Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahay Nifidy Asa Aho

Nahay Nifidy Asa Aho

Nahay Nifidy Asa Aho

Notantarain’i Sonia Acuña Quevedo

Notolorana toerana ambony tao amin’ilay banky niasako aho. Ho nahazo voninahitra sy ho tsara karama kokoa aho, raha nanaiky izany. Vao nahazo fanasana hanao ny asan’ny mpitory manontolo andro any amin’ny fiangonana iray lavitra anefa aho, tamin’io fotoana io. Mieritreritra ny safidy nataoko aho izao, 32 taona atỳ aoriana, ary hitako fa nahay nifidy aho.

KATOLIKA i Neny, kanefa nisalasala momba ireo foto-pinoan’ny fiangonana. Nanontany tena, ohatra, izy hoe: ‘Nahoana no tokony hankamasinina ny sary, nefa olona no nanao azy?’ Tena naniry hahafantatra ny marina izy, ka nitety fiangonana maro. Tsy nisy vokany anefa izany.

Indray andro, dia nitsidika azy ny Vavolombelon’i Jehovah iray, tamin’izy nipetrapetraka teo an-tokotany naka rivotra iny. Tao Tuxtla, any Meksika, no nisy anay tamin’izany. Talanjona i Neny rehefa novalian’ilay Vavolombelona tamin’ny alalan’ny Baiboly ireo fanontaniany. Nanaiky ny hiverenan’ilay Vavolombelona àry izy. Rehefa niverina izy io, dia efa niandry azy i Neny, niaraka tamin’ny pasitera advantista iray, sy pretra katolika iray, ary mpitoriteny iray avy tao amin’ny Fiangonana Nazareanina. Nametraka fanontaniana momba ny Sabata i Neny. Ilay Vavolombelona ihany anefa no nanome valin-teny nahafa-po, niorina tamin’ny Soratra Masina. Izy irery rahateo no nitondra Baiboly! Lasa Vavolombelon’i Jehovah vita batisa i Neny, tamin’ny 1956, izany hoe enim-bolana monja taorian’ny nianarany Baiboly. Valo taona aho tamin’izany.

Ny tena nampanahy an’i Dada

Efatra mianadahy izahay: roa lahy, roa vavy. Tsy nanakana ny fianaran’i Neny Baiboly i Dada. Rehefa nanomboka nampianatra Baiboly anay sy nanatrika ireo fivoriana kristianina anefa i Neny, dia nopotehin’i Dada ny boky sy gazetiny. Nihevitra izy fa voafitaka izahay, ka nampiasa Baiboly Katolika izy mba hanaporofoana fa tsy Jehovah no anaran’Andriamanitra. Ny Vavolombelon’i Jehovah, hono, no nampiditra azy io tao amin’ny Baibolin’izy ireo. Gaga be anefa izy rehefa nasehon’i Neny avy tao amin’io Baiboly Katolika io, ilay anarana hoe Iaveh. Niova ny fiheverany ny Vavolombelona, nanomboka teo.—Salamo 83:18.

Any Meksika, dia fotoana manokana ho an’ny tovovavy ny fitsingerenan’ny faha-15 taonany. Efa tsy nankalaza aniversera intsony anefa aho, satria tsy araka ny Soratra Masina izany. * Na izany aza, dia nilaza tamiko i Dada fa tsy maintsy manome zavatra ho ahy. Nieritreritra tsara momba izany àry aho, ary niteny taminy hoe: “Faly aho raha mba miaraka amiko any amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dada. Izany no fanomezana tiako hataonao ho ahy.” Nanaiky izy, ary nanjary liana kokoa tamin’ny Baiboly.

Indray alina dia naratra mafy i Dada, taorian’ny oram-baratra. Nianjeran’ny tariby avy tamin’ny andrin-jiro iray mantsy izy. Nikarakara azy andro aman’alina ny Vavolombelona teo an-toerana, tamin’izy tany amin’ny hopitaly. Tsy nohadinoiny mihitsy izany fitiavana kristianina izany. Lasa mpitory izy, tatỳ aoriana, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah. Nampalahelo anefa fa maty izy tamin’ny 30 Septambra 1975, iray volana talohan’ny hanaovana batisa azy. Tena tsy andrinay ny hamihina azy, amin’ny fitsanganana amin’ny maty!—Asan’ny Apostoly 24:15.

Nitaona ahy ny rahavaviko

Efa hatry ny ela i Carmen, zokiko vavy, no nihevitra ny fanompoana an’Andriamanitra manontolo andro ho sarobidy. Lasa mpisava lalana maharitra izy, tsy ela taorian’ny batisany tamin’ny 1967, ka nanokana 100 ora teo ho eo isam-bolana mba hitoriana. Nifindra tany Toluca, any afovoan’i Meksika, izy tatỳ aoriana. Izaho kosa nahazo asa tao amin’ny banky iray, rehefa nahavita fianarana. Natao batisa aho tamin’ny 18 Jolay 1970.

Nahasambatra be an’i Carmen ny fanompoana manontolo andro, ka nampirisika ahy ho any aminy, tany Toluca, izy. Mbola tao an-tsaiko io fampirisihany io, teo am-pihainoana lahateny iray, indray andro. Nohazavaina, tamin’izay, fa sarobidy ny harena ara-panahy ananan’ny mpanara-dia an’i Jesosy, ka tokony hampiasaina mba hiderana an’Andriamanitra. (Matio 25:14-30) Nanontany tena àry aho hoe: ‘Mampiasa tsara an’ireo fanomezana ara-panahy nankinina tamiko ve aho?’ Nahatonga ahy haniry hanompo an’i Jehovah bebe kokoa ny fieritreretana izany.

Tsy maintsy nisafidy aho

Nanao fangatahana aho tamin’ny 1974, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana any amin’ny faritany hafa. Tsy ela taorian’izay, dia niantso ahy an-telefaonina tany am-piasana ny anti-panahy iray tany Toluca. Hoy izy: “Aiza ianao, fa efa niandry anao izahay?” Hay voatendry ho mpisava lalana manokana tany Toluca aho, saingy tsy tonga tany amiko ny taratasy fanendrena ahy! (Manaiky hanompo manontolo andro any amin’izay faritra anendren’ny fandaminan’i Jehovah azy ny mpisava lalana manokana.)

Nilazako avy hatrany ilay mpampiasa ahy tao amin’ilay banky niasako fa hiala aho. “Andraso vetivety aloha”, hoy izy, sady nanofahofa taratasy iray izy. “Ity mihitsy izao ny taratasy milaza fa iray amin’ireo vehivavy fito voafidy ho tale lefitra ianao. Mbola tsy nisy vehivavy voatendry ho amin’io toerana io mihitsy teto amin’ity orinasa ity hatramin’izay. Ka ahoana? Hiala ihany ve ianao?” Araka ny nolazaiko terỳ am-piandohana, dia ho nahazo voninahitra sy ho tsara karama kokoa aho, raha nanaiky an’io asa io. Nisaorako anefa ilay mpampiasa, ary nilazako fa efa tapa-kevitra hampitombo ny fanompoako an’Andriamanitra aho. “Mandehana àry”, hoy izy. “Tadidio anefa fa misokatra ho anao foana ny varavarana eto, raha mitady asa ianao.” Tonga tany Toluca aho, roa andro taorian’izay.

Mpisava lalana manokana tany Meksika

Efa roa taona no naha mpisava lalana manokana an’i Carmen tao Toluca, tamin’izaho tonga tany. Faly erỳ izahay fa tafaraka indray! Vetivety ihany anefa izany, satria niharan-doza i Neny, telo volana tatỳ aoriana. Nila fikarakarana tsy tapaka tao an-trano izy, vokatr’izany. Naka hevitra tany amin’ny biraon’ny sampana izahay. Taorian’izay, dia nifanaraka izahay sy Carmen fa izy no hody hikarakara an’i Neny. Nanao izany nandritra ny 17 taona izy, sady nanao mpisava lalana maharitra. Nasainy tao an-trano ireo olona nampianariny Baiboly, ka sady afaka nampianatra izy no nahavita nikarakara an’i Neny.

Nafindra faritany tao Tecamachalco aho, tamin’ny 1976. Mizara roa io tanàna io, ka ny ilany ipetrahan’ny mahantra ary ny ilany ahitana ny mpanankarena. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny vehivavy zokiolona iray, nonina tao amin’ilay faritra misy ny mpanankarena, aho. Mbola tsy nanambady mihitsy izy io, ary nipetraka tao amin’ny anadahiny. Nandrahona ny handroaka azy io anadahiny io, rehefa nilazany fa maniry ho tonga Vavolombelona izy. Tsy natahotra anefa io vehivavy manetry tena io, fa natao batisa. Notanterahin’ilay anadahiny tokoa àry ny teniny, taorian’izay. Natoky tanteraka an’i Jehovah anefa io vehivavy io, na dia efa 86 taona aza. Nikarakara azy ny fiangonana, ary tsy nivadika mandra-pahafatiny izy.

Sekolin’i Gileada, avy eo nankany Bolivia

Nahafinaritra ahy ireo dimy taona nijanonako tany Tecamachalco. Taorian’izay, dia nahazo fanasana hanatrika ny kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada tany Meksika aho. Hita amin’ilay anarana fa nitovy tamin’ilay sekoly atao any New York izy io. Nampirisika mafy ahy hanaiky an’ilay fanasana i Neny sy Carmen. Nankany amin’ny biraon’ny sampana tany Mexico àry aho mba hanao ilay fiofanana naharitra roa volana sy tapany. Zavatra tsy hay hadinoina teo amin’ny fanompoako an’Andriamanitra izany! Nahazo diplaoma ilay kilasy nisy anay tamin’ny 1 Febroary 1981. Voatendry tatsy La Paz, eto Bolivia, izahay sy i Enriqueta Ayala (izay nanambady an’i Fernández, tatỳ aoriana).

Mbola tsy tonga ireo anadahy tokony ho nitsena anay, rehefa tonga tao La Paz izahay. Nifampiresaka àry izahay hoe: “Ho lany fotoana eto fotsiny ve isika?” Nitory tamin’ireo olona tao amin’ny seranam-piaramanidina izahay. Nahafinaritra tokoa izany. Tonga ireo anadahy avy tany amin’ny biraon’ny sampana, rehefa afaka adiny telo tatỳ aoriana. Niala tsiny izy ireo, ary nanazava fa nitohana ny fifamoivoizana noho ny fety tao an-tanàna.

Nitory tany ambonin’ny rahona

Avo noho ny rahona foana izahay saika mandavantaona, satria efa ho 3 625 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina no misy an’i La Paz. Tsy ampy oksizenina ny rivotra ka sarotra ny miaina. Vao nitory vetivety fotsiny aho, dia reraka. An-taonany aho vao zatra niaina tamin’ny toerana avo. Be lavitra noho ny harerahana ara-batana anefa ny fitahian’i Jehovah. Indray maraina izay, ohatra, tamin’ny 1984, dia nianika tendrombohitra iray feno vato aho, mba hankanesana tao amin’ny trano iray teo an-tampony. Reraka be aho rehefa nandondòna ny varavarana, ary nipoitra avy any ny vehivavy iray. Nahafinaritra ny resakay, ary nilaza taminy aho fa hiverina afaka andro vitsivitsy.

“Tsy mino izany aho”, hoy izy. Niverina tokoa anefa aho, ary nangataka ahy mba hampianatra Baiboly ny zanany vavy izy. Hoy aho: “Andraikitry ny ray aman-dreny izany, kanefa hataoko ihany ilay izy raha izay no tianao.” Nanaiky ilay ramatoa, ary nanomboka nianatra Baiboly izy sy ny zanany. Tsy nahay namaky teny anefa izy, ka ilay bokikely hoe Mianara Mamaky Teny sy Manoratra no nampiasainay. Izany indrindra no nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’io bokikely io.

Lasa valo ny zanak’ilay ramatoa, tatỳ aoriana. Nifampitantana nanao tohy vakana ireo ankizy valo ireo nisintona ahy, rehefa niakatra an’ilay fiakarana ho any amin-dry zareo aho. Lasa mpanompon’i Jehovah avokoa izy mianakavy, tatỳ aoriana, izany hoe ilay ramatoa sy ny vadiny ary ny zanany valo. Mpisava lalana ny telo amin’ireo zanany vavy, ary anti-panahy ny iray amin’ireo zanany lahy. Efa mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana ny rain’izy ireo, tamin’ny fotoana nahafatesany tamin’ny 2000. Sambatra aoka izany aho rehefa mieritreritra an’io fianakaviana tsy mivadika io! Misaotra an’i Jehovah aho noho ny nampiasany ahy hanampy azy ireo.

Tafaraka indray tamin’i Carmen

Maty i Neny tamin’ny 1997. Voatendry ho mpisava lalana manokana indray i Carmen taorian’izay. Voatendry hiaraka tamiko tao Cochabamba, eto Bolivia, izy, tamin’ny 1998. Ela ny ela ka tafaraka indray izahay, 18 taona tatỳ aoriana. Natao nitovy lenta tamin’ny misionera i Carmen nanomboka teo. Nahafinaritra ny fiainanay tao Cochabamba. Tsara ny toetany, ka tsy hiala ao mihitsy, hono, ny vorona sidintsidina, araka ny fomba fitenin’ny olona any! Eto Sucre, Bolivia, izahay ankehitriny. Miorina an-tampon-kavoana ilay tanàna tsara tarehy, misy mponina 220 000. Nantsoina hoe Vatikana Kely ilay tanàna taloha, satria nisy fiangonana katolika maro. Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah dimy anefa eto izao.

Mahatratra 60 taona, raha atambatra, ny fotoana nanaovanay sy Carmen mpisava lalana. Tena tsy manam-paharoa ny tombontsoa nanananay, satria afaka nanampy olona an-jatony ho tonga hatramin’ny batisa izahay. Tsy isalasalana tokoa fa ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny fo manontolo no mahafa-po indrindra eo amin’ny fiainana!—Marka 12:30.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Fankalazana aniversera roa ihany no voatantara ao amin’ny Baiboly ary olona mpanompo sampy no nanao izany. Ratsy fiafara foana ireo fankalazana ireo. (Genesisy 40:20-22; Marka 6:21-28) Fanomezana avy amin’ny fo no ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra hataontsika, fa tsy fanomezana noho ny faneren’ny fiaraha-monina na ny namana.—Ohabolana 11:25; Lioka 6:38; Asan’ny Apostoly 20:35; 2 Korintianina 9:7.

[Sary, pejy 15]

Nianika tendrombohitra feno vato aho, rehefa hampianatra an’ilay fianakaviana

[Sary, pejy 15]

Mitory miaraka amin’ny Carmen rahavaviko (eo ankavanana)