsy monja no tendrena eo amin’ny ordinatera dia efa afaka mifanao fotoana mangingina ny tovolahy sy ny tovovavy. Saika ny tovovavy rehetra nanaovana fanadihadiana no niaiky fa tsy nitandrina tsara izy ireo rehefa nampiasa Internet.

Idiran-doza ny sasany amin’ireo mampiasa Internet, mba hitadiavana olona hiarahana na hanaovana firaisana. Hoy i Jennifer Welch, avy ao amin’ny Foiben’ny Polisy any Novato, Kalifornia: ‘Voamarikay fa mitombo izao ny fametavetana.’ Nolazainy fa ny ankamaroan’ireo olona nisy nanolana, dia nifandray tamin’ny mpametaveta tao amin’ny Internet, ary avy eo nanaiky hihaona taminy.

Mitandrema amin’ny “fahendren’izao tontolo izao”!

Tsy tena mandrara ny fanaovana firaisana ny lahatsoratra momba ny tanora, ao amin’ny gazety na gazetiboky. Ekeny fa tsara ny madio fitondran-tena na tsy manao firaisana. Tsy rarany tsy hanao firaisana anefa ny tanora, fa ampirisihiny hampiasa ‘fiarovana’ kosa rehefa manao izany. Toy ny milaza izy ireny hoe: ‘Tsy afaka mandrara ny tanora tsy hanao firaisana izahay, fa mba mampianatra azy ireo hahay handray andraikitra, fara faharatsiny.’

Nilaza antony telo tsy hanaovana firaisana ny lahatsoratra iray ho an’ny tanora, tao amin’ny Internet. Ireto avy izany: 1) sao dia bevohoka, 2) sao dia voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, 3) mbola tsy vonona hanao firaisana ny an-daniny sy ny an-kilany. “Anjaranao ny manapa-kevitra”, hoy ilay lahatsoratra. Tsy nasiany resaka firy ny handinihana an’ilay raharaha miaraka amin’ny ray aman-dreny. Ary tsy noresahiny mihitsy na mety na tsy mety ny manao firaisana tsy ara-dalàna.

Raha ray ianao na reny, dia azo antoka fa zavatra tsara lavitra noho ny “fahendren’izao tontolo izao”, izay tsy azo ianteherana sy tsy misy dikany, no tianao hitari-dalana ny zanakao. (1 Korintianina 1:20) Ahoana no hanampianao azy ireo hitondra tena tsara mandritra ny fahatanorany, sy hanalavitra ireo loza resahina ato amin’ity lahatsoratra ity? Tsy vahaolana tsotra toy ny mamono ordinatera, na maka ny telefaoniny no ilaina. Tsy manohina ny fo ny vahaolana toy izany mazàna. (Ohabolana 4:23) Tadidio koa fa angamba mampiasa fitaovana toy ny telefaonina sy Internet ny zanakao, mba hahazoany ny zavatra sasany ilainy, kanefa ianao no tena afaka manome azy izany. Inona ny sasany amin’izany zavatra ilain’ny zanakao izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Telefaonina entin-tanana ihany no resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 13 Tsy mety ny mandrara fotsiny ny ankizy tsy hampiasa Internet, fa ilaina ny mamantatra izay toerana ifandraisany amin’olon-kafa, ao amin’izy io. Amin’izay ianao dia ho afaka hanampy azy ireo ‘hanana fahaiza-misaina zatra manavaka ny tsara sy ny ratsy.’ (Hebreo 5:14) Tena hahasoa ny ankizy izany fampiofanan’ny ray aman-dreny izany, rehefa mihalehibe izy ireo.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Mampiasa Internet avy hatrany aho raha vao tonga ao an-trano, ary tsy miala eo ... indraindray aza hatramin’ny telo maraina”

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Afaka manao izay tianao ianao ao amin’ny Internet. Afaka miseho ho olon-kafa tanteraka ianao satria tsy misy mahafantatra”

[Teny notsongaina, pejy 7]

“Hihoron-koditra sy tena ho menatra ny ray aman-dreny, raha mahafantatra ny zavatra alefan-janany sy resahiny ao amin’ny Internet”

[Efajoro/​Sary, pejy 6]

Tovovavy Nandevozin’ny Internet

“Nanomboka nifandray tamin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra tamiko, tao amin’ny Internet, aho satria nanana toerana tao amin’izy io ny sekolinay. Adiny iray isan-kerinandro aloha no nampiasako azy io, ary avy eo lasa isan’andro. Tena nandevozin’ny Internet aho ka tany foana ny saiko rehefa tsy nampiasa azy. Tsy afaka nifantoka tamin-javatra hafa aho. Tsy nahavita entimody aho, ary tsy nifantoka nandritra ny fivoriana kristianina. Tsy noraharahaiko intsony na dia ireo tena namako aza. Tsikaritry ny ray aman-dreniko izany ka noferany ny fampiasako Internet. Mafy tamiko izany ka tezitra be aho. Faly anefa aho izao satria nanao izany izy ireo, ary efa miverina amin’ny laoniny ny fiainako. Tsy te ho andevozin’ny Internet intsony aho!”—Bianca.