Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Tanora sy ny Internet

Ny Tanora sy ny Internet

Ny Tanora sy ny Internet

Eritrereto hoe mandeha irery eny amin’ny arabe ny zanakao amin’ny alina.

Alao sary an-tsaina hoe mandamina fiaraha-mikorana ao an-tranonao ny zanakao, nefa tsy fantatrao.

Eritrereto hoe manamboatra lakile mitovy amin’ilay mahavoha ny tranonao ny zanakao, ary mizara izany amin’olon-tsy fantatra.

METY hitranga ireo toe-javatra ireo, raha afaka mampiasa Internet ny zanakao. Hoy ny gazety anglisy iray: “Maro samihafa ny fomba azo ifandraisana ao amin’ny Internet. Misy toerana azo asiana filazana ao, na koa ifandefasana hafatra [e-mail], na toerana ahafahana mifandray amin’olon-kafa.”

Vetivety dia zatra mampiasa Internet ny tanora. Saika ny tanora rehetra teo anelanelan’ny 12 sy 17 taona, ohatra, no nampiasa Internet tany Amerika, tamin’ny 2004. Efa ho ny faritra rehetra eran-tany izao no misy Internet.

Maro no miaiky fa ilaina ny Internet. Tsy azo odian-tsy hita anefa ny loza aterak’izy io. Tanora maro, ohatra, no mampiasa Internet nefa tsy misy manara-maso. Toy ny mandeha irery eny amin’ny arabe amin’ny alina izany, ka mety hahitan-doza. Ny sasany indray mifandray amin’olon-tsy fantatra, izay tsy mendrika ny hampandrosoina ao an-trano akory.

Tsotra loatra ny tanora sasany ka manome fanazavana tsy tokony ho fantatry ny olona, rehefa milaza ny mombamomba azy sy ny eritreriny ary mampiditra sary, ao amin’ny Internet. Hoy i Zheng Yan, profesora ao amin’ny Oniversitem-panjakana any New York: “Tsy takatry [ny tanora] matetika fa olona maro no afaka mahita ireny fanazavana ireny, anisan’izany ny mpametaveta ankizy.”

Andeha hojerentsika akaiky ny zavatra ataon’ny tanora maro ao amin’ny Internet. Hanampy antsika izany mba hamantatra ny olana mety hitranga, sy hahalala izay tadiavin’ny zanatsika, ary hahita ny fomba hanampiana azy hahazo izay tena ilainy. Izany koa no hanampy ny tanora kristianina mba tsy hivadika amin’Andriamanitra, amin’izao andro sarotra izao.—2 Timoty 3:1-5.