Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoan-dehibe Iray Tsy Tokony Havelanao Handalo Fotsiny

Fotoan-dehibe Iray Tsy Tokony Havelanao Handalo Fotsiny

Fotoan-dehibe Iray Tsy Tokony Havelanao Handalo Fotsiny

“Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Tamin’ny fotoana nanorenany ny Fahatsiarovana ny nahafatesany i Jesosy Kristy Tompontsika, no nilaza an’ireo teny ao amin’ny Lioka 22:19 ireo. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ny olona noho ny nahafatesan’i Jesosy. Tokony hotsarovantsika àry ny nahafatesany.

Hankalaza ny Fahatsiarovana an’izany ve ianao amin’ity taona ity?

Manasa anao ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiara-mankalaza aminy ny fahatsiarovana an’io fotoan-dehibe io. Hatao aorian’ny filentehan’ny masoandro izy io, amin’ny daty mifanitsy amin’ny 14 Nisana, amin’ny kalandrie araka ny volana ao amin’ny Baiboly, dia ny alatsinainy 2 Aprily. Ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao no ho afaka hilaza ny toerana sy ny ora marina hanaovana ilay fankalazana, ao amin’ny faritra misy anao.