Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omeo Izay Ilainy ny Zanakao

Omeo Izay Ilainy ny Zanakao

Omeo Izay Ilainy ny Zanakao

MILA olona iresahana momba ny tanjony sy ny faniriany ary ny olana manjo azy ny tanora. Mila namana tsara koa izy ireo. Rehefa mihalehibe kosa izy ireo dia tokony hanana ny maha izy azy. Raha manampy an-janany hahazo ireo zavatra ilainy ireo ny ray aman-dreny, dia hiaro azy ireo amin’ny fifandraisana manimba, toy ny fifandraisana amin’olon-tsy fantatra ao amin’ny Internet.

Mila olona iresahana ny tanora. Hoatran’ny hoe tsy dia tia milaza ny fihetseham-pony ny tanora. Matokia anefa fa tena te hiresaka izy, ary tiany horesahina aminao rainy na reniny, na ny zava-dehibe na ny zavatra tsy dia misy dikany. Raha izany àry no izy, vonona hihaino azy ireo ve ianao?—Jakoba 1:19.

Tena mila miresaka amin’ny zanakao ianao. Hararaoty ny fotoana azo anaovana izany fa aza variana loatra amin’ny fiainana. Raha mbola tsy nanao izany ianao, dia izao no fotoana tokony hisaintsainanao an’ity torohevitra feno fahendrena avy ao amin’ny Baiboly ity: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Inona tokoa moa no “zava-dehibe” na sarobidy aminao mihoatra noho ny zanakao?

Aza manatsoaka hevitra avy hatrany hoe aleon’ny tanora maka torohevitra amin’ireo mitovy taona aminy, toy izay amin’ny ray aman-dreniny. Nisy fanadihadiana natao tamin’ny mpianatra 17 000 mahery, avy amin’ny kilasy faha-6 ka hatramin’ny kilasy faha-12. Nanontaniana izy ireo hoe ny torohevitr’iza no nisy heriny kokoa teo aminy. Nasaina nifidy tamin’ireto izy ireo: ray aman-dreny, namana, olo-malaza, fampitam-baovao, ary mpampianatra. Efa ho ny antsasany no nilaza fa ny torohevitry ny ray aman-dreniny no nisy heriny indrindra teo aminy.

Ianao rainy na reniny àry no tena manana andraikitra hamolavola ny zanakao, mba hananany toetra sy tanjona tsara. Hoy ny reny iray: “Mety tsy harahiny avokoa izay rehetra lazainao, kanefa raha tsy miresaka aminy ianao dia tsy ho afaka hampita na inona na inona aminy mihitsy.”

Mila namana ny tanora. Hoy ny ankizivavy iray 15 taona: “Tsy fantatry ny ray aman-dreny mazàna izay olona mifandray amin-janany ao amin’ny Internet, na tsy raharahainy tsotra izao.” Tsy mety anefa raha amin’izao andro izao ny ray aman-dreny no minia tsy miraharaha hoe iza no ifaneraseran-janany. Fantatrao ve izay olona mifanerasera amin’ny zanakao, na mivantana izany na amin’ny fomba hafa? Hoy ny Baiboly: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” (1 Korintianina 15:33, Fandikan-teny Protestanta) Tokony harahinao maso tsara àry hoe iza no mifanerasera amin’ny zanakao.

Tsy ampy ny manakana ny ankizy tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy. Mila manana namana tsara koa izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry.” (Ohabolana 13:20) Ampio àry ny zanakao mba hahita namana tsara. Azony atao namana, ohatra, ireo tanora manome modely amin’ny fanompoana ny Mpamorona azy.—Mpitoriteny 12:1.

Mifidy tsara ny olona ataony namana i Jehovah Andriamanitra, ka tokony hanahaka azy isika. (Salamo 15:1-5; Efesianina 5:1) Anisan’ny zava-tsarobidy tokony hampianarinao ny zanakao àry ny fahaizana mifidy namana tsara, ary tokony ho hita amin’ny teninao sy ny ohatra omenao izany.—2 Tesalonianina 3:6, 7.

Tokony hanana ny maha izy azy ny tanora. Manjary manana ny toetra mampiavaka azy ny zaza rehefa mihalehibe. Hoy ny Baiboly: ‘Asehon’ny zaza amin’ny ataony’ ny maha izy azy. (Ohabolana 20:11) Anisan’ny andraikitrareo ray aman-dreny ny mandentika ao am-pon’ny zanakareo ny toro lalana tokony harahiny.—Deoteronomia 6:6, 7.

Ny ray aman-dreny foana, ohatra, no mifidy ny akanjo hanaovan-janany, raha mbola kely izy. Manantena izy ireo fa hahay hifidy ny fitafiana tokony hanaovany io zanany io any aoriana. Azo eritreretina anefa ve hoe misy olona efa 30 taona sy salama saina tsara, nefa mbola ny ray aman-dreniny ihany no mifidy ny akanjo hanaovany? Tena mahatsikaiky izany! Noharin’ny Baiboly amin’ny akanjo ny toetra rehefa nampirisika izy hoe: “Tafio ny toetra vaovao”, izany hoe toetra toy ny an’i Kristy. (Kolosianina 3:10) Afaka manampy ny zanakao hanana toetra vaovao ianao, rehefa manitsy azy amim-pitiavana sy mampianatra azy ny “fomba fisainan’i Jehovah.” (Efesianina 6:4) Rehefa mihalehibe sy mahaleo tena kokoa izy, dia izy ihany no hifidy ‘hitafy ny toetra vaovao’, satria hitany fa tsara sy manintona izany.—Deoteronomia 30:19, 20.

Tokony hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana marina no fiheveran-janako ny toro lalana ampianarina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Ahoana no hanampiako azy hahay “hisaina” tsara?’ (Titosy 2:12) Tsy ny hahatonga azy hankatò fotsiny no tanjonao. Misy mantsy ankizy tsy mba manohitra na mikomy, fa mankatò fotsiny izay asaina ataony. Raha manaraka fotsiny izay asainao ataony anefa izy, dia mety hanaraka fotsiny izay asain’ity tontolo ity hataony koa any aoriana. Ampiofano àry ny zanakao mba hahay hampiasa tsara ny sainy. (Romanina 12:1) Ampio izy hahita hoe nahoana ireo toro lalan’ny Baiboly no azo ianteherana, ary ahoana no handraisantsika rehetra soa avy amin’izy ireny.—Isaia 48:17, 18.

Tena mitaky ezaka avy aminareo ray aman-dreny ny fanampiana ny tanora hahazo izay ilainy, amin’izao andro izao. Hahazo valisoa tondraka anefa ianareo raha manao izany. Raha mampihatra ny toro lalana nampianarinareo azy mantsy ny zanakareo, dia tena hiaiky ianareo fa “lova avy amin’i Jehovah” tokoa ny zanaka.—Salamo 127:3.

[Sary, pejy 9]

Ampio ny zanakao hifidy namana tsara eo anivon’ny fiangonana